2 Tantara
Toko faha-21
1 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Josafata, dia nalevina am-pasan-drazany tao an-Tananan'i Davida; ary i Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.2 Nanan-drahalahy zanak'i Josafata koa i Jorama, dia i Hazaria sy i Jehiela, i Zakaria sy i Hazaria ary i Mikaela sy i Sefatia; izy rehetra ireo no zanakalahin'i Josafata, mpanjakan'i Joda.
3 Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin'ny fifehezana tanana mimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an'i Jorama, satria izy no lahimatoa.
4 Raha vao nandray an-tanana ny fanjakan-drainy i Jorama, dia nanamafy ny fahefany ka namono nahafaty tamin'ny sabatrany rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin'i Israely.
5 Feno 32 taona i Jorama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema.
6 Nanaraka ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely avaratra izy, dia tahaka ny nataon'ireo taranak'i Ahaba, fa zanakavavin'i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO i Jorama.
7 Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak'i Davida noho ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.
8 Tamin'ny andron'i Jorama no nikomian'ny Edomita tamin'ny fahefana jodeanina ka nananganany mpanjaka ho azy.
9 Niainga manko i Jorama sy ireo manamboninahiny ary ny kalesiny rehetra; nony voahodidin'ny Edomita ny tenany mbamin'ireo komandin-kalesiny, dia voatery nitsoaka nanao latsaka alina tamin'ny Edomita.
10 Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edomita mandraka androany.Tamin'izay fotoana izay koa ny tananan'i Libna no nikomy nanohitra ny fahefan'i Jorama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.
11 I Jorama mihitsy no nanao toeram-panasinana teny an-tendrombohitr'i Joda ka nitaona ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hanompo sampy sady hivadika amin'Andriamanitra.
12 Ary nisy taratasy avy tamin'i Elia mpaminany tonga tao amin'i Jorama nanambara hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Davida razanao: Tsy nanaraka ny toetran'i Josafata rainao na ny an'i Asa mpanjakan'i Joda ianao,
13 fa nanaraka ny toetran'ireo mpanjakan'i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin'i Jerosalema tahaka ny fanaon'ny taranak'i Ahaba; novonoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;
14 koa dia hataon'ny TOMPO hiharan-doza goavana ny vahoakanao sy ny zanakao ary ny vadinao sy ny fanananao rehetra.
15 Ny tenanao ho azon'aretina mafy isan-karazany, indrindra fa aretina amin'ny tsinainao izay hiharatsy miandalana isan'andro isan'andro mandra-piloatrany tsinainao."
16 Dia notaomin'ny TOMPO hamely an'i Jorama ny Filistinina ary koa ny Arabo izay mifanila amin'ny Kosita ;
17 niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, ary namabo ny fananana rehetra izay tao an-dapan'ny mpanjaka mbamin'ny zanany sy ny vadiny koa aza. Tsy nisy zanany tavela intsony teo aminy, afa-tsy i Joahaza faralahiny ihany.
18 Taorian'izany rehetra izany, ny namelezan'ny TOMPO an'i Jorama ho azon'aretina tsy azo sitranina teo amin'ny tsinainy.
19 Rehefa ela ny ela, nony afaka roa taona, dia niloatra nihahaka ny tsinainy noho ny fiantraikan'ilay aretina; ka maty tamin'ny fangirifiriana mafy i Jorama. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro vovo-javamanitra ho fisaonana azy toy ny natao tamin'ireo razany.
20 Feno 32 taona i Jorama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tananan'i Davida ihany i Jorama, nefa tsy mba tao amin'ny fasan'ireo mpanjaka.