2 Tantara
Toko faha-26
1 Vao 16 taona i Hozia no nalain'ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an'i Amatsia rainy.2 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa ity rainy, dia i Hozia no nampody ny seranana Elota ho an'ny fanjakan'i Joda sy nanamboatra azy indray.
3 Feno 16 taona i Hozia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekolia izay avy ao Jerosalema ihany.
4 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Hozia, tahaka izay rehetra nataon'i Amatsia rainy.
5 I Hozia tamin'ny andro niainan'i Zakaria izay nampianatra azy hanaja an'Andriamanitra, dia nivavaka tokoa tamin'ny TOMPO Andriamanitra sady nomeny fanambinana.
6 Nandeha niady tamin'ny Filistinina i Hozia, ka nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne ary ny an'i Asdoda ; avy eo izy dia nanamafy tanana jodeanina takaikin'i Asdoda sy takaikin'ny Filistinina.
7 Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.
8 Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy.Tonga nahery fatratra i Hozia ka niely laza hatrany amin'ny sisin-tanin'i Ejipta.
9 Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin'ny Vavahadin'ny Zoro sy teo amin'ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.
10 Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman'ondry betsaka izy teny amin'ny faritr'i Sefela sy teny amin'ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
11 Nanana tafika i Hozia, dia tafika afa-mifanandrina amin'ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain'i Jehiela mpitan-tsoratra sy i Mahaseia mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan'i Hanania izay anankiray tamin'ireo komandy voatendrin'ny mpanjaka.
12 Andiany roa nisy olona eninjato no filohan-tarika nibaiko ireo miaramila maherifo ireo;
13 ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.
14 Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan'i Hozia ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipika sy vaton'antsamotady.
15 Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin'ny tilikambo sy teny amin'ny zoron'ny manda ary mba handefasana zana-tsipika na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian'Andriamanitra an'i Hozia, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.
16 Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an'ny tenany. Nivadika tamin'ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin'ny Toeramasin'ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin'ny alitara fanaovana izany.
17 Fa mba niditra nanaraka azy kosa i Hazaria mpisorombe, niaraka tamin'ny mpisoron'ny TOMPO valopolo lahy izay samy mahery fo avokoa.
18 Dia nijoro teo anoloan'ny Hozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe:-Tsy anjara raharahanao, ry Hozia, ny handoro vovo-javamanitra ho an'ny TOMPO; fa anjaran'ny mpisorona taranak'i Aharona izay natokana hanao izany. Miala amin'ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an'Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitra izany.
19 Mbola teny an-tanan'i Hozia ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin'ireo mpisorona izy.Tamin'izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin'ny handriny raha izy mbola tao an-tranon'ny tompoiny, teo anatrehan'ny mpisorona sady teo anilan'ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.
20 Ary i Hazaria mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin'ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.
21 Dia nianjadian'izany aretin-koditra izany i Hozia mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin'ny trano anankiray izy , sady tsy nahazo niditra tao an-tranon'ny TOMPO intsony. Ka dia i Jotama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan'ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
22 Ny sisa amin'ny tantaran'i Hozia, na tamboalohany na tafara, dia nosoratan'i Isaia mpaminany zanakalahin'i Amotsa.
23 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa i Hozia , dia nalevina tao an-tsaha filevena-mpanjaka; kanefa tsy tao amin'ny fasan-drazana no nandevenana azy, satria hoy ny olona hoe: "Voan'ny aretin-koditra izy!" Ary i Jotama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.