Genesỳ
Toko faha-49
1 Nantsoin'i Jakoba ireo zanany ka nilazany hoe: -Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay zavatra hiseho aminareo any aoriana.2 Mivoria ianareo ka mihainoa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'i Israely rainareo.
3 Ianao, ry Reobena, no lahimatoako, voalohan-terako tao anatin'ny heriko. Ihoaranao ny rahalahinao amin'ny fahamendrehana sy ny hery. 4 Misamboaravoara toy ny ranon-driaka ianao; kanefa tsy ho lohalaharana intsony ianao, satria niakatra teo am-pandriako ka nandoto ny farafarako tamin'ny vadiko.
5 I Simehona sy i Levy dia mpirahalahy niray tetika hanao herisetra;
6 kanefa tsy te handray anjara amin'ny fiokoany aho ary tsy te hanatrika ny fivoriany, satria nentanim-pahatezerana izy ka namono olona ho faty ary tia setrasetra ka nitraingo ombilahy.
7 Ho voaozona anie ny hatezerany tafahoatra ary ny havinirany tsy mifaditrovana. Haparitako ny taranany ka haeliko eran'i Israely.
8 Ry Joda, hidera anao ireo rahalahinao; Hofolahinao kosa ny hatok'ireo fahavalonao, ka hiankohoka eo anatrehanao ireo ralahahinao.
9 Ry Joda zanako, toy ny liona tanora ianao, dia liona avy niremby ka mamonjy fierena; mitorevaka toy ny lion-dahy i Joda ka matory, ary mamitsaka toy ny liom-bavy, ka iza no hampitsangana azy?
10 Tsy hiala amin'i Joda ny tehim-panjakana, ary tsy hiala amin'ny taranany ny tehim-pibaikoana mandra-pahatongan'ilay tena tompony izay hankatoavin'ny firenena rehetra.
11 Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka, ka hafatony amin'ny tahom-boaloboka ny borikiny ary amin'ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny; divay no hanasany akanjo ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.
12 Ny divay no hampibaliaka tsara ny masony; ny ronono kosa no hampibotsiaka ny nifiny.
13 I Zebolona dia honina eo amoron-dranomasina, dia eo amin'izay hisy seranan-tsambo; hivelatra hatrany Tsidona ny faritaniny.
14 I Jisakara dia toy ny boriky matanjaka, mandry eo anivon'ny valany izay misy fefy roa sosona.
15 Hitany fa tsara ny toerana ary mahafinaritra ny tany. Nanongilan-tsoroka hampitondraina entana izy, ka tonga miasa mafy toy ny mpanompo.
16 I Dana dia hifehy ny vahoakany tahaka ny foko hafa ao amin'i Israely.
17 Toa bibilava mamitsaka eny an-dalana izy, ary tahaka ny menarana eo amoron-dalana; kaikerin'ny menarana ny traingon-tsoavaly ka mianjera mitsilany ny mpitaingina azy.
18 Manantena ny famonjenao aho, TOMPO o!
19 I Gada dia notafihin'andia-mpandroba, koa manao valim-panafihana sy manenjika azy.
20 I Asera dia hanan-tany mahavokatra tokoa, ka hahazoana mofo mendrika mpanjaka.
21 I Naftaly dia toy ny osivavy mikarenjy izay manan-janaka tsara tarehy.
22 I Josefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.
23 Nampahory azy imbetsaka ireo mpitifitra tsipika, ka nandefa zana-tsipika hamelivelezana azy.
24 Kanjo nateza mafy ny tsipikan'i Josefa, ary kinga hatrany ny sandry aman-tanany. Noho ny fiarovan'ilay Andriamanitra maherin'i Jakoba, noho ny anaran'ilay Mpiandry izay vatolampy iankinan'i Israely,
25 amin'ny alalan'ilay Andriamanitry ny rainao izay mamonjy anao, amin'ny alalan'ilay Andriamanitra Tsitoha izay mitahy anao, raiso ny fitahiana avy amin'ny orana izay mirotsaka avy any an-danitra, raiso ny fitahiana avy amin'ny rano izay mihanaka ao amin'ny fanambanin'ny tany ary raiso ny fitahiana izay hahamaro anaka ny vehivavy sy ny biby fiompy.
26 Ny tsodrano omen'ny rainao dia mihoatra noho ny zava-tsoan'ireo tendrombohitra fahagola sy ny zava-tsoan'ireo havoana tranainy. Hirotsaka eo an-dohan'i Josefa anie izany tsodrano izany, dia eo an-dohan'ilay voafidy teo anivon'ny rahalahiny!
27 I Benjamina dia toy ny amboadia masiaka: Ny maraina izy homan-dremby; ny hariva, mizara babo.
28 Izy rehetra ireo no foko israelita roa ambin'ny folo. Izany no teny nolazain-drainy taminy, fony izy nitsodrano azy. Eny, samy nomeny tsodrano manokana ny foko tsirairay avy.
29 Taorian'izany dia nanafatra ireo zanany i Jakoba ka nanao taminy hoe: -Rehefa maty aho, dia aleveno any am-pasan-drazako, dia ilay zohy ao amin'ny sahan'i Hefrona izay hetita,
30 ilay zohy ao Makpela akaikin'i Mamre, any amin'ny tany Kanahana. Novidin'i Abrahama tamin'i Hefrona izay hetita io saha io mba ho tany fandevenana.
31 Tao no nalevina i Abrahama sy i Sara vadiny, i Itsehaka sy i Rebeka vadiny, ary tao koa no nandevenako an'i Lea.
32 Ny saha sy ny zohy ao aminy dia novidina tamin'ny Hetita.
33 Rehefa vitan'i Jakoba ny hafatrafatra farany tamin'ireo zanany lahy, dia nandry teo am-parafara indray izy. Ary niala aina izy ka nakambana tamin'ny razany.