Genesỳ
Toko faha-18
1 Niseho tamin'i Abrahama tao amin'ny hazo oakan'i Mamre ny TOMPO, raha nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy fa nafana ny andro. 2 Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.3 Ka ny anankiray tamin'ireo no nilazany hoe: -Tompoko, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, dia aza lalovana fotsiny.
4 Fa aoka hakana rano kely hanasanareo tongotra, ka hiala sasatra eto am-pototr'ity hazo ity ianareo.
5 Izaho kosa handroso sakafo hohaninareo mba hampody hery anareo; avy eo vao hanohy ny dianareo ianareo, satria efa nandalo teto amiko tokoa. Dia namaly izy telo lahy hoe: -Tanteraho araka izay nambaranao ary.
6 Koa niverina faingana ho any an-day i Abrahama hilaza amin'i Sara hoe: -Haingana maka lafarinina tsara indrindra intelon'ny famarana ka manendasa mofo.
7 Avy teo i Abrahama dia nihazakazaka nankany amin'ny andian'ombiny ary naka zanak'omby matavy tsara ka nomeny ny mpanompony mba hamboariny haingana.
8 Dia nalainy ny dibera sy ronono ary ny zanak'omby efa voavoatra ka narosony tamin'ireo vahiny. Dia nihinana ireo fa i Abrahama kosa nitsangana teo akaikiny teo am-pototry ny hazo.
9 Ary nanontany izy telo lahy hoe: -Aiza i Sara vadinao? Ka hoy ny navaliny azy: -Indro ao an-day izy.
10 Dia nilaza ny iray tamin'ny vahiny hoe: -Hiverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, ka hitera-dahy i Sara vadinao. I Sara anefa tamin'izay dia nihaino teo am-baravaran'ny tranolay, tao an-damosin'i Abrahama.
11 Samy antitra i Abrahama sy i Sara fa samy nandroso taona; ary i Sara dia efa nitsahatra tamin'ny fadimbolana.
12 Koa nihomehy anakampo i Sara nanao hoe: Dia mbola hisy fahafinaretana ho ahy ve amin'izao fahanterako izao sady efa antitra koa ny vadiko?
13 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Nahoana moa no mihomehy i Sara? Nahoana izy no manao anakampo hoe: Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity?
14 Moa misy zavatra tsy hain'ny TOMPO tanterahina ve? Koa rehefa miverina eto aminao aho amin'ny herintaona toy izao, dia hanan-janaka lahy i Sara.
15 Fa nanda noho ny tahotra i Sara ka nanao hoe: -Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: -Tsia, fa nihomehy ianao.
16 Dia nitsangana niala teo ireo lehilahy vahiny ka nitazana an'i Sodoma, ary i Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.
17 Dia hoy ny TOMPO anakampo hoe: Moa hafeniko an'i Abrahama ve izay hataoko?
18 Tsy maintsy ho tonga razamben'ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin'ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.
19 Nofidiko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin'i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.
20 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Abrahama: -Betsaka ny fitarainana momba an'i Sodoma sy i Gomora; ary mavesatra loatra ny fahotany.
21 Koa voatery hidina Aho mba hijery raha toa ka araka ny fitarainana tonga any amiko tokoa no nataony. Ho fantatro raha nanao izany rehetra izany izy na tsia.
22 Ny roa tamin'ireo lehilahy vahiny dia niainga ka nankany Sodoma, fa ny TOMPO kosa mbola nijanona niaraka tamin'i Abrahama.
23 Koa nanatona i Abrahama sady nanao hoe: -Dia haringanao tokoa miaraka amin'ny meloka ve ny marina?
24 Angamba mety hisy olo-marina dimampolo ao Sodoma. Koa haringanao ve io tanana io? Moa tsy havelanao heloka ve izy noho ireo olo-marina dimampolo ao aminy?
25 Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin'ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.
26 Dia namaly ny TOMPO hoe: -Raha mahita olo-marina dimampolo ao Sodoma Aho, dia havelako heloka ny tanana manontolo noho ny amin'ireo.
27 Fa hoy indray i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho, na dia vovoka sy lavenona aza.
28 Angamba tsy ampy dimampolo ny olo-marina fa latsaka dimy, dia horavanao ve ny tanana manontolo noho ny amin'ny dimy? Ka namaly ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao!
29 Mbola niteny taminy indray i Abrahama hoe: -Angamba tsy hahitana afa-tsy efapolo ao! Dia novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ny olo-marina efapolo.
30 Fa niteny indray i Abrahama hoe: -Aoka tsy ho sosotra Ianao, Tompo o, raha mbola hiteny aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy telopolo ao. Ka novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho, raha mahita olo-marina telopolo ao.
31 Dia hoy ihany i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, fa mbola sahy hiteny aminao ihany aho; angamba tsy hahitana afa-tsy roapolo ao. Fa novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ny olo-marina roapolo.
32 Ka hoy indray i Abrahama: -Miangavy re, Tompo o, aoka tsy ho tezitra Ianao fa hiteny farany aho. Angamba tsy hahitana afa-tsy folo ao. Ary novalian'ny Tompo hoe: -Tsy handrava ny tanana Aho noho ny amin'ireo folo.
33 Rehefa nahavita ny resaka nataony tamin'i Abrahama ny TOMPO, dia lasa; fa i Abrahama kosa niverina any amin'ny fonenany.