Genesỳ

Toko faha-45

1 Ary tsy nahatsindry ny fihetseham-pony teo imason'ny olona rehetra nanodidina azy intsony i Josefa; dia nasainy nivoaka ny trano izy rehetra. Koa tsy nisy olon-kafa teo amin'i Josefa fony izy nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny.

2 Mafy loatra anefa ny tomanin'i Josefa ka ren'ny Ejiptianina maro, ary heno hatrany an-dapan'ny Farao.

3 Hoy i Josefa tamin'ireo rahalahiny: -Izaho no Josefa; moa mbola velona any ihany ve i dada? Tsy nahavaly azy kosa ireo rahalahiny, fa tora-kovitra teo anatrehany.

4 Ka hoy indray i Josefa tamin'ireo rahalahiny: -Avia manatona ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Josefa hoe: -Izaho no Josefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta.

5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra tamin'ny nivarotanareo ahy toy izao, fa Andriamanitra no nandefa ahy mialoha taty mba hamonjy aina.

6 Efa roa taona izao no nisian'ny mosary teto amin'ny tany Ejipta, kanefa ato anatin'ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.

7 Andriamanitra no nandefa ahy nialoha anareo tamin'ity tany ity mba tsy hahalany taranaka anareo ary mba hamelomana ny ainareo; ka famonjena lehibe izany.

8 Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon'ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon'ny Farao ary ho mpitondra an'i Ejipta manontolo.

9 Koa miakara haingana ho any amin'i dada ianareo, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Josefa zanakao: Andriamanitra efa nametraka ahy ho tompon'i Ejipta manontolo, koa midina aty amiko fa aza mitaredretra.

10 Hipetraka ao amin'ny faritr'i Gosena ianao mbamin'ny zanakao sy ny zafikelinao ary koa ny ondry aman'osinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra; dia ho ety akaikiko ianao amin'izay.

11 Izaho no hamatsy sakafo anao aty, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary fandrao ringana ianao sy ny ankohonanao ary ireo biby fiompinao.

12 Ary indro hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo.

13 Koa mandehana tantarao avokoa amin'i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin'ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina aty i dada.

14 Dia niantoraka teny am-bozon'i Benjamina i Josefa ka nifamihina izy roa lahy sady nitomany.

15 Ary nanoroka ny rahalahiny hafa rehetra koa i Josefa sady nitomany. Taorian'izany vao niresaka tamin'i Josefa ireo rahalahiny.

16 Ren'ny tao an-dapan'ny Farao fa hoe tonga ny rahalahin'i Josefa; ary nahafaly ny Farao sy ireo olona mpanotrona azy izany.

17 Koa hoy ny Farao tamin'i Josefa: -Lazao ireo rahalahinao hampitaingina ny entany hoentin'ny biby sy handeha hody any Kanahana,

18 dia haka ny rainy sy ny fianakaviany ka hankaty amiko; fa homeko azy ny tany lonaka indrindra eto Ejipta ka hihinana ny vokatra tsara indrindra eto amin'ny tany izy.

19 Lazao koa ireo rahalahinao haka sarety eto mba hitondrany ireo vadiny aman-janany mbamin'ny rainy.

20 Tsy tokony halahelo izay fanaka ilaozany any izy, satria hipetraka amin'ny faritra lonaka indrindra eto amin'ny tany Ejipta manontolo.

21 Dia notanterahin'ireo zanakalahin'i Jakoba izay nasaina nataony. Koa nomen'i Josefa sarety izy araka ny baikon'ny Farao, sady nomeny vatsin-dalana koa.

22 Nomeny akanjo indray misolo avy koa izy rehetra, fa i Benjamina kosa nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo dimy.

23 Ary izao koa no nampitondrain'i Josefa ho an-drainy: borikilahy folo nivesatra ny zava-tsoa avy tany Ejipta sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary sakafo hafa ho an'ny dian-drainy mianakavy.

24 Namepetra ireo rahalahiny i Josefa mba tsy hifanditra eny an-dalana ary nalefany handeha ireo.

25 Dia niala tao Ejipta ireto rahalahin'i Josefa ka nihazo an'i Kanahana ary tonga tany amin'i Jakoba rainy.

26 Notantarainy azy fa mbola velona any i Josefa ary izy mihitsy no mpanapaka eo amin'ny tany Ejipta manontolo; saingy tsy nampiraika an'i Jakoba izany, satria tsy nino ireto zanany izy.

27 Fa nambaran'izy ireo taminy ny teny rehetra izay nampitondrain'i Josefa azy; ary rehefa nahita ny sarety izay nalefan'i Josefa hitondrana azy i Jakoba rainy, dia nahazoazo aina indray

28 ka nanao hoe: -Aoka izay fa mbola velona any tokoa i Josefa zanako! Handeha aho ka hahita azy indray alohan'ny hahafatesako.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0685