2 Tantara
Toko faha-7
1 Rehefa vitan'i Salomona izany vavaka izany, dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra sy nandevona ny sorona dorana manontolo mbamin'ny sorom-pihavanana,ka feno ny voninahitry ny TOMPO ny tempoly.2 Ary tsy afa-niditra tao an-tranon'ny TOMPO ireo mpisorona, satria feno ny voninahitry ny TOMPO izany.
3 Nony hitan'ny Israelita rehetra kosa ny nilatsahan'ny afo sy ny voninahitry ny TOMPO teo amin'ny tempoly, dia niankohoka nitehika ny lampivato izy ka nitsaoka ny TOMPO sy nidera Azy hoe: "Eny, tsara Izy sady maharitra mandrakizay ny fitiavany".
4 Ary ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra dia nanao sorona teo anatrehan'ny TOMPO.
5 Ka omby 22000 sy ondry aman'osy 120000 no nataon'i Salomona mpanjaka sorona. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra ny tranon'Andriamanitra.
6 Samy nanao ny anjara raharahany avy ny mpisorona fa ny levita kosa nisahana ny zava-maneno masina izay nampamboarin'i Davida mpanjaka mba hiderana ny TOMPO hoe: "Eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!", araka ny hira fiderana nasain'i Davida nataony. Dia nisy koa mpisorona nitsoka trompetra tetsy andaniny; ary ny vahoaka israelita rehetra teo dia nitsangana avokoa.
7 Tamin'izay no nanokanan'i Salomona ny afovoan'ny kianja manoloana ny tranon'ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny saboran'ny sorom-pihavanana. Ilay alitara halimo izay nampanaovin'i Salomona manko tsy omby ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny jabora.
8 Fito andro no niarahan'i Salomona nankalaza ny fetin'ny Trano tomboka tamin'ny Israelita rehetra izay tafangona marobe , tonga avy amin'ny lafy valo hatreo Lebo-Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta.
9 Tamin'ny andro fahavalo no nanaovan'izy mianakavy fivoriana manetriketrika. Fito andro araka izany no nankalazany ny fitokanana ny alitara; ary fito andro hafa koa no nankalazany ny fetin'ny Trano tomboka.
10 Ary nony andro faha-23 tamin'ny volana fahafito dia nalefan'i hody any an-tranony avy ny olona;ary faly sy ravoravo ireo noho ny soa nataon'ny TOMPO tamin'i Davida sy tamin'i Salomona ary tamin'i Israely vahoakany.
11 Rehefa vitan'i Salomona ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, sady samy nataony lavorary avokoa izay rehetra nokasainy ho tontosaina tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapany,
12 dia nisehoan'ny TOMPO indray i Salomona nony alina, ka nilazany hoe:-Efa reko ny vavakao ary efa voafidiko ho trano fanateran-tsorona ho Ahy ity toerana ity.
13 Mety hampikatona ny lanitra Aho ka tsy hisy ranonorana latsaka, mety hibaiko ny valala handrava ny tany Aho, na mety handefa areti-mandringana hamely ny vahoakako;
14 kanefa raha amin'izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin'ny toe-dratsy, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny.
15 Ankehitriny no ijeren'ny masoko ary ihainoan'ny sofiko ny vavaka izay atao eto amin'ity toerana ity.
16 Eny, voafidiko sy natokako ity tempoly ity mba hitoeran'ny voninahitro mandrakizay;ka ho ao mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.
17 Ny aminao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao ianao, ka manao araka izay andidiako anao sy mitandrina ny didiko amam-dalanako,
18 dia hampaharitra ny seza fiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekem-pihavanana nataoko tamin'i Davida rainao ka nilazako hoe: "Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an'i Israely."
19 Nefa kosa raha mivily ianareo ka mandao ny lalana sy ny didy izay napetrako teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany,
20 dia hongotako ianareo tsy ho amin'ny taniko izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana ny anarako ity. Amin'izay ianareo Israelita dia hataoko fandatsa sy fanaraby any amin'ny firenen-kafa rehetra.
21 Na dia avobe aza ity tempoly ity , dia hivarahontsana izay rehetra mandalo azy ka hanontany hoe: "Nahoana no dia nataon'ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ity?"
22 Ary hisy olona hamaly hoe: "Satria nilaozan'ny Israelita ny TOMPO Andriamanitry ny razany, dia Ilay nitondra azy niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin'andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan'ny TOMPO izao loza isan-karazany izao."