2 Tantara

Toko faha-33

1 Feno 12 taona i Manase fony tonga mpanjaka; ary naharitra 55 taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy ka naka tahaka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon'ireo firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

3 Naorin'i Manase indray manko ny toeram-panasinana izay efa noravan'i Hezekia rainy ka nananganany alitara ho an'ireo Bahala sady nanaovany tsatokazo fanajana an'ireo Asera;dia niankohofany sy nanaovany fanompoam-pivavahana koa ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka.

4 Ary nanorenany alitara hafa aza tao an-tranon'ny TOMPO, dia tao amin'ilay nolazain'ny TOMPO hoe: "Ao Jerosalema no hitoetra mandrakizay ny voninahitro."

5 Tao anatin'ny kianja roa amin'ny tranon'ny TOMPO tokoa no nanorenany alitara hafa ho fanajana ireo planeta aman-kintana eny ana habakabaka;

6 ary naireo zanany lahy aza dia natolony ho sorona dorana teo an-dohasahan'i Bena-Hinoma. Ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy sy nanao ody mahery izy, ary naka hevitra tamin'ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana. Dia nahery nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.

7 Izay sarin-tsampy voasokitra nampanamboarin'i Manase dia napetrany tao an-tranon'Andriamanitra, izay efa nolazain'Andriamanitra tamin'i Davida sy i Salomona zanany hoe: "Ato amin'ity trano ity sy eto Jerosalema izay nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra no hampitoerako mandrakizay ny voninahitro.

8 Koa tsy hampirenireny ny Israelita hiala amin'ny tany izay efa notendreko ho an'ny razany Aho, raha imasoany hotandremana izay rehetra nandidiako azy, izany hoe ny lalana manontolo sy ny baiko ary ny fitsipika nampitaiko tamin'ny alalan'i Mosesy."

9 Kanjo nampivaona ny mponin'i Jerosalema sy ny Jodeanina i Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.

10 Niteny tamin'i Manase sy ny vahoakany ny TOMPO, nefa tsy noraharahainy akory.

11 Dia nasain'ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan'i Asiria; ary nosamborin'ireo i Manase ka nasiany masomby sady nogadrany rojohalimo ary nentiny nankany Babilona.

12 Rehefa nianjadiam-pahoriana mafy izy, vao nitaraina tamin'ny TOMPO Andriamaniny sady niaiky heloka teo anatrehan'ilay Andriamanitry ny razany

13 ka nifona taminy. Dia nandeferan'ny TOMPO izy sy nohenoiny vavaka ary nampodiny ho any Jerosalema hanohy ny maha mpanjaka azy. Tamin'izay no nieken'i Manase fa ny TOMPO no hany Andriamanitra.

14 Taorian'izany i Manase dia nanao manda teo ivelan'ny Tananan'i Davida, dia teo andrefan'ny loharanon'i Gihona.Nitandavana nanaraka ny lohasahan-driaka izany manda izany ka tafapaka hatrany amin'ny Vavahadin'ny Hazandrano rehefa nanodidina an'i Hofela ; avo dia avo no nanaovany azy. Ary nanendreny komandin'ny miaramila ireo tanana; mimanda rehetra tao Joda.

15 Dia nesoriny avy ny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon'ny TOMPO; ary nariany teny ivelan'ny tanana ny alitara rehetra izay naoriny teo an-tendrombohitra misy ny tranon'ny TOMPO sy tao Jerosalema.

16 Naveriny amin'ny laoniny indray ny alitaran'ny TOMPO ka nanolorany sorom-pihavanana sy sorom-pisaorana teo amboniny; ary nodidiany hanompo ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ny Jodeanina.

17 Mbola nanao sorona teny amin'ny toeram-pisoronana hafa ny olona, saingy ho an'ny TOMPO Andriamaniny ihany no nanolorany izany.

18 Ny sisa amin'ny tantaran'i Manase, indrindra ny vavaka nataony tamin'Andriamaniny sy ny tenin'ireo mpahita izay niteny azy tamin'ny anaran'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, dia voarakitra ao amin'ny Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

19 Ny vavaka nataon'i Manase sy ny nileferan'Andriamanitra taminy ary ny antsipirian'ny fahotana amam-pahadisoana rehetra vitany mbamin'ny faritra nanorenany toeram-panasinana sy nasiany tsatokazo fanajana an'i Asera ary nananganany sarivongan-tsampy fony izy tsy mbola niaiky heloka, dia voasoratra ao amin'ny Asan'i Hozay.

20 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa i Manase, dia nalevina tao amin'ny sahany. Ary i Amona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

21 Feno 22 taona i Amona fony tonga mpanjaka; ary naharitra roa taona no nanjakany tao Jerosalema.

22 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy tahaka an'i Manase rainy. Fa ny sarivongan-tsampy rehetra nataon'i Manase rainy dia nanoloran'i Amona sorona sy nanaovany fanompoam-pivavahana;

23 kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan'ny TOMPO tahaka ny nataon'i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.

24 Nikomy tamin'i Amona ireo manamboninahiny ka namono azy ho faty tao an-dapany.

25 Fa mba nataon'ny mponin'i Joda maty kosa izay rehetra nikomy tamin'i Amona mpanjaka; ka dia i Josia zanany lahy no voatendriny ho mpanjaka handimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0842