Genesỳ

Toko faha-50

1 Dia nihohoka teo amin'ny tavan'ny rainy i Josefa, ary nitomany sady nanoroka azy.

2 Ary nomen'i Josefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin'ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin'i Jakoba,

3 nandritra ny efapolo andro ngarangidina mba hitahirizana azy. Ary nisaona an'i Jakoba nandritra ny fitopolo andro ny Ejiptianina.

4 Nony afaka ny andro fisaonana, dia hoy i Josefa tamin'ireo olona akaikin'ny Farao: -Raha mba mahita sitraka aminareo aho, dia mba ampitao amin'ny Farao izao teniko izao:

5 Alohan'ny nahafatesan-draiko, dia nampianiana ahy izy mba handevina azy any amin'ny fasana izay efa nomaniny any Kanahana. Koa ankehitriny aoka aho mba hiakatra handevina ny raiko; rehefa izany dia hiverina indray aho.

6 Nomen'ny Farao lalana i Josefa mba handeha handevina ny rainy araka izay efa nianianany.

7 Dia niainga i Josefa handevina ny rainy; niaraka taminy ireo olona ambony tao an-dapan'ny Farao sy ny loholona rehetra tao Ejipta,

8 ny ankohonan'i Josefa manontolo mbamin'ireo rahalahiny ary ireo olon-kafa rehetra tao amin'ny fianakavian-drainy. Tsy nisy najanona tao amin'ny faritr'i Gosena, afa-tsy ny ankizy sy ny biby fiompy ihany.

9 Nisy andian-kalesy sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy, ka nafonja tokoa ny andian'olona mpanotrona.

10 Tonga tao Gorena-Atada, any am-pitan'i Jordana izy ireo. Tao no nankalazany tamin'ny fomba manetriketrika sy manohina tokoa ny famoizana an'i Jakoba, fa naharitra fito andro ny fisaonan'i Josefa an-drainy.

11 Nony nahita izany fomba fisaonana tao Gorena-Atada izany ny Kanahanita nonina tamin'iny faritra iny, dia loa-bolana hoe: -Fisaonana mangidy ho an'i Ejipta ity! Izany no niantsoana io toerana any am-pitan'i Jordana io hoe Abela-Mitsiraima, izany hoe Fisaonan'i Ejipta.

12 Avy eo dia notanterahin'ireo zanakalahin'i Jakoba izay nanafaran-drainy azy.

13 Nentiny nankany amin'ny tany Kanahana ny fatin-drainy ary naleviny tao amin'ny zohy tao an-tsahan'i Makpela, teo akaikin'i Mamre. Fa novidin'i Abrahama tamin'i Hefrona izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.

14 Rehefa avy nandevina ny rainy i Josefa, dia niverina tany Ejipta ny tenany sy ireo rahalahiny mbamin'ireo olona rehetra izay niara-niakatra taminy handevina ny rainy.

15 Rehefa hitan'ireo rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia nifampiresaka izy hoe: Mety hankahala antsika i Josefa ka hamaly faty ireo ratsy nataontsika taminy.

16 Noho izany, dia nandefa teny nankany amin'i Josefa izy hoe: -Ny rainao, talohan'ny nahafatesany, dia nanafatra hoe:

17 Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamindra fo ka avelao ny heloka amam-pahotan'ireo rahalahinao fa ratsy no nataony taminao. Koa ankehitriny mba avelao ny helokay mpanompon'Ilay Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany i Josefa noho ny teny nalefan'izy ireo taminy.

18 Tonga tany amin'i Josefa rahateo koa ireto rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady nilaza hoe: -Indreto izahay ho mpanomponao

19 Fa hoy i Josefa taminy: -Aza matahotra ianareo, fa tsy haka ny toeran'Andriamanitra aho.

20 Nikendry hanisy ratsy ahy ianareo fa Andriamanitra kosa nanova izany ratsy izany ho soa mba hamonjeny vahoaka marobe araka izao hitanareo ankehitriny izao.

21 Koa aza matahotra ianareo, fa izaho no hiahy ny sakafo ho anareo sy ny ankohonanareo. Ary nampahery azy i Josefa sady nanao teny nanohina ny fony.

22 Nipetraka tany Ejipta i Josefa sy ny ankohonan-drainy. Folo amby zato taona no andro niainan'i Josefa,

23 ka nahita ny zafiafin'i Efraima zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak'i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin'i Manase.

24 Indray andro dia hoy i Josefa tamin'ireo rahalahiny: -Ho faty aho, nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hampiala anareo amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay efa nianianany homena an'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba.

25 Koa mianiana amiko fa rehefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hoentinareo miakatra avy aty ny taolam-baloko.

26 Maty i Josefa, rehefa feno 110 taona. Nohosorana zava-manitra ny fatiny; ary tao anaty vata vato no nametrahana azy tany Ejipta.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564