Genesỳ
Toko faha-31
1 Kanefa ren'i Jakoba fa ny zanakalahin'i Labana efa nilaza hoe: Lasan'i Jakoba avokoa ny fananan-draintsika, ary avy tamin'izany fananan-draintsika izany no nananany izao harena rehetra izao.2 Hitan'i Jakoba nisoritra teny amin'ny tarehin'i Labana fa tsy toy ny teo aloha intsony ny fiarahany aminy.
3 Koa hoy ny TOMPO tamin'i Jakoba: -Miverena any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny fianakavianao, fa homba anao Aho!
4 Ary i Jakoba nampiantso an'i Rahely sy i Lea ho any aminy tany an-tsaha izay nisy ny andian'ondry aman'osiny,
5 ka nilaza tamin'izy mirahavavy hoe: -Hitako nisoritra teny amin'ny endriky ny rainareo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony ny fifandraisany amiko, kanefa ilay Andriamanitry ny raiko efa nanambina ahy.
6 Fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako an-drainareo,
7 kanefa namitaka ahy izy fa efa nanova ny karamako impolo. Saingy tsy navelan'Andriamanitra hanisy ratsy ahy izy.
8 Raha nilaza izy hoe: Ny biby maramara rehetra no ho karamanao, dia niteraka maramara avokoa ny ondry aman'osy vavy rehetra. Ary raha hoy indray izy hoe: Ny sadika no karamanao, dia niteraka sadika avokoa ny ondry aman'osy vavy rehetra.
9 Andriamanitra mihitsy no nanaisotra ny fananan-drainareo mba homeny ahy.
10 Tamin'ny fotoana nikambanan'ny biby dia hitako tamin'ny nofy fa ny lahy sadika sy maramara ary sada no nikambana tamin'ny vavy.
11 Ka nantsoin'ny anjelin'Andriamanitra tamin'ny nofy aho nataony hoe: Ry Jakoba o!, dia namaly aho hoe: Inty aho.
12 Ka hoy izy tamiko: Jereo fa ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy na osivavy, dia sadika sy maramara ary sada avokoa, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao.
13 Izaho no Andriamanitra Izay niseho taminao tao Betela, ka nanosoranao tsangambato sy nivoadianao. Miainga ankehitriny, ilaozy ity tany ity ka miverena any amin'ny tany misy ny fianakavianao.
14 Dia namaly an'i Jakoba i Lea sy i Rahely ka nanao hoe: -Inona intsony moa no anjaranay sy lovanay ato an-tranon'i dada?
15 Moa tsy efa noheveriny ho toy ny vahiny ve izahay ka namidiny? Ary tsy efa nohaniny koa ve ny volanay?
16 Noho izany, ny harena efa nesorin'Andriamanitra tamin'ny rainay dia ho anay sy ny zanakay. Koa ankehitriny, tanteraho izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao.
17 Ary niainga i Jakoba ka natainginy teny ambony rameva ireo vady aman-janany;
18 nentiny ny biby fiompiny rehetra sy ny fananany rehetra izay nohariny tany Mezopotamia ambony, dia nizotra hankany amin'i Itsehaka rainy, any amin'ny tany Kanahana izy.
19 I Labana tamin'izay dia lasa nanety ny ondry aman'osiny; ka nangalarin'i Rahely ny sampin-drainy.
20 Namitaka an'i Labana aramianina i Jakoba fa nandositra tsy niteniteny.
21 Nandositra niaraka tamin'ny fananany rehetra izy, ka niampita faingana ny ony Eofrata ary nizotra hankany an-tendrombohitr'i Gilehada. 22 Nony afaka telo andro, dia nisy nitantara tamin'i Labana fa nandositra i Jakoba.
23 Nentin'i Labana niaraka taminy ny havany, dia nanenjika an'i Jakoba tokony ho lalana fito andro izy, ka nahatratra azy teo an-tendrombohitr'i Gilehada.
24 Tonga tany amin'i Labana aramianina tamin'ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: -Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin'i Jakoba!
25 Dia nahatratra an'i Jakoba i Labana, fony i Jakoba efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitr'i Gilehada; ary i Labana sy ny havany koa nanorina ny lainy teo
26 ka nilaza tamin'i Jakoba hoe: -Inona izao nataonao izao? Nahoana no namitaka ahy ianao, ka nentinao mandositra toy ny babo an'ady ireo zanako vavy?
27 Nahoana no nandositra an-tsokosoko ianao ka namitaka ahy? Raha nampandre ahy anefa ianao, dia ho nateriko nomban'ny hiram-pifaliana sy ny ampongatapaka ary ny lokanga.
28 Kanefa tsy navelanao hanoroka ny zanako aman-jafiko akory aho, koa dia efa nanao hadalana ianao.
29 Afaka manisy ratsy anao aho, kanefa Ilay Andriamanitry ny rainao dia nilaza tamiko halina hoe: Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin'i Jakoba.
30 Ary ankehitriny mandeha mody tokoa ianao satria manina ny akanin-drainao, kanefa nahoana no nangalarinao ireo sampiko?
31 Namaly an'i Labana kosa i Jakoba hoe: -Natahotra aho, dia niteny anakampo hoe: Sao alainy an-keriny amiko ireo zanany vavy!
32 Fa raha misy ahatraranao ireo sampinao kosa ny oloko, dia aza velomina. Eto anatrehan'ireo havantsika, dia savao avokoa izay eto amiko, dia ento ny anao. Fa i Jakoba dia tsy nahalala velively hoe i Rahely no nangalatra ny sampy.
33 Nidiran'i Labana ny lain'i Jakoba sy ny an'i Lea ary ny an'ireo mpanompovavy roa fa tsy nahita izy. Ary nivoaka avy tao amin'ny lain'i Lea izy, dia niditra tao amin'ny lain'i Rahely.
34 I Rahely anefa no naka ireo sampy ka nametraka azy tao ambanin'ny laselin'ny rameva dia nipetraka teo amboniny. Ka rehefa nisava ny lay manontolo i Labana, dia tsy nahita na inona na inona.
35 Dia hoy i Rahely tamin'ny rainy: -Azafady eo imasonao, tompoko, fa tsy afa-mitsangana eo anatrehanao aho fa tonga fotoana. Dia nikaroka i Labana fa tsy nahita ireo sampy.
36 Tezitra i Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana nanao hoe: -Inona no fahadisoako, ary inona no heloko no dia nilomay nanenjika ahy ianao?
37 Nosavanao ny entako rehetra, ka inona no hitanao? Asehoy eo imason'ny havanao sy ireo havako izany hitsarany antsika.
38 Roapolo taona izao no efa niarahako taminao, nefa ny ondrivavinao aman'osivavinao tsy mba namotsotra; sady tsy mbola nihinana ondrilahy tamin'ny andian'ondrinao na oviana na oviana aho.
39 Tsy mbola nitondra ireo fatim-biby voaviraviran'ny bibidia tany aminao mihitsy aho, fa izaho no nanolo azy; teo am-pelatanako no nitadiavanao izay nangalarin'olona na tamin'ny andro na tamin'ny alina.
40 Niaritra ny hafanana amin'ny antoandro aho, ary jihitry ny hatsiaka amin'ny alina ka tsy nopizin-tory akory.
41 Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin'ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman'osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.
42 Raha tsy nomba ahy ny Andriamanitr'i Abrahama raibeko, ilay Andriamanitra nampihorohoro an'i Itsehaka, dia ho nalefanao nitondra tanam-polo aho ankehitriny. Fa nahita ny fijaliako sy ny hasasarako Andriamanitra ka nananatra anao halina.
43 Dia namaly an'i Jakoba i Labana hoe: -Ireo zazavavy ireo dia zanako, ny zanak'ireo dia taranako, ny andian'ondry aman'osy dia ondry aman'osiko, ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa. Manomboka anio dia tsy misy na inona na inona azoko atao intsony ho an'ireto zanako vavy ireto na ho an'ireo zanakalahy izay naterany?
44 Koa andeha ankehitriny hanao fifanekena izaho sy ianao, ary aoka hisy vavolombelon'izany eo amintsika.
45 Dia naka vato anankiray i Jakoba ka nanangana azy ho tsangambato.
46 Avy eo nasain'i Jakoba nanangona vato iretsy havany an-daniny, dia naka vato ireo ka nanao antontany; ary nihinana teo ambonin'io antontam-bato io ny besinimaro.
47 Nantsoin'i Labana hoe Jegara-Sahadota io toerana io, fa i Jakoba kosa nanao azy hoe Galeheda.
48 Ary izao no nambaran'i Labana: -Ity antontam-bato ity dia vavolombelona eo amiko sy aminao androany. Izany no niantsoana azy ho Galeheda, izany hoe antontam-bato vavolombelona.
49 Nantsoina koa hoe Mitsepa, na toerana fanaraha-maso, satria i Labana efa nilaza hoe: -Aoka ny TOMPO hanara-maso ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika!
50 Raha mampijaly ny zanako vavy ianao, na maka vehivavy hafa ho vadinao, dia tandremo fa tsy olona no vavolombelontsika fa Andriamanitra mihitsy.
51 Avy teo dia hoy koa i Labana tamin'i Jakoba: -Jereo ity antontam-bato izay naoriko teo, jereo io tsangambato io.