2 Tantara

Toko faha-35

1 Dia nanao fankalazana ny Paska i Josia ho voninahitry ny TOMPO; ary tamin'ny volana voalohany, andro faha-14,no namonoan'ny olona ny biby ho an'ny sakafo Paska.

2 Dia nampirisihin'i Josia hijoro amin'ny anjara raharahany avy ny mpisorona ary nampahereziny hanao ny fanompoam-pivavahana ao an-tranon'ny TOMPO.

3 Ary ny levita izay natao hampianatra ny Israelita rehetra sady efa voatokana ho an'ny TOMPO dia nitenenany hoe:-Ianareo natao hametraka ny Vatamasin'ny TOMPO ao amin'ny tempoly, izay nataon'i Salomona zanakalahin'i Davida sady mpanjakan'i Israely, dia efa tsy milanja azy intsony izao; koa ankehitriny manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo sy manompoa an'ilay Israely vahoakany;

4 ary samia mitsinjara araka ny tarikareo sy ny antokonareo avy ianareo, fa izany no fepetra voasoratr'i Davida mpanjakan'i Israely ary koa i Salomona zanakalahiny.

5 Ary maka toerana ao amin'ny tempoly, araka ny fitsinjaran'ny tarik'ireo vahoaka mpiray firenena aminareo ary araka ny fitsinjaran'ny tarikareo samy levita.

6 Natao hamono ny biby ho an'ny sakafo Paska ianareo ka midiova tena ary mivonona hiasa ho an'ny mpiray firenena aminareo mba hanatontosana ny fankalazana araka ny teny izay nampitain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy.

7 Ny vahoaka izay vory teo dia nomen'i Josia zanak'ondry sy zanak'osy hatao sakafo Paska: 30 000 no isan'ireo biby ireo, ary mbola niampy omby telo arivo, samy avy amin'ny fananan'ny mpanjaka.

8 Ny mpandraharahan'i Josia koa dia nanome biby ho an'ny vahoaka sy ho an'ny mpisorona ary ho an'ny levita. I Hilkia sy i Zakaria ary i Jehiela izay samy mpiandraikitra ny tranon'Andriamanitra, dia nanome ondry aman'osy 2600 ary omby roa arivo ho an'ny mpisorona mba hatao soron'ny Paska.

9 Ireo filohan'ny levita, izany hoe ry i Konania sy i Semahia ary i Natanaela mirahalahy mbamin-dry i Hasabia sy i Jehiela ary i Jozabada, dia nandroso ondry aman'osy dimy arivo ho an'ny levita mba hatao soron'ny Paska.

10 Dia nizotra toy izao ny fanompoam-pivavahana. Samy teo amin'ny toerany avy ny mpisorona, ary samy teo amin'ny antokony avy ny levita, araka ny baikon'ny mpanjaka.

11 Dia novonoin'ny olona ny biby ho an'ny sakafo Paska; ny ran'ireo biby ireo dia noraisin'ny mpisorona ka nararany teo amin'ny alitara; ary ny levita kosa nanoditra ireo biby voavono.

12 Rehefa nomena ny olona ny anjarany araka ny tarika sy fianakaviana teo amin'ny teraky ny firenena, dia navahana kosa ny sorona dorana manontolo hatolotra ho an'ny TOMPO, araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'i Mosesy. Ary toy izany koa tamin'ny omby.

13 Ny zanakondrin'ny Paska dia natsatsika tamin'ny afo araka ny fanao ; fa ny fanatitra masina hafa kosa nandrahoina tao anaty vilany sy vilanibe ary kaseraola , dia nozaraina faingana tamin'izay rehetra teraky ny firenena israelita.

14 Taorian'izay ny levita vao nanamboatra ny sakafo Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona; ireo mpisorona taranak'i Aharona manko nanolotra ny sorona dorana manontolo sy ny jabora mandra-pahalin'ny andro, ka dia izany no nahatonga ny levita hanamboatra ny sakafo Paska ho an'ny tenany sy ny mpisorona taranak'i Aharona.

15 Ireo mpihira, taranak'i Asafa ,dia teo amin'ny toerany araka ny fepetra nataon'i Davida ary koa nataon'i Asafa sy i Hemana mbamin'i Jedotona izay samy mpanoro hevitra ny mpanjaka ; ary ny mpiandry varavarana dia teo amin'ny isam-bavahady. Noho ireo tsy afaka nialatamin'ny fanompoany, dia ny levita namany koa no nanamboatra ny sakafo Paska ho azy.

16 Dia nizotra toy izany tamin'io andro io ny fanompoana ny TOMPO mba hankalazana ny Paska sy hanolorana ny sorona dorana manontolo eo ambony alitaran'ny TOMPO, araka ny fepetra nataon'i Josia mpanjaka.

17 Ny Israelita izay vory teo dia nankalaza ny Paska tamin'izany vaninandro izany, ary koa ny fety fihinanana ny mofo tsy misy leviora nandritra ny fito andro.

18 Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany teo amin'i Israely, na dia hatramin'ny andron'i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjaka rehetra tamin'i Israely dia tsy nisy nankalazany Paska tahaka izay nataon'i Josia sy ny mpisorona ary ny levita mbamin'ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina rehetra ary ny Israelita hafa izay vory teo.

19 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josia no nankalazana izany Paska izany.

20 Ankoatra izany rehetra izany, nony efa voavoatran'i Josia ny tempoly, dia niakatra i Nekao mpanjakan'i Ejipta mba hiady any Karkemisy eo amoron'i Eofrata; tamin'izay i Josia no niainga hifanehatra aminy.

21 INekao kosa naniraka olona ho any aminy hanao hoe:-Tsy natao hifamely akory izaho sy ianao, ry mpanjakan'i Joda! Tsy ady aminao izao ataoko anio izao, fa amin'ny fahavaloko; sady nasain'Andriamanitra handeha faingana aho. Koa aza toherinao Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.

22 Kanefa i Josia tsy niova hevitra fa nitady izay hiadiana tamin'i Nekao; tsy nety nihaino ny teny izay nampilazain'Andriamanitra an'i Nekao izy, fa nody olon-kafa mba tsy ho fantatra ka nandeha niady taminy ihany tao amin'ny lemak'i Megidao.

23 Ary nahavoa an'i Josia mpanjakany mpandefa tsipika, ka hoy ity mpanjaka tamin'ny manamboninahiny:-Ento miala eto aho, fa voa mafy.

24 Dia nesorin'ny manamboninahiny tamin'ny kalesy nisy azy i Josia ka napetrany teo amin'ny kalesy hafa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy, ka rehefa nalevina tao am-pasan-drazany, dia nisaonan'ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra.

25 I Jeremia dia nanao hira fitomaniana an'i Josia; ny mpihira rehetra koa na lahy na vavy dia mahatsiahy an'i Josia mandraka androany, rehefa manao hira fitomaniana,satria nanjary fanao teo amin'i Israely izany; ary indreo efa voasoratra ho anisan'ny hira fitomaniana ireny hira ireny.

26 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josia ary koa ny asa soa nataony araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'ny TOMPO,

27 eny, ny tantaran'i Josia, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Israely sy i Joda.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557