2 Tantara
Toko faha-11
1 Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin'ny fokon'iJoda sy i Benjamina mba hiady amin'i Israely avaratra ka hamerina indray io fanjakana io ho an'ny tenany.2 Kanjo nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Semahia olon'Andriamanitra, dia teny nanao hoe:
3 -Ambarao amin'i Rehabohama, zanakalahin'i Salomona sady mpanjakan'i Joda, ary koa amin'ny Israelita rehetra ao anatin'ny faritr'i Joda sy i Benjamina,
4 fa izao no lazain'ny TOMPO: "Aza mandeha hiady amin'ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao."Dia nankatoavin'ny olona izany tenin'ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an'i Jerobohama.
5 Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanana mimanda tany Joda,
6 dia ireto avy: i Betlehema sy i Hetama ary iTekoa,
7 i Bety-Tsoro sy i Sokao ary i Hadolama,
8 i Gata sy i Maresa ary i Zifa,
9 i Adoraima sy i Lakisy ary i Hazeka,
10 mbamin'i Tsoreha sy i Aialona ary i Hebrona, izay samy tanana mimanda ao anatin'ny faritr'i Joda sy i Benjamina.
11 Nohamafisin'i Rehabohama ny mandan'ireo tanana ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.
12 Isan-tanana dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanana ireo no nitazonan'i Rehabohama ny faritr'i Joda sy i Benjamina ho azy.
13 Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin'ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin'i Rehabohama.
14 Fa nandao tanim-bilona amam-pananana ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, satria i Jerobohama sy ireo zanany lahy efa nisakana azy tsy hanao ny raharaham-pisoronany ho an'ny TOMPO;
15 nanendry olona hompisorona manko izy hisahana ireo toeram-panasinana sy hikarakara ireo sarin'osilahy na ombilahikely izay sampy nampamboariny.
16 Na iza na iza anisan'ny foko rehetra tamin'i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
17 Ka dia nampahery ny fanjakan'i Joda izy ireny sady nijoro ho mpanohana an'i Rehabohama zanakalahin'i Salomona, nandritra ny telo taona; fa ny fitondrantena tsara narahin'i Davida sy i Salomona no nizoran'i Rehabohama nandritra ny telo taona.
18 I Rehabohama dia nanambady an'i Mahalato izay i Jerimota zanakalahin'i Davida no rainy ary i Abihaila zanakavavin'i Eliaba sady zafin'i Jisay no reniny.
19 I Mahalato dia nahazo an'i Rehabohama zazalahy telo, dia i Jehosa sy i Semaria ary i Zahama.
20 Ankoatran'i Mahalato dia nalain'i Rehabohama ho vady koa i Maheka zanakavavin'i Absaloma sady niteraka an'i Abiasy i Hatahy ary i Ziza sy i Selomita.
21 I Maheka, zanakavavin'i Absaloma, dia notiavin'i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsindrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.
22 I Abia, zanakalahin'i Maheka, no nataon'i Rehabohama ho filohan'ireo rahalahiny, satria izy no niriny hampanjakaina.
23 Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran'ny faritr'iJoda sy i Benjamina, dia tany amin'ny tanana mimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.