Genesỳ

Toko faha-26

1 Nisy mosary teo amin'ny tany, hafa noho izay niseho tamin'ny andron'i Abrahama; koa lasa i Itsehaka nankany amin'i Abimeleka mpanjakan'i Filistinina tao Gerara.

2 Niseho taminy ny TOMPO ka nanao hoe: -Aza mandeha midina any Ejipta, fa monena eo amin'ny tany izay hambarako anao.

3 Mivahinia eto amin'ity tany ity fa homba anao Aho ary hitahy anao, satria ny taranakao no homeko ireo faritany rehetra ireo, fa hotanterahiko ny fampanantenana efa nianianako tamin'i Abrahama rainao.

4 Hataoko marobe tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao ary homeko ireto faritany rehetra ireto. Amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiako ny firenena rehetra eto ambonin'ny tany,

5 satria efa nihaino ny feoko i Abrahama, ka nitandrina ny baikoko sy ny didiko ary ny fitsipiko sy ny lalanako.

6 Nonina tao Gerara i Itsehaka.

7 Nanontany azy momba ny vadiny ny olona tamin'izany toerana izany, fa novaliany hoe: Anabaviko izy. Natahotra ny hilaza azy hoe vadiny izy, fandrao hovonoin'ny olona tamin'izany toerana izany ho faty ny tenany noho ny amin'i Rebeka fa tsara tarehy loatra ravehivavy.

8 Ary rehefa ela no nitoeran'i Itsehaka tao, dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka indray andro ka nahita an'i Itsehaka nisangisangy an'i Rebeka vadiny.

9 Nampanantsoin'i Abimeleka i Itsehaka ka nilazany hoe: -Hay tena vadinao tokoa izy, koa nahoana no nolazainao hoe anabavinao? Hoy kosa ny navalin'i Itsehaka azy: -Nilaza izany aho fandrao vonoina ho faty noho ny aminy.

10 Dia hoy indray i Abimeleka hoe: -Inona ity nataonao taminay? Efa nisy lehilahy anankiray tamin'ny vahoaka saika handry tamin'ny vadinao, ka ho nahatonga heloka taminay ianao.

11 Ary i Abimeleka mpanjaka nandidy ny vahoaka rehetra hoe: -Izay mikasikasika an'ity lehilahy ity sy ny vadiny dia hovonoina ho faty tokoa.

12 Tamin'izany taona izany dia namafy tao amin'io tany io i Itsehaka, ka nahazo zato heny satria notahin'ny TOMPO.

13 Tsy nitsaha-nitombo ny fananany ka tonga mpanan-karena be izy.

14 Nanana andian'ondry aman'osy sy andian'omby ary mpanompo maro izy, ka nialonan'ny Filistinina.

15 Izany no antony nanotofan'izy ireo tany ny lavaka fantsakana izay nohadin'ny mpanompon'i Abrahama rainy fony fahavelony.

16 Dia niteny tamin'i Itsehaka i Abimeleka hoe: -Miala eto aminay satria efa tonga mahery lavitra noho izahay ianao izao.

17 Koa niala teo i Itsehaka, dia nanorin-day tao an-dohasahan'i Gerara ka nipetraka tao.

18 Nasainy nosokafana ireo fantsakana izay voahady fony fahavelon'i Abrahama rainy fa nototofan'ny Filistinina taorian'ny nahafatesany. Ary naveriny tamin'ireny fantsakana ireny indray ny anarana izay efa nomen-drainy azy.

19 Indray andro dia nihady lavaka fantsakana tao an-dohasaha ireo mpanompon'i Itsehaka ka nahita loharano velona.

20 Dia niady tamin'ireo mpiandry ondrin'i Itsehaka ireo mpiandry ondry tao Gerara ka nanao hoe: -Anay ny rano. Dia nantsoin'i Itsehaka hoe Heseka izany hoe Fifandirana ny fantsakana, satria nifandiran'ireo izy.

21 Dia nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompon'i Itsehaka, nefa nilan'ireo sotasota indray. Io fantsakana io dia nantsoina hoe Sitna, izany hoe Sotasota.

22 Koa niala tao izy ary nampandavaka fantsakana hafa indray; fa tsy mba niadian'ireo kosa io ka nantsoin'i Itsehaka hoe Rehobota na Fahalalahana, satria hoy izy hoe: Ankehitriny ny TOMPO dia efa nanome toera-malalaka ho antsika mba hahazoantsika fahombiazana eto amin'ity tany ity.

23 Dia niala teo izy ka nankany Beera-Seba.

24 Nisehoan'ny TOMPO izy nony alina ka nilazany hoe: -Izaho no Andriamanitr'i Abrahama rainao. Aza matahotra fa miaraka aminao Aho, ary mitahy anao. Hampitomboiko ny taranakao noho ny fampanantenana efa nataoko tamin'i Abrahama mpanompoko.

25 Nanorina alitara teo i Itsehaka ka nivavaka tamin'Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.

26 Niainga avy tao Gerara i Abimeleka ka nankany amin'i Itsehaka niaraka tamin'i Ahozata sakaizany sy i Pikola komandin'ny tafiny. 

27 Nanontany azy ireo i Itsehaka hoe: -Inona moa no alehanareo aty amiko, kanefa ianareo nankahala sy nandroaka ahy?

28 Dia novalian'ireo hoe: -Tsapanay tokoa fa momba anao ny TOMPO; koa nihevitra izahay fa tokony hanao fifanekena ombam-pianianana isika.

29 Mianiana ary aminay fa tsy hanisy ratsy anay ianao tahaka ny tsy nampijalianay anao. Tsy nisy afa-tsy ny soa no nataonay taminao ka nalefanay ombam-piadanana ianao, izay efa notahin'ny TOMPO ankehitriny.

30 Dia nanao fanasana ho an'i Abimeleka i Itsehaka, ka nihinana sy nisotro izy.

31 Nifoha maraina avy izy ireo ny ampitso ary samy nifanao velirano. Avy eo nalefan'i Itsehaka izy telo mianaka, ka lasa nody ombam-piadanana.

32 Androtr'iny ihany dia tonga ireo mpanompon'i Itsehaka nanambara taminy ny vaovao momba ny fantsakana izay nolavahany ka nilaza hoe: -Nahita rano izahay.

33 Nantsoin'i Itsehaka hoe Sibeha (na hoe Fianianana) ilay fantsakana. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanana hoe Beera-Seba na hoe Fantsakana fianianana mandraka androany.

34 Feno 40 taona i Hesao raha nampakatra vehivavy hetita anankiroa ho vadiny, dia i Jehodita zanakavavin'i Bery sy i Basemata zanakavavin'i Elona.

35 Nangidy hoditra tamin'i Itsehaka sy i Rebeka izy roa vavy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564