2 Tantara

Toko faha-23

1 Tamin'ny taona faha fito dia nanapa-kevitra hentitra i Joiada ka nanao fifanekena tamin'ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazaria zanakalahin'i Jerohama, i Jismahela zanakalahin'i Johanana, i Hazaria zanakalahin'i Hobeda, i Mahaseia zanakalahin'i Hadaia, ary i Elisafata zanakalahin'i Zikry.

2 Ary nitety an'i Joda ireo ka namory ny levita sy ny loham-pianakaviana israelita avy tany amin'ny tanana jodeanina rehetra, dia niara-tonga tany Jerosalema ireo.

3 Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekem-pihavanana tao an-tranon'Andriamanitra ny amin'ny mpanjaka, sady nilazan'i Joiada hoe:-Indro i Joasy zanakalahin'ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain'ny TOMPO ny amin'ny taranak'i Davida.

4 Koa izao no hataonareo: ianareo mpisorona sy levita izay milatsaka amin'ny andro sabata, dia aoka ny ampahatelonareo ho mpiandry ny varavaran'ny tempoly,

5 ny ampahatelo hafa hiambina ao an-dapan'ny mpanjaka, ary ny ampahatelo sisa hiambina ilay vavahadin'ny Fanorenana ; ary ny vahoaka rehetra kosa dia ho eo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO.

6 Fa aza avela hisy hiditra ao an-tranon'ny TOMPO, afa-tsy ny mpisorona sy ny levita mpanao raharaha; ireo no hahazo miditra satria voatokana ho an'Andriamanitra; fa ny vahoaka rehetra dia hitandrina izay fepetra nasain'ny TOMPO ho tandremana.

7 Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin'izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.

8 Araka izay baiko rehetra nomen'i Joiada mpisorona no nataon'ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon'andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin'ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan'i Joiada mpisorona hahazo lalana hody.

9 Nomen'i Joiada an'ireo mpifehy andia-miaramila ny lefona aman'ampinga isan-karazany, izay an'i Davida mpanjaka saingy na toby tao an-tranon'Andriamanitra.

10 Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr'i Joiada hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin'ny lafiny havanan'ny tempoly ka hatramin'ny lafiny havia, dia teo anoloan'ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efavonona hanodidina ny mpanjaka.

11 Tamin'izay dia navoaka i Joasy zanakalahin'i Ahazia, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman'andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Joiada sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: "Ho ela velona anie ny mpanjaka!"

12 Nony ren'i Hatalia ny kotaban'ny vahoaka nifamoivoy sy niarahaba ny mpanjaka, dia mba nankao amin'ny vahoaka tao an-tranon'ny Tompo koa izy.

13 Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin'ny lampihazo teo amin'ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban'ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalia kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: "Fikomiana! Fikomiana!"

14 I Joiada moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an'i Hatalia ao an-tranon'ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe:-Avoahy any ivelany any i Hatalia ka ampandalovy eo anelanelan'ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin'ny sabatra.

15 Dia nosamborin'ireo i Hatalia ka notaritaritiny ho any an-dapan'ny mpanjaka; ary rehefa tafapaka ny fidirana teo amin'ny vavahadin-tsoavaly ravehivavy, dia novonoina ho faty teo.

16 Nampanaovin'i Joiada fanekem-pihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho vahoakan'ny TOMPO.

17 Avy eo dia niditra tao an-tempolin'i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy; ary novonoiny ho faty teo anoloan'ny alitara i Matana mpisoron'i Bahala.

18 Tamin'izay koa no voatendrin'i Joiada ny olona hitandrina ny tranon'ny TOMPO ka hofehezin'ireo levita mpisorona , izay efa notsinjarain'i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon'ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'i Mosesy; ka amin-kafaliana sady omban-kirano hanatontosany izany, araka ny fepetranataon'i Davida.

19 Dia nametrahan'i Joiada mpiandry varavarana teo am-bavahadin'ny tranon'ny TOMPO mba tsy hisy zavatra na olona maloto ara-pivavahana ho tafiditra ao na inona na inona antony.

20 Dia novorin'i Joiada ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin'ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon'ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin'ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Joasy,

21 dia nifaly ny vahoaka rehetra. Ary nandry feizay ny tanana, satria efa matin-tsabatra i Hatalia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558