2 Tantara

Toko faha-3

1 Dia nanomboka nanao ny tranon'ny TOMPO tao Jerosalema i Salomona ka teo amin'ny tendrombohitra Moria , izay nisehoan'ny TOMPO tamin'i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin'i Davida tao amin'ny famoloan'i Ornana izay lehilahy jebosita.

2 Tamin'ny volana faharoan'ny taona fahefatra nanjakany no nanombohany nanorina ny tempoly.

3 Toy izao no refy naraikitr'i Salomona hanorenana ny tranon'Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra.

4 Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan'ny efitrano malalaka, dia nirefy dimy metatra ny sakany; ny lavany, izay nitovy refy tamin'ny sakan'ny tempoly, dia folo metatra; ary ny haavony koa dia folometatra. Nopetahana takela-bolamena madio ny rindrina tao anatin'io lalantsara io.

5 Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongalika.

6 Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaima.

7 Nopetahana takela-bolamena hatramin'ny rairainy sy ny tokonana ary ny rindrina sy ny lelava ravarana; ary nanaovany sary sikotra kerobima koa ny rindrina.

8 Avy eo dia natao ilay efitrano antsoina hoe Toeramasina Indrindra ; efamira io efitrano io fa ny lafiny rehetra dia samy nirefy folo metatra tahaka ny sakan'ny tempoly. Nopetahana takela-bolamena milanja roapolo taonina ny rindrina anatiny.

9 Ny fantsika volamena dia nilanja dimampolo sekela. Ary ireo efitrano tamboniny aza dia nopetahana volamena koa ny rindrina anatiny.

10 Tao amin'ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.

11 Nijoro tamin'ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin'ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin'ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany.

12 Roa metatra sy sasany ny fivelaran'ny elatra

13 ka ny halavan'ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra.

14 Lamba rongony voaloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny efitra lamba; ka sarin-kerobima no natao sorany.

15 Dia nanao ireo andry roa teo anoloan'ny Toeramasina i Horama , ka 17metatra sy sasany ny haavony; ary ny koronosy teo an-tampony kosa dia roa metatra sy sasany avy ny haavony.

16 Nataony koa ny tongalika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon'ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin'ampongabendanitra zato ka nahantony tamin'ireo tongalika ireo.

17 Dia natsangany teo anoloan'ny Toeramasina ireo andry roa, ka ny anankiray tamin'ny ankavanana ary ny anankiray tamin'ny ankavia; ny anaran'ilay teo ankavanana dia Jakina, izany hoe "Andriamanitra mampiorina mafy", ary ny anaran'ilay teo ankavia dia Bohaza, izany hoe" Ao amin'Andriamanitra ny hery".

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1097