2 Tantara

Toko faha-29

1 Feno 25 taona i Hezekia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Abia, zanakavavin'i Zakaria.

2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hezekia, tahaka izay rehetra nataon'i Davida razambeny.

3 Tamin'ny volana voalohan'ny taona voalohany nanjakany, dia novohany sady namboariny avy ny varavaran'ny tranon'ny TOMPO.

4 Ary nasainy tonga ireo mpisorona sy levita ka nangoniny teo amin'ny Kianja Atsinanana

5 ary nilazany hoe:-Henoinareo aho, ry taranak'i Levy! Ankehitriny midiova tena ianareo, diovy koa ny tranon'ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin'ny Toeramasina ny zavatra maloto ara-pivavahana.

6 Fa nivadika tamin'ny TOMPO Andriamanitsika ny razantsika sy nanao izay ratsy eo imasony ary nandao Azy; niamboho ny TOMPO ireo ka tsy niatri-maso ny fonenany intsony.

7 Nohidiany ny varavarana amin'ny lalantsara fidirana, navelany ho faty ny jiro, ary tsy nandoroany vovo-javamanitra sady tsy nanolorany sorona dorana manontoloho an'Andriamanitr'i Israely intsony tao amin'ny tempoliny.

8 Ka dia niharan'ny fahatezeran'ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema; ary hataony ohatra hampihoron-koditra sy hampahonena ary ho enti-maneso, toy izao mbola hitanareo maso izao.

9 He! matin'ny sabatra ireo vatan-dehilahy razantsika, ary ny vady aman-janany dia efa natao sambo-belona.

10 Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekem-pihavanana amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.

11 Ianareo kosa, manaova fanarenan-javatra ankehitriny ka aza malaina, satria ianareo no voafidin'ny TOMPO hiatrika Azy mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sy ho mpandraharahany ary ho mpandoro vovo-javamanitra ho Azy.

12 Ireto avy ny levita tonga teo: tamin'ny terak'i Kehata dia i Mahata zanakalahin'i Hamasay ary i Joela zanakalahin'i Hazaria; tamin'ny terak'i Merary dia i Kisy zanakalahin'i Habdy ary i Hazaria zanakalahin'i Jehalaleela; tamin'ny Gersonita, dia i Joazanakalahin'i Zima, ary i Hedera zanakalahin'i Joa;

13 tamin'ny terak'i Elitsafana, dia i Simry sy i Jehoela; tamin'ny terak'i Asafa, dia i Zakaria sy i Matania;

14 Tamin'ny terak'i Hemana, dia i Jehiela sy i Simehy; ary tamin'ny terak'i Jedotona, dia i Semahia sy i Hoziela.

15 Dia namory ny mpiray tarika aminy avy izy ireo, ka samy nidio tena; avy eo dia niditra ny tranon'ny TOMPO mba hanadio izany, araka ny didin'ny mpanjaka mifototra amin'ny tenin'ny TOMPO.

16 Ny mpisorona no niditra tao amin'ny efitrano malalaka anatiny amin'ny tranon'ny TOMPO mba hanadio izany ary namoaka ny fanaka maloto rehetra izay hitany tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO ho eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO; ny levita kosa nandray ireny mba havoakany ho any amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

17 Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany no nanombohana ny fanadiovana; ary tamin'ny andro fahavalon'io volana io no tafapaka teo amin'ny lalantsara fidirana ho ao an-tempoly izany. Valo andro koa no naharetan'ny fanadiovana ny tranon'ny TOMPO, ka andro faha-16 tamin'io volana voalohany io no vita tanteraka ny fanadiovana manontolo.

18 Dia niditra tao an-tranon'i Hezekia mpanjaka ireto taranak'i Levy ka nanao hoe:-Efa voadionay avokoa, ry Andriamanjakao, ny tranon'ny TOMPO sy ny alitara fisoronana mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo alahatra mbamin'ny kojakoja rehetra momba azy koa.

19 Ary ny fanaka rehetra, izay nozimbazimbain'i Ahaza mpanjaka tamin'ny fahotana vitany nandritra ny nanjakany, dia nohavaozinay sy nodiovinay; koa indreo izy eo anoloan'ny alitaran'ny TOMPO.

20 Ny ampitso dia nifoha maraina koa i Hezekia mpanjaka, ka namory ny manampahefan'ny tanana, dia niakatra ho ao an-tranon'ny TOMPO.

21 Ombilahy fito mbamin'ny ondrilahy fito sy zanak'ondry fito no nentina hatao sorona dorana manontolo, ary nisy koa osilahy fito hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka sy ho an'ny vahoaka jodeanina sady hatao sorona fanadiovana ny tempoly; ka ny mpisorona, taranak'i Aharona, no nasain'i Hezekia nanolotra ireo teo ambony alitaran'ny TOMPO.

22 Dia novonoina ny ombilahy, ary nalain'ny mpisorona ny ra ka nararany tamin'ny alitara; novonoina ko any ondrilahy sy ny zanak'ondry ka samy nararaka tamin'ny alitara ny rany.

23 Ary ny osilahy hatao sorona fanalana ny ota dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vahoaka tafangona ka nametrahan'izy rehetra tanana;

24 dia novonoin'ny mpisorona ireo osilahy ireo, ka ny rany no natolony teo amin'ny alitara araka ny fanao mba ho sorona famelan-keloka ho an'i Israely manontolo; fa nasain'ny mpanjaka natolotra ho an'iIsraely manontolo na ny sorona dorana manontolo na ny sorona fanalana ny ota.

25 Ary napetraky ny mpanjaka tao an-tranon'ny TOMPO ireo levita omban'ny kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didy nataon'i Davida mpanjaka ary koa nataon'i Gada mpahitany sy i Natana mpaminany; izany no didy nampitain'ny TOMPO tamin'ny alalan'ireo mpaminaniny.

26 Dia naka toerana ny levita omban'ny zava-manenon'i Davida, ary koa ny mpisorona omban'ny trompetra.

27 Avy eo nasain'i Hezekia natolotra teo ambony alitara ny sorona dorana manontolo; ka vantany vao natomboka izany fanoloran-tsorona izany, dia natomboka noredonina koa ny hira ho an'ny TOMPO sady narahin'ny feon-trompetra sy ny zava-manenon'i Davida mpanjakan'i Israely.

28 Niankohoka avokoa ny vahoaka tafangona teo, fa ny mpihira kosa nihira hatrany ary ny mpanao mozika nitsoka trompetra, mandra-pahavitan'ny sorona dorana manontolo.

29 Nony efa tapitra ny fanoloran-tsorona, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin'izay rehetra tafaraka taminy.

30 Ary i Hezekia sy ny manampahefana dia nanainga ny levita mbola hidera ny TOMPO tamin'ny tononkiran'i Davida sy ny an'i Asafa mpahita; ka nihira fiderana tamin-kafaliana izy, avy eo dia niondrika sy niankohoka hitsaoka ny TOMPO.

31 Ary niteny indray i Hezekia ka nanao tamin'ny vahoaka hoe:-Ankehitriny ianareo izay vonon-kanao fanomezana ho an'ny TOMPO dia manatona ary mitondra sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ho ao an-tranon'ny TOMPO!Dia nitondra biby hatao sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana ny vahoaka tafangona; ary izay rehetra malala-tanana dia nitondra sorona dorana manontolo.

32 Ny isan'ny sorona dorana manontolo nentin'ny mpiangona dia omby fitopolo sy ondrilahy zato ary zanak'ondry roanjato; ka natolotra ho sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO ireo rehetra ireo.

33 Ny sorona hafa kosa dia omby eninjato sy ondry aman'osy telo arivo.

34 Vitsy loatra ny mpisorona teo ka tsy nahendaka ny hoditr'ireo biby rehetra natao sorona dorana manontolo, dia nanampy azy ny levita mpiray foko aminy mandra-pahavitan'ny raharaha; ary toy izany hatrany no natao mandra-pahavitan'ireo mpisorona sasany ny fidiovan-tenany, satria ny levita dia nazoto kokoa noho ny mpisorona tamin'ny fidiovan-tena.

35 Ary be koa tetsy an-daniny, ankoatra ny sorona dorana manontolo maro, ny fanolorana ireo jaboran'ny sorom-pihavanana sy ny fanolorana ireo fanatitra divay ampombaina ny sorona dorana manontolo.Toy izany no nanavaozana ny fanompoam-pivavahana tao an-tranon'ny TOMPO.

36 Ary faly i Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho ny amin'izay navelan'Andriamanitra ho tanterahiny, satria tampotampoka izany raharaha izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0556