Genesỳ
Toko faha-37
1 Nipetraka tao amin'ny tany Kanahana i Jakoba, dia tao amin'ny faritany nivahinian-drainy.2 Toy izao no tantaran'ny ankohonan'i Jakoba: Rehefa fito ambin'ny folo taona i Josefa, dia niandry ondry niaraka tamin'ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin'ny zanakalahin'i Bileha sy i Zilpa, vadikelin-drainy. Ary taterin'i Josefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.
3 Tian'i Jakoba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Josefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.
4 Hitan'ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.
5 Indray mandeha dia nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin'ireo rahalahiny ny nofiny, ka vao mainka niampy ny fankahalan'ireo azy.
6 Hoy izy tamin'ireo: -Aza fady, henoy ange ity nofiko ity e!
7 Teny ampovoan-tanimbary, hono, isika ary teo am-pamehezam-bary indrindra no indro ny fehezam-bariko nitsangana sady nijoro mahitsy, fa ny fehezam-barinareo kosa nanodidina sady niankohoka teo anatrehan'ny fehezam-bariko.
8 Ka hoy ireo rahalahiny taminy: -Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalany azy noho ireo nofiny sy ny fitantarany azy.
9 Ary mbola nanonofy hafa i Josefa, dia notantarainy tamin'ny rahalahiny hoe: -Nanonofy indray aho, ka indro hono ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo tonga niankohoka teo anatrehako.
10 Notantarainy tamin'ny rainy toy ny efa nataony tamin'ireo rahalahiny koa io nofy io, ka nibedy azy ny rainy nanao hoe: -Inona moa ity nofinofinao ity? Moa tsy maintsy ho avy tokoa ve izaho sy ny reninao ary ireo rahalahinao hiankohoka eo anatrehanao?
11 Dia nialona an'i Josefa ireo rahalahiny, fa ny rainy kosa nandinika izany nofy izany.
12 Nandeha niandry ny ondry aman'osin-drainy tany akaikin'i Sekema ireo rahalahin'i Josefa.
13 Ka hoy i Jakoba tamin'i Josefa: -Moa tsy miandry ondry any akaikin'i Sekema ve ireo rahalahinao? Koa andeha ary ianao hirahiko ho any aminy. Dia hoy ny navaliny azy: -Inty aho.
14 Fa hoy indray i Jakoba hoe: -Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian'ondry aman'osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona i Josefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin'i Sekema izy,
15 dia nisy lehilahy iray nahita azy nirenireny eran'ny tanety ka nanontany azy hoe: -Fa inona no tadiavinao?
16 Hoy kosa i Josefa hoe: -Ny rahalahiko no tadiaviko, ka asa raha mba afaka manoro ahy ny toerana iandrasany ny biby fiompy ianao?
17 Ary hoy ralehilahy hoe: -Efa niala teto izy, fa reko niresaka hoe hankany Dotana. Dia nanara-dia ireo rahalahiny i Josefa, ka nahita azy tao Dotana.
18 Mbola lavitra i Josefa, dia tazan'ireo rahalahiny; ka raha tsy mbola tonga teny aminy akory izy, dia niray tetika hamono hahafaty azy ny rahalahiny
19 ka nifampiresaka hoe: -He, inty tamy ilay mpanonofy!
20 Andeha hovonointsika ho faty izy, dia hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka fantsakana ireto, ka holazaintsika hoe lanin'ny biby masiaka. Amin'izay dia ho hitantsika raha ho tanteraka ny nofiny.
21 Rehefa nandre izany i Reobena, dia tapa-kevitra hamonjy an'i Josefa ka nanao hoe: -Aoka re tsy hovonointsika ho faty izy.
22 Sady mbola nampian'i Reobena hoe: -Aza mandatsa-dra ianareo; aza vonoina ho faty izy, fa atsipazo ao anatin'io lavaka aty an-taniefitra io fotsiny. Nilaza izany taminy izy, mba hamonjeny azy ka hamerenany azy any amin'ny rainy.
23 Raha vao tonga teo amin'ny rahalahiny i Josefa, dia nendahan'ireo ny fitafiany, izany hoe ilay akanjo tsara tarehy teny aminy;
24 ary nobatainy izy ka natsipiny tao an-davaka, dia lavaka iray tsy nisy rano.
25 Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekota sy balsama ary ladana.
26 Dia hoy i Joda tamin'ireo rahalahiny: -Inona moa no tombon-tsoa ho antsika raha vonointsika ho faty ny rahalahintsika ary afenintsika ny fahafatesany?
27 Andeha hamidintsika amin'ireto Jismahelita ireto izy fa tsy hikasi-tanana azy isika, satria rahalahintsika izy ary fianakaviantsika ihany. Dia nanaiky ireo rahalahiny.
28 Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Josefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin'ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
29 Rehefa niverina hijery ny lavaka i Reobena, dia tsy tao intsony i Josefa; diso fanantenana izy ka nandriatra ny fitafiany.
30 Niverina nankeo amin'ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe: -Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?
31 Nalain'ireo rahalahiny ny akanjon'i Josefa ka natsobony tao anaty ran'osy novonoiny.
32 Avy eo dia nalefany tany amin'ny rainy iny niaraka amin'ny hafatra hoe: Inty no hitanay, ka fantaro raha akanjon-janakao ity na tsia.
33 Fantatr'i Jakoba fa an'i Josefa io, koa niantsoantso izy hoe: -Akanjon-janako tokoa ity! Noviravirain'ny biby masiaka i Josefa ary laniny.
34 Dia nandriatra ny fitafiany i Jakoba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.
35 Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin'ny toeran'ny maty. Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.
36 Ireo Midianita kosa nivarotra an'i Josefa tany Ejipta tamin'i Potifara, tandapan'ny Farao sady lehiben'ny mpiambina azy.