Genesỳ
Toko faha-10
1 Taorian'ny safo-drano dia niteraka zanakalahy maro i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanak'i Noa. Ireto no lisitry ny taranany:2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia i Gomera sy i Magoga, i Maday sy Javana, i Tobala sy i Meseka ary i Tirasa.
3 Ny zanakalahin'i Gomera dia i Askenaza sy i Rifata ary i Togarma.
4 Ny zanakalahin'i Javana dia i Elisa sy i Tarsisy ary i Kitima sy i Rodanima.
5 Ireo no zanakalahin'i Jafeta sady niavian'ny firenen-tsamihafa niparitaka any amin'ny nosy maro; ka samy nanana ny taniny araka ny fiteniny avy sy nanana ny fireneny araka ny fokony avy izy.
6 Ny zanakalahin'i Hama dia i Kosy sy i Mitsiraima ary i Poto sy i Kanahana.
7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia i Seba sy i Havila, i Sabta sy i Rahema ary i Sabteka. Ny zanakalahin'i Rahema dia i Saba sy i Dedana.
8 I Kosy no rain'i Nimroda izay lehilahy mahery voalohany teto an-tany.
9 I Nimroda dia mpihaza mahery teo imason'ny TOMPO, ka niavian'ny ohabolana hoe: Sahala amin'i Nimroda, mpihaza mahery teo imason'ny TOMPO.
10 Ny tanana lehibe tao amin'ny fanjakany dia i Babela sy i Ereka ary i Akada sy i Kalne ao amin'ny tany Sinehara.
11 Niala tamin'izany tany izany i Nimroda ho any Asiria ary nanangana tanana, dia i Ninive sy i Rehobota-Hiry, i Kela,
12 ilay tanana lehibe, ary i Resena izay teo anelanelan'i Ninive sy i Kela.
13 I Mitsiraima no razamben'ireo olona tao Loda sy tao Henama, tao Lehava sy tao Neftoa
14 ary tao Patrosy mbamin'ireo Kaslohita sy Kaftorita izay niavian'ny Filistinina.
15 I Kanahana no rain'i Tsidona lahimatoany sy i Heta
16 razamben'ireto foko ireto: dia ny Jebosita sy ny Amorita, ny Girgasita
17 sy ny Hivita, ny Harkita sy ny Sinita,
18 ny Arvadita sy ny Tsemarita ary ny Hamatita. Taorian'izany dia niparitaka ireo foko kanahanita,
19 ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidona mihazo an'i Gerara ka hatrany Gaza, ary mankany Sodoma sy Gomora ary Adma sy Tseboima ka hatrany Lesa.
20 Ireo no zanakalahin'i Hama voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin'ny taniny sy ny fireneny avy.
21 I Sema zokin'i Jafeta dia mba niteraka ihany koa, fa izy no razamben'i Hebera sy ny taranany.
22 Ny zanakalahin'i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksada sy i Loda ary i Arama.
23 Ny zanakalahin'i Arama dia i Hotsa sy i Hola ary i Getera sy i Masa.
24 I Arpaksada no rain'i Sela, ary i Sela no rain'i Hebera.
25 I Hebera dia nanan-janaka roa lahy: ny anankiray dia nantsoina hoe Pegela na Fizarana satria tamin'ny androny no nizara ny mponina teto an-tany, ary ny rahalahiny kosa dia nantsoina hoe Joktana.
26 I Joktana no rain-dry i Almodada sy i Selefa, i Hatsarmavety sy i Jera,
27 i Hadorama sy i Ozala, i Dikla
28 sy i Hobala, i Abimaela sy i Seba,
29 i Ofira sy i Havila, ary i Jobaba. Ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30 Ny fonenan'izy ireo dia manomboka eo Mesa ka hatrany amin'ny tendrombohitra atsinanana mankany Sefara.
31 Ireo no zanakalahin'i Sema voatsinjara araka ny fokony sy ny fiteniny avy, ary ao amin'ny taniny sy ny fireneny avy.
32 Ireo no foko avy amin'ny zanakalahin'i Noa araka ny lisitry ny taranany isaky ny fireneny avy. Avy amin'ireo no niavian'ny firenena rehetra niparitaka eran-tany taorian'ny safo-drano.