Genesỳ

Toko faha-16

1 Ary i Saray, vadin'i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy

2 ka niteny tamin'i Abrama hoe: -Indro efa tsy nanome zanaka ahy ny TOMPO. Koa mba mandehana re any amin'ny mpanompovaviko; angamba hanan-janaka avy aminy aho. Dia neken'i Abrama ny soso-kevitr'i Saray.

3 Nalain'i Saray vadin'i Abrama i Hagara izay Ejiptianina mpanompovaviny ka nomeny an'i Abrama mba hovadiny; ary efa folo taona no nipetrahan'i Abrama tao amin'ny tany Kanahana tamin'izay.

4 Dia niray tamin'i Hagara i Abrama ka nitoe-jaza ravehivavy. Rehefa nahita ny tenany bevohoka i Hagara, dia nanao tsinontsinona ny tompovaviny.

5 Ary hoy i Saray tamin'i Abrama: -Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohoka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!

6 Fa namaly i Abrama nanao hoe: -Indro ny mpanompovavinao, eo ambany fahefanao izy ka ataovy izay tianao hatao aminy. Dia nampahorin'i Saray i Hagara ka nitsoaka nandositra.

7 Hitan'ny anjelin'ny TOMPO teo akaikin'ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin'ny lalana mankany Sora,

8 ka nanontaniany hoe: -Ry Hagara, mpanompovavin'i Saray, avy taiza ianao, ary hankaiza? Dia namaly izy hoe: -Nandositra tsy ho eo anatrehan'i Saray tompovaviko aho.

9 Fa hoy ilay anjelin'ny TOMPO taminy: -Miverena any amin'ny tompovavinao, ka maneke ny fahefany.

10 Homen'ny TOMPO taranaka marobe tsy tambo isaina ianao.

11 Indro efa bevohoka ianao, ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataonao hoe Jismahela, satria nohenoin'ny TOMPO ny fitarainanao.

12 Ho toy ny boriky tsy folaka ny zanakao, ary hiady amin'ny olona rehetra sy hiadian'ny olona rehetra izy, nefa dia hitoetra misintaka amin'ny rahalahiny rehetra.

13 Dia hoy i Hagara anakampo: Moa nahita marina Ilay mahita ahy ve aho! Ary dia nomeny ny TOMPO Izay niteny taminy izao anarana izao: Ianao no ilay Andriamanitra mahita ahy.

14 Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan'i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan'i Lahay-Roy na fantsakan'Ilay Velona mahita ahy.

15 Dia niteraka zazalahy i Hagara ka nataon'i Abrama hoe Jismahela ny anarany.

16 Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725