2 Tantara

Toko faha-22

1 Ary ny mponin'i Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny andian'olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an'i Ahazia ho mpanjakan'i Joda.

2 Feno 22 taona izy fony vao nanjaka; ary herintaona ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hatalia, zafikelin'i Homry.

3 Nanaraka ny toetran'ireo taranak'i Ahaba koa i Ahazia, satria ny reniny no nanoro hevitra azy hanao ratsy.

4 Ka dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO toy ny taranak'i Ahaba izy, satria ireo no mpanolotsaina azy taorian'ny nahafatesan'i Jorama rainy ka nampidi-doza azy.

5 Ny torohevitra nomen'ireo azy tokoa no narahin'i Ahazia, ka dia niainga niaraka tamin'i Jorama zanakalahin'i Ahaba sady mpanjakan'i Israely avaratra izy mba hiady amin'i Hazaela mpanjakan'i Siria, tao Ramota-Gilehada. Tamin'izay ny Sirianina dia nandratra an'i Jorama;

6 ary niverina tao Jizrehela izy mba ho tsaboina tamin'ny ratra nahavoa azy tany Ramota, fony izy niady tamin'i Hazaela mpanjakan'i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazia , zanakalahin'i Jorama sady mpanjakan'i Joda, mba hamangy an'i Jorama zanakalahin'i Ahaba noho izy narary.

7 Avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany hamangy an'i Jorama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanakalahin'i Nimsy sady nohosoran'ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak'i Ahaba.

8 Dia nampiharin'i Jeho tamin'ny taranak'i Ahaba ny famalian'Andriamanitra; hitany koa ireo manampahefana jodeanina sy ireo zana-drahalahin'i Ahazia izay samy nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny ho faty.

9 Nampitady an'i Ahazia izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin'i Jeho izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe:"Taranak'i Josafata, ilay nitady ny TOMPO tamin'ny fony manontolo, ity."Tamin'izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak'i Ahazia.

10 Rehefa hitan'i Hatalia renin'i Ahazia fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny zazalahy rehetra tamin'ny teraky ny andriamanjakan'i Joda izy.

11 Kanefa i Joseba, zanakavavin'i Jorama mpanjaka, dia naka an'i Joasy zanakalahin'i Ahazia ka namonjy azy teo anivon'ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an'efitrano fandriana niaraka tamin'ny mpitaiza azy. Io Joseba vadin'i Joiada mpisorona sady zanakavavin'i Jorama mpanjakan'i Joda io moa dia anabavin'i Ahazia; nafenin'i Joseba i Joasy mba tsy ho hitan'i Hatalia, ka dia tsy mba voavono ho faty.

12 Niery enin-taona tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'i Joseba sy ilay mpitaiza i Joasy; ary dia i Hatalia no nanjaka teo amin'ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575