2 Tantara

Toko faha-9

1 Nahare ny lazan'i Salomona ny mpanjakavavin'i Saba , ka avy hitsapa azy tamin'ny fanontaniana sarotra. Dia tonga tany Jerosalema izy sy ny mpanaraka azy marobe narahin'ny rameva, nivesatra zava-manitra sy volamena ary vatosoa. Rehefa mby tao amin'i Salomona ity mpanjakavavy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony.

2 Voavalin'i Salomona avokoa ny fanontaniana rehetra nataony, ka tsy nisy zavatra niafina tamin'ny mpanjaka ireny fananomezany valinteny avokoa.

3 Ary rehefa samy hitan'ny mpanjakavavin'i Saba ny fahendren'i Salomona sy ny trano izay naoriny,

4 ny sakafo fihinana teo amin'ny latabany sy ny toeram-ponenan'ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian'ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran'i Salomona ho ao an-tranon'ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy

5 ka nilaza tamin'ny mpanjaka hoe:-Marina avokoa izay resaka reko tany amin'ny taniko momba ny tenanao sy ny fahendrenao. Nefa tsy nino ny filazan'olona aho, raha tsy tonga aty, ka ny masoko no mahita.

6 Hay na dia ny antsasaky ny fahendrena anananao aza tsy voambara tamiko akory;indro mihoatra noho ny laza efa reko ianao.

7 Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao,satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

8 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin'ny seza fiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan'Andriamanitrao an'i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.

9 Dia nomen'ilay mpanjakavavy volamena telo taonina sy sasany ary koa zava-manitra sesehena ary vatosoa ny mpanjaka;tsy nisy na oviana na oviana zava-manitra tahaka izay nomen'ny mpanjakavavin'i Saba ho an'i Salomona.

10 Ankoatra izany, ny tantsambon'i Hirama sy ny tantsambon'i Salomona, izay naka volamena avy tany Ofira, dia nitondra koa hazo sarobidy sy vatosoa.

11 Ny hazo sarobidy dia nanaovan'i Salomona gorodona ho an'ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary koa nanamboarany lokanga sy valiha ho an'ny mpihira; ka tsy mbola nisy hita toy izany taloha teo amin'ny tamin'i Joda.

12 Tetsy andanin'izany kosa dia nomen'i Salomona mpanjaka ho an'ny mpanjakavavin'i Saba avokoa izay rehetra niriny ka nangatahiny; ary nihoatra lavitra noho izay nentiny ho an'ny mpanjaka izany. Avy eo ilay mpanjakavavy sy ireo mpanompony dia niverina nody tany amin'ny taniny.

13 Ny lanjam-bolamena tonga tao amin'i Salomona, tanatin'ny taona iray monja, dia nahatratra roapolo taonina,

14 ankoatra ny haba nalainy tamin'ny mpandranto sy ny mpivarotra, ary koa ny volamena sy volafotsy nentin'ny mpanjakan'i Arabia rehetra mbamin'ireo governoran'ny tany ho an'i Salomona.

15 Nampamboatra ampingabe roanjato tamina metaly miharo volamena i Salomona mpanjaka; ka lanjam-bolamena enina kilao avy no nilaina isan'ampinga.

16 Dia nampamboatra ampinga kely telonjato tamina metaly miharo volamena koa izy; ka lanjam-bolamena telo kilao avy no nilaina isan'ampinga. Ary napetraky ny mpanjaka tao amin'ilay trano antsoina hoe"Alan'i Libano " ireo.

17 Dia nampamboatra sezafiandrianana lehibe koa izy, dia sezafiandrianana izay voaravaka ivoara sady nopetahana takela-bolamena madio.

18 Nisy tohatohatra enina ho amin'io sezafiandrianana io ary koa fitoeran-tongotra volamena, izay naraikitra taminy; ary nasiana fitehenan-tanana teo andaniny roa amin'ny fipetrahana. Nisy sarin-diona iray avy teo ankilan'ny fitehenan-tanana;

19 ary sarin-diona enina avy no teo an-daniny roa amin'ny tohatohatra enina. Tsy nisy natao tahaka izany mihitsy tany amin'ny fanjakana hafa rehetra.

20 Volamena avokoa ny tsatokaty fisotroan'i Salomona mpanjaka; ary volamena tsara avokoa ny kojakoja rehetra tao amin'ilay trano antsoina hoe "Alan'i Libano."Tsy nisy vita volafotsy ireo, satria noheverina ho tsy dia sarobidy loatra izany tamin'ny andron'i Salomona.

21 Fa ny mpanjaka manko dia nanana sambo vaventy izay notarihin'ireo tantsambon'i Hirama;ary indray mandeha isan-telo volana ireo sambo vaventy ireo no tonga mitondra volamena sy volafotsy amana ivoara ary koa rajako sy vorombola.

22 I Salomona mpanjaka dia nihoatra noho ny mpanjaka hafa rehetra tambonin'ny tany tamin'ny harena sy ny fahendrena.

23 Nitady hahita azy avokoa ireo mba hihaino ny fahendrena izay nataon'Andriamanitra tao am-pony.

24 Ka isan-taona dia samy tonga nitondra fanomezana avy izy rehetra: dia kojakoja volafotsy sy volamena ary koa fitafiana sy fiadiana mbamin'ny zava-manitra sy soavaly na ramole.

25 Nanana efitrano efatra arivo i Salomona mba ho fitoeran-tsoavaly aman-kalesy; nisy 12000 ireo soavaly fitaingina , ka nisy natobiny tany amin'ireo tanana fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo akaikiny tao Jerosalema.

26 Teo ambany fifehezan'i Salomona avokoa ny mpanjaka rehetra, hatrany amin'ny ony Eofrata ka hatraty amin'ny tanin'ny Filistinina sy ny sisin-tanin'i Ejipta.

27 Nataon'ny mpanjaka toy ny vato ny habetsaky ny volafotsy tao Jerosalema , ary nataony toy ny aviavy any amin'ny lemak'i Sefela ny hamaroan'ny hazo sedera.

28 Ny soavalin'i Salomona kosa dia avy any Ejipta na avy any amin'ny tany hafa.

29 Ny sisa amin'ny tantaran'i Salomona, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ireo boky miloha teny hoe Asan'i Natana mpaminany sy Faminanian'i Ahia avy any Silao ary Fahitan'i Hidao. -Ity boky farany ity dia mitantara ny amin'i Jerobohama, zanakalahin'i Nebata-.

30 I Salomona dia nanjaka efapolo taona tao Jerosalema tamin'i Israely manontolo.

31 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina teo anilan-drainy, tao an-Tananan'i Davida; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0571