2 Tantara

Toko 1 Ary i Salomona, zanakalahin'i Davida, nanamafy orina ny fahefana mahampanjaka azy; ary niaraka tamin'i Salomona ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin'ny ambony indrindra.
Toko 2 Ary i Salomona nandray mpiasa 70000 ho mpitondra entana, 80000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3600 ho mpifehy azy ireo.
Toko 3 Dia nanomboka nanao ny tranon'ny TOMPO tao Jerosalema i Salomona ka teo amin'ny tendrombohitra Moria , izay nisehoan'ny TOMPO tamin'i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin'i Davida tao amin'ny famoloan'i Ornana izay lehilahy jebosita.
Toko 4 Dia nataon'i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.
Toko 5 Rehefa vita ny asa rehetra nataon'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan' i Davida rainy ho an'Andriamanitra , dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin'ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon'Andriamanitra.
Toko 6 Dia hoy i Salomona: "TOMPO o, efa nilaza Ianao fa honina ao anatin'ny haizim-pito.
Toko 7 Rehefa vitan'i Salomona izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin'ny sorom-pihavanana,ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.
Toko 8 Nony afaka ny roapolo taona nanorenan'i Salomona ny tranon'ny TOMPO sy ny lapa ho an'ny tenany,
Toko 9 Nahare ny lazan'i Salomona ny mpanjakavavin'i Saba , ka avy hitsapa azy tamin'ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin'ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin'i Salomona ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.
Toko 10 Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan'ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.
Toko 11 Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin'ny fokon'iJoda sy i Benjamina mba hiady amin'i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an'ny tenany.
Toko 12 Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalanan'ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.
Toko 13 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jerobohama no tonga mpanjakan'i Joda i Abia;
Toko 14 Nandritra ny andro nanjakan'i Asa, dia nandry folo taona ny tany. Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'ny TOMPO Andriamaniny i Asa,
Toko 15 Tonga tamin'i Hazaria zanakalahin'i Hodeda ny Fanahin'Andriamanitra;
Toko 16 Tamin'ny taona faha-36 nanjakan'i Asa, dia niakatra hanafika ny tanin'i Joda i Bahasa mpanjakan'i Israely ka nanamafy ny tananan'i Rama izy mba hisakanan-dalana an'i Asa mpanjakan'i Joda.
Toko 17 I Josafata, zanakalahin'i Asa, no nanjaka nandimby azy; ary nitombo hery teo anoloan'ny fanjakan'i Israely izy.
Toko 18 Nanan-karena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin'i Ahabampanjakan'i Israely.
Toko 19 Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Josafata mpanjakan'i Joda.
Toko 20 Taorian'izay, dia avy hiady tamin'i Josafata ny Moabita sy ny Hamonita mbamin'ny Mehonita sasany.
Toko 21 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Josafata, dia nalevina am-pasan-drazany tao an-Tananan'i Davida; ary i Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Toko 22 Ary ny mponin'i Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny andian'olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an'i Ahazia ho mpanjakan'i Joda.
Toko 23 Tamin'ny taona faha fito dia nanapa-kevitra hentitra i Joiada ka nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazaria zanakalahin'i Jerohama, i Jismahela zanakalahin'i Johanana, i Hazaria zanakalahin'i Hobeda, i Mahaseia zanakalahin'i Hadaia, ary i Elisafata zanakalahin'i Zikry.
Toko 24 Feno fito taona i Joasy fony tonga mpanjaka; ary naharitra efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibia, avy any Beera-Seba.
Toko 25 Feno 25 taona i Amatsia fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Johadana, izay avy ao Jerosalema ihany.
Toko 26 Vao 16 taona i Hozia no nalain'ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an'i Amatsia rainy.
Toko 27 Feno 25 taona i Jotama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosa zanakavavin'i Tsadoka.
Toko 28 Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO tahaka an'i Davida razambeny izy,
Toko 29 Feno 25 taona i Hezekia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abia, zanakavavin'i Zakaria.
Toko 30 Ny mpanjaka Hezekia sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema
Toko 31 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin'ireo tanana jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran'i Joda sy i Benjamina ary koa tamin'ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian'izay dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tananany avy izy rehetra.
Toko 32 Taorian'izany zava-nitranga sy fanehoam-piraiketam-po tamin'Andriamanitra izany, dia tonga tao Joda i Saneheriba mpanjakan'i Asiria ary nanao fahiranony tanana mimanda ka nikendry haka azy.
Toko 33 Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.
Toko 34 Feno valo taona i Josia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.
Toko 35 Dia nanao fankalazana ny Paska i Josia ho voninahitry ny TOMPO; ary tamin'ny volana voalohany, andro faha-14,no namonoan'ny olona ny biby ho an'ny sakafo Paska.
Toko 36 Nalain'ny mponin'i Joda kosa i Joahaza zanakalahin'i Josia ka nataony mpanjaka tao Jerosalema handimby an-drainy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0427