Genesỳ
Toko faha-28
1 Dia niantso an'i Jakoba i Itsehaka, ary nanao veloma azy sady nanafatrafatra hoe: -Aza maka vady amin'ny zanakavavin'ny Kanahanita.2 Miainga ka mandehana any Mezopotamia ambony, any amin'i Betoela raibenao. Any ianao no maka vady amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
3 Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben'ny firenena maro
4 Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin'i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
5 Koa nalefan'i Itsehaka ho any Mezopotamia ambony i Jakoba, ho any amin'i Labana, zanakalahin'i Betoela izay aramianina sady anadahin'i Rebeka renin'i Hesao sy i Jakoba.
6 Ary hitan'i Hesao fa nanao veloma an'i Jakoba i Itsehaka sady efa nandefa azy haka vady any Mezopotamia ambony; ary teo am-panaovam-beloma dia nanafatrafatra azy izy mba tsy hanambady zazavavy kanahanita.
7 Nankato an-drainy sy reniny tokoa i Jakoba ka lasa nankany Mezopotamia ambony.
8 Hitan'i Hesao kosa tamin'izay fa tsy nahafaly an'i Itsehaka rainy ireo zazavavy kanahanita.
9 Noho izany, dia lasa izy nankany amin'i Jismahela, zanakalahin'i Abrahama, ka naka vady an'i Mahalato zanany vavy sady anabavin'i Nebaiota, ho fanampin' izay efa nananany.
10 Niala tao Beera-Seba i Jakoba ka nankany Harana.
11 Ary tratry ny masoandro milentika teo amin'ny toerana iray izy ka nandry teo. Dia naka vato tamin'izany toerana izany izy nataony ondana, ka natory teo.
12 Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin'ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
13 Ary niseho teo anoloan'i Jakoba ny TOMPO Andriamanitra ka nanao hoe: -Izaho no TOMPO, Andriamanitr'i Abrahama raibenao sy Andriamanitr'i Itsehaka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
14 Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin'ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
15 Hiaraka aminao Aho ary hiaro anao amin'izay rehetra alehanao ka hitondra anao miverina amin'ity tany ity. Tsy handao anao aho ary hotanterahiko izay rehetra nampanantenaiko anao.
16 Taitra tamin'ny torimasony i Jakoba ka nanao hoe: -Tena eto amin'ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.
17 Ary natahotra izy ka nanao hoe: -Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
18 Dia nifoha vao maraina i Jakoba, ary nalainy ilay vato nataony ondana ka naoriny ho tsangambato ary nohosorany menaka teo an-tampony.
19 Dia nantsoiny hoe Betela na hoe tranon'Andriamanitra io toerana io, fa Lozy no anaran'izany tanana izany taloha.
20 Nanao voady teo i Jakoba ka niteny hoe: -Raha miaraka amiko ny Tompo ka miaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary manome ahy izay hohaniko sy hotafiko,
21 ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro.
22 Ary ity vato izay efa naoriko ho tsangambato ity dia hanjary tranon'Andriamanitra, ka ny ampahafolon'izay rehetra homeny ahy dia hatolotro Azy.