2 Tantara
Toko faha-25
1 Feno 25 taona i Amatsia fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Johadana, izay avy ao Jerosalema ihany.2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Amatsia, kanefa tsy dia tamin-kafanampo tanteraka.
3 Rehefa nohamafisin'i Amatsia ny fahefam-panjakany, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an'i Joasy mpanjaka rainy.
4 Kanefa ny zanakalahin'ireo mpamono an'i Joasy dia tsy mba novonoin'i Amatsia ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny Lalana, dia ny bokin'i Mosesy; ao manko no nandidian'ny TOMPO hoe: "Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin'ny ataon-janany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon-dray aman-dreniny; fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona."
5 Dia novorin'i Amatsia ny vatan-dehilahy tao amin'ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona noho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.
6 Teo koa ny lehilahy maherifo israelita nisy antokony zato nokaramain'ity mpanjaka volafotsy telo taonina.
7 Kanefa nisy lehilahy olon'Andriamanitra tonga tao amin'i Amatsia ka nanao hoe:-Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin'ireo rehetra taranak'i Efraima ireo ny TOMPO.
8 Fa raha miara-manainga aminy ihany ianao, na dia hahery mikatroka an'ady toy inona aza , dia hataon'Andriamanitra lavo eo anoloan'ny fahavalonao; Andriamanitra manko no hany mahay mampandresy na mampahalavo.
9 Hoy kosa i Amatsia tamin'ilay olon'Andriamanitra:-Ka hatao ahoana ny amin'ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe:-Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10 Ary navahan'i Amatsia ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin'ny fanjakan'i Joda.
11 Nanana herimpo i Amatsia, ka nitarika ny tafiny hankao amin'ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty antokony folo tamin'ny Edomita taranak'i Sehira.
12 Ary ny antokony folo sisa kosa dia nataon'ny Jodeanina sambo-belona, dia nentiny teo antampon'ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13 Fa ny miaramila efraimita, izay nalefan'i Amatsia hody mba tsy hiara-miantafika aminy, dia niriotra namely ireo tanana jodeanina nanomboka teo Migrona ka nipaka hatrany Bety-Horona ary nahafaty olona telo arivo sady nitondra babo betsaka.
14 Nony niverina avy nanafika ny Edomita i Amatsia, dia nitondra ny sarivongan'ny andriamanitr'ireo taranak'i Sehira ireo ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy hitsaoka azy sady nanolotra sorona taminy.
15 Dia nirehi-pahatezerana tamin'i Amatsia ny TOMPO,ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe:-Nahoana ianao no mivavaka amin'ny andriamanitr'ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao akory aza?
16 Fa rehefa nitenenan'ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe:-Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka? Aoka itsy, fandrao asian'ny olona eo ianao!Dia niato kely ilay mpaminany, vaonanohy hoe:-Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao katsy nihaino ny anatro.
17 Hevitra hafa no niandanian'i Amatsia mpanjakan'i Joda; ka tamin'izay izy dia nandefa iraka tamin'i Joasy, zanakalahin'i Joahaza sy zafin'i Jeho sady mpanjakan'i Israely mba hilaza aminy hoe: "Avia hifanandrina an'ady isika!"
18 Fa i Joasy mpanjakan'i Israely dia nandefa iraka tany amin'i Amatsia mpanjakan'i Joda hamaly azy hoe: "Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin'ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanakolahy ny zanakao vavy.' Kanjo nisy bibidian'i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
19 Lazainao, ry Amatsia, fa nandresy ny Edomita ianao, ka dia nasesiky ny fonao hirehareha; mitoera ihany re ao an-tranonao, fa nahoana ianao no hanomboka ady handoza anao sady hahalavo ny tenanao mbamin'ny tafik'i Joda?"
20 Kanefa tsy nanaiky i Amatsia; avy tamin'Andriamanitra rahateo izany, satria tiany hatolotra eo an-tanan'ny fahavalo i Amatsia sy ny tafiny noho ireo nivavaka tamin'ny andriamanitry ny Edomita.
21 Dia niakatra hiady i Joasy mpanjakan'i Israely avaratra; ka ny tafiny sy ny an'i Amatsia mpanjakan'i Joda dia nifanandrina tao Bety-Semesy tananan'i Joda.
22 Resy teo anoloan'ny tafik'i Israely ny tafik'i Joda; ka samy nandositra ho any an-tranony avy ny miaramila jodeanina.
23 Tao Bety-Semesy no voasambotr'i Joasy mpanjakan'i Israely i Amatsia, zanakalahin'i Joasy sy zafin'i Ahazia sady mpanjakan'i Joda, ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy roanjato metatra ny mandan'i Jerosalema hatreo amin'ny vavahadin'i Efraima ka hatrany amin'ny vavahady anjorony.
24 Dia nalain'i Joasy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon'Andriamanitra sady teo ambany fiambenan'i Hobeda-Edoma na izay hitatao amin'ny raki-tsoan'ny lapan'ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy hatao takalon'aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.
25 Taorian'ny nahafatesan'i Joasy zanakalahin'i Joahaza sady mpanjakan'i Israely, dia mbola naharitra 15 taona i Amatsia zanakalahin'i Joasy sady mpanjakan'i Joda.
26 Ny sisa amin'ny tantaran'i Amatsia, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy i Israely.
27 Nanomboka tamin'ny andro nihatahan'i Amatsia tsy hanaraka ny TOMPO, dia nisy olona nikomy tamin'ity mpanjaka tao Jerosalema, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy ; fa nampanaraka azy ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
28 Dia nampodina an-kalesy tarihin-tsoavaly ny fatiny, ka nalevina am-pasan-drazany tao an-drenivohitr'i Joda.