Genesỳ
Toko faha-29
1 Ary niainga i Jakoba ka nankany amin'ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.2 Indray andro izy, dia nahatazana fantsakana teny an-tsaha, ary indreo nisy ondry aman'osy andiany telo nandry teo anilany, fa io fantsakana io no fampisotroana ny biby fiompy. Misy vato lehibe manarona ny vavan'ny fantsakana.
3 Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin'ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian'ondry aman'osy; aorian'izany, dia averina ho amin'ny toerany eo amin'ny vava fantsakana ilay vato.
4 Nanontany an'ireo mpiandry ondry i Jakoba hoe: -Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: -Avy any Harana izahay.
5 Dia niteny indray i Jakoba hoe: -Fantatrareo ve i Labana, zafin'i Nahora? Ka novalian'ireo hoe: -Eny, fantatray izy.
6 Fa nanontany ihany i Jakoba hoe: -Salama ihany ve izy? Dia hoy ireo taminy: -Salama izy, ary inty i Rahely zanany vavy fa tonga miaraka amin'ny andian'ondriny.
7 Ary hoy Jakoba hoe: -Mbola antoandro loatra ny andro, ka tsy mbola fotoana fanangonana ny biby fiompy; fa ampisotroy aloha ireo, dia andraso ihany.
8 Fa novalian'ireo hoe: -Tsy azonay atao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andiany rehetra; amin'izay dia hoesorina ny vato eo amin'ny vava fantsakana, ary hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9 Raha mbola niresaka tamin'ireo i Jakoba, dia tonga i Rahely niaraka tamin'ny ondrin-drainy, fa mpiandry ondry izy.
10 Ary rehefa nahita an'i Rahely zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny sy ireo ondry aman'osiny i Jakoba, dia nanatona nanaisotra ny vato teo amin'ny vava fantsakana, ka nampisotro ireo ondry aman'osin'ny anadahin-dreniny.
11 Dia nanoroka an'i Rahely i Jakoba sady nitomany.
12 Notantarain'i Jakoba tamin'i Rahely fa havan-drainy izy ary zanakalahin'i Rebeka. Dia nihazakazaka i Rahely ka nitantara izany tamin-drainy.
13 Rehefa nandre ny amin'i Jakoba zanak'anabaviny kosa i Labana, dia nihazakazaka nitsena azy, ka namihina sady nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Notantarain'i Jakoba tamin'i Labana avokoa ny zava-nitranga,
14 ka hoy i Labana taminy: -Marina tokoa fa havako ianao, ary iray ra amiko. Dia nipetraka iray volana tao aminy i Jakoba.
15 Indray andro dia hoy i Labana tamin'i Jakoba: -Noho ny maha havako anao ve dia hanompo ahy maimaim-poana ianao? Koa lazao amiko, inona no ho karamanao?
16 Nanana zanakavavy roa anefa i Labana; ilay zokiny dia nantsoina hoe Lea ary ilay zandriny natao hoe Rahely.
17 I Lea dia malefa-pijery, fa i Rahely kosa tsara tarehy sady bikana.
18 Ary tia an'i Rahely i Jakoba ka niteny tamin'i Labana hoe: -Hanompo anao fito taona aho mba hahazoako manambady an'i Rahely faravavinao.
19 Dia namaly azy i Labana hoe: -Aleoko homena anao izy toy izay ho an'olon-kafa, fa mitoera eto amiko.
20 Koa mba hahazoany an'i Rahely, dia nanompo an'i Labana fito taona i Jakoba; nefa toy ny andro vitsivitsy nandalo izany teo imasony, satria tena tiany razazavavy.
21 Rehefa afaka izany, dia hoy i Jakoba tamin'i Labana: -Aiza amin'izay ny vadiko hampakariko, fa efa tapitra ny fe-potoana.
22 Dia nasain'i Labana ho amin'ny sakafom-panambadiana ny olona rehetra teo an-toerana.
23 Nony hariva dia nalain'i Labana i Lea zanany vavy ka nentiny tany amin'i Jakoba ary nandry taminy izy.
24 Nomen'i Labana an'i Lea zanany vavy kosa i Zilpa mba ho mpanompovavy hanampy azy.
25 Nony maraina vao gaga i Jakoba fa hay i Lea no tao aminy, ka hoy izy tamin'i Labana: -Inona izao nataonao tamiko izao? Fa angaha tsy i Rahely no nanompoako anao, koa nahoana ianao no namitaka ahy?
26 Dia namaly i Labana hoe: -Tsy fomban-tany aty aminay ny mampanambady ny zandriny alohan'ny zokiny.
27 Vitao aloha ny herinandron'ny volantantely amin'ny zokiny, dia homenay anao koa ny zandriny raha manompo ahy fito taona hafa indray ianao.
28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka novitainy ny herinandron'ny volantantely tamin'i Lea; avy eo dia nomen'i Labana azy koa i Rahely ho vadiny.
29 Nomen'i Labana an'i Rahely i Bileha mba ho mpanompovavy hanampy azy.
30 Dia nandry tany amin'i Rahely koa i Jakoba ka tiany lavitra noho i Lea izy. Ary nanompo an'i Labana fito taona hafa koa i Jakoba.
31 Ary rehefa hitan'ny TOMPO fa tsy tiana noho i Rahely i Lea, dia nataony mitoe-jaza izy; fa i Rahely kosa nataony momba.
32 Dia bevohoka i Lea, ka tera-dahy ary ny anarany nataony hoe Reobena, satria hoy izy hoe: -Ny TOMPO efa nijery ny fahoriako, ary ankehitriny dia ho tia ahy ny vadiko.
33 Ary bevohoka indray izy ka tera-dahy, dia niteny hoe: -Efa ren'ny TOMPO fa tsy tiana aho, ka nomeny an'ity indray koa. Dia nataony hoe Simehona ny anarany.
34 Mbola bevohoka indray izy ka tera-dahy fanintelony, dia nanao hoe: -Ankehitriny dia hifikitra amiko ny vadiko, satria efa niteraka telo lahy ho azy aho. Noho izany dia nataony hoe Levy ny anarany.
35 Fa mbola bevohoka indray izy, dia niteraka zazalahy fahefatra, ka nanao hoe: -Amin'ity kosa dia hidera ny TOMPO aho. Dia nataony hoe Joda ny anarany. Dia nitsahatra tsy niteraka intsony izy.