2 Tantara

Toko voalohany

1 Ary i Salomona, zanakalahin'i Davida, nanamafy orina ny fahefana mahampanjaka azy; ary niaraka tamin'i Salomona ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin'ny ambony indrindra.

2 Novorin'i Salomona ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon'andraikitra rehetra teo amin'i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.

3 Dia niara-niakatra ho any amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona i Salomona sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin'Andriamanitra, dia ilay nataon'i Mosesy mpanompon'ny TOMPO tany an-taniefitra.

4 Ny Vatamasin'Andriamanitra moa dia efa nampakarin'i Davida avy tany Kiriata-Jeharima ho ao amin'ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.

5 Fa ny alitara halimo izay namboarin'i Betsalela zanakalahin'i Ory sady zafikelin'i Hora kosa dia teo anoloan'ny Fonena-masin'ny TOMPO tao Gibehona.Teo no nahatongavan'i Salomona sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.

6 Dia nandroso teo anatrehan'ny TOMPO i Salomona ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin'ny alitara halimo akaikin'ny Tranolay fihaonana.

7 Tamin'ny alina iny no nisehoan'Andriamanitra i Salomona ka nilazany hoe: -Angataho izay tianao homeko anao!

8 Dia hoy i Salomona tamin'Andriamanitra: -Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.

9 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra o, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy taminavahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.

10 Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao?

11 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Salomona: -Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;

12 koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan'ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.

13 Dia niverina tany Jerosalema i Salomona rehefa niala teo amin'ny toeram-pisoronana tao Gibehona, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin'i Israely izy.

14 Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salomona ka nanana kalesy 1400 ary mpitaingin-tsoavaly 12000 izay nisy natobiny tamin'ireo tanana fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.

15 Toy ny hamaroan'ny vatokely no nataon'ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy sy volamena tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan'ny aviavy any Sefela no nataony habetsaky ny hazo sedera.

16 Ny soavalin'i Salomona dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton'ny mpanjaka no nividy azy tany.

17 Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin'ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran'ireo mpandranto ireo ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ho an'ny mpanjakan'i Siria.

18 Nanapa-kevitra i Salomona fa hanao tempoly ho voninahitry ny TOMPO sy lapaho an'ny tenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561