2 Tantara

Toko faha-20

1 Taorian'izay, dia avy hiady tamin'i Josafata ny Moabita sy ny Hamonita mbamin'ny Mehonita sasany.

2 Ary nisy olona tonga nanambara tamin'i Josafata hoe:-Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan'ny Ranomasina Maty sy avy any amin'ny faritr'i Edoma ho tonga hiady aminao;ary indreo izy ao Hatsetsona-Tamara,izany hoe Haina-Gedy.

3 Dia natahotra i Josafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantsoandro fifadian-kanina manerana an'i Joda manontolo.

4 Dia niangona ny Jodeanina rehetra hangata-bonjy amin'ny TOMPO; eny,avy tamin'ny tananan'i Joda rehetra no niaingany hanao izany.

5 Voahodidin'ny mponin'i Joda sy i Jerosalema tafangona i Josafata no nijoro tao an-tranon'ny TOMPO,teo anoloan'ilay kianja vaovao,

6 ka nivavaka nanao hoe:-Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay o,Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin'ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.

7 Ry Andriamanitray o, Ianao no nandroaka ny mponina tamin'ity tany ity hiala teo anoloan'i Israely vahoakanao ka nanome mandrakizay an'izany ho an'ny taranak'i Abrahama sakaizanao.

8 Ary nonina teto izy ka nanorinaToeramasina ho an'ny anaranao sady niteny hoe:

9 Raha manjo anay ny loza, na ady na famaizana na areti-mandringana na mosary, ka hijoro manatrika ity tempoly ity izahay, fa ny anaranao no amin'ity trano ity,ary hiantso vonjy aminao noho ny fahorianay ,dia hihaino Ianao ka hamonjy.

10 Ankehitriny, indreo ny Hamonita sy ny Moabita ary koa ny Edomita avy any an-tendrombohitra Sehira. Fony niala tany Ejipta ny Israelita razanay, dia tsy navelanao hanafika azy, ka nivily lalana fa tsy nandringana azy;

11 kanefa indreo izy namaly ratsy anay ka avy handroaka anay amin'ny tany nomenao ho fanananay.

12 Ry Andriamanitray o,tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain'ny masonay.

13 Ny Jodeanina rehetra, mbamin'ny vadiny aman-janany koa, dia samy nitsangana nivavaka teo anatrehan'ny TOMPO.

14 Teo anivon'izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin'i Zakaria sy zafin'i Benaia sy zafiafin'i Jehiela ary zafindohalik'i Matania sady anisan'ny taranak'i Asafa, dia voatsindrin'ny Fanahin'ny TOMPO,

15 ka niteny hoe:-Mihainoa tsara ianareo, ry Joda iray manontolo sy ry mponin'i Jerosalema, ary indrindra ianao, ry Josafata mpanjaka. Izao no lazain'ny TOMPO aminareo: "Aza matahotra na mivadi-po ny amin'io tafika goavana io, fa tsy anareo ny ady, fa Ahy Andriamanitrareo.

16 Rahampitso dia midina hiady amin'ny fahavalonareo izay miakatra amin'ny fiakarana Hatsitsa izao. Ianareo kosa hahita azy eo amin'ny faran'ny lohasahan-driaka tandrifin'ny taniefitr'i Jeroela.

17 Ry mponin'i Joda sy i Jerosalema, tsy ianareo anefa no hiady amin'ity; mijanona tsara fotsiny, fa ho hitanareo ny hamonjen'ny TOMPO anareo. Aza matahotra na mivadi-po; rahampitso dia miainga hifanehatra amin'io tafika io, fa ny TOMPO no hiaraka aminareo."

18 Dia niankohoka tamin'ny tany i Josafata; ary ny Jodeanina rehetra sy ny mponin'i Jerosalema koa dia niankohoka teo anatrehan'ny TOMPO mba hitsaoka AZy.

19 Nitsangana kosa ny levita, anisan'ny tarika kehatita sy korahita, mba hidera ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, tamin'ny feo mafy tokoa.

20 Nifoha maraina koa ireto Jodeanina sy mponin'i Jerosalema ny ampitso, dia niainga nankany amin'ny taniefitr'i Tekoa. Teo am-piaingany, dia nitsangana i Josafata ka nanao hoe:-Mihainoa ahy ianareo, ry Jodeanina sy ry mponin'i Jerosalema. Matokia ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy ho voahozongozona ianareo; matokia ny mpaminaniny,dia handresy ianareo!

21 Rehefa niara-nidinika tamin'ny vahoaka i Josafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: "Midera ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!"

22 Raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo mpihira, dia nataon'ny TOMPO nisy fifanjevoana teo amin'ny Hamonita sy Moabita ary Edomita izay tonga hanafika ny Jodeanina, ka dia nifamely ireo.

23 Nitsangana ny Hamonita sy Moabita hamely ny Edomita, ka namono nahafaty sy nandringana azy; ary nony voaringan'izy roa tonta ny Edomita, dia izy samy izy kosa avy eo no nifandringana.

24 Rehefa tonga teo amin'ilay toerana fitazanana ny taniefitra ireto Jodeanina, dia nijery ity tafika goavana; ka indreo faty niampatrampatra tamin'ny tany no hitany, fa tsy nisy afa-nandositra.

25 Dia nandeha nandroba azy i Josafata sy ny vahoakany, ka betsaka tokoa ny biby fiompy sy harena ary fitafiana sy fanaka sarobidy hitany. Be loatra ny remby ka na dia nandany telo andro hanangonana aza izy ireo, dia tsy nahazaka azy rehetra.

26 Tamin'ny andro fahefatra dia nivory tao amin'ny Lohasaha Beraka izy. Tao no nisaorany ny TOMPO, ka izany no niantsoana io toerana io hoe Lohasaha Bera ka mandraka androany.

27 Ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra izay teo ambany fitarihan'i Josafata dia niainga hiverina any Jerosalema indray tamim-pifaliana, satria ny TOMPO efa nampifaly azy fony nafahany tamin'ny fahavalony.

28 Dia tonga tany Jerosalema izy nomban'ny feom-baliha sy lokanga ary trompetra, ka nankao an-tranon'ny TOMPO.

29 Ary azon'ny tahotra an'Andriamanitrany fanjakana rehetra manodidina, rehefa nandre fa ny TOMPO no niady tamin'ny fahavalon'i Israely.

30 Dia nandry feizay ny fanjakan'i Josafata, satria nomen'Andriamanitra fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina izy.

31 Nanjaka tamin'i Joda i Josafata; feno 35 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazoba zanakavavin'i Silehy.

32 Nanaraka ny toetran'i Asa rainy izy, ka tsy niala tamin'izany fa nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO.

33 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin'ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.

34 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josafata, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoe Asan'i Jeho zanakalahin'i Hanany , izay nakambana tamin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Israely.

35 Taorian'izany, i Josafata mpanjakan'i Joda dia nifarimbona tamin'i Ahazia mpanjakan'i Israely, izay ratsy fitondrantena.

36 Nifarimbona tamin'i Ahazia hanamboatra sambo vaventy izy; ka tao Hetsiony-Gebera no nanamboarany azy.

37 Kanefa i Elihezera mpaminany, zanakalahin'i Dodia avy any Maresa, dia naminany ny amin'i Josafata hoe:-Noho ny nifarimbonanao tamin'i Ahazia dia horavan'ny TOMPO ireo fitaovana vitanao. Dia nisy fahavakiana tokoa ireo sambo ka tsy afaka nanainga akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581