2 Tantara

Toko faha-14

1 Nandritra ny andro nanjakan'i Asa, dia nandry folo taona ny tany. Nanao izay tsara sy mahitsy eo imason'ny TOMPO Andriamaniny i Asa,

2 fa noravany ny alitara aman-toeram-panasinan'ireo firenena vahiny, notorotoroiny ny tsangambaton-tsampy ary nokapainy ny tsatokazo fanajana an'i Asera.

3 Nomeny baiko ny Jodeanina hitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany sy hankato ny lalanany sy ny didiny.

4 Noravan'i Asa ny toeram-panasinana sy ny alitara fandoroana vovo-javamanitra teny amin'ny tanana rehetra manerana an'i Joda; ka nandry feizay ny fanjakana nandritra ny fitondrany.

5 Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy nia-dy tamin'i Asa nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanana maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany

6 sady niteny tamin'ny Jodeanina hoe:-Ndeha ho hamafisintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin'ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin'ny Jodeanina ireo tanana ireo ka tontosa tsara.

7 Ary nanan-tafika i Asa, dia miaramila jodeanina nisy antokony telonjato samy mpirongo ampinga lehibe sy lefona ary koa miaramila benjaminita nisy antokony 280 samy mpirongo ampinga maivana sy tsipika;ireo rehetra ireo dia vantan-dehilahy maherifo avokoa.

8 Ary i Zera, ilay Etiopianina,dia niainga hiady tamin'izany tafika izany sady nitondra miaramila nisy antokony arivo sy kalesy telonjato, ka tonga tao Maresa.

9 Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asa; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefata akaikin'i Maresa izy roa tonta.

10 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamaniny i Asa ka nanao hoe:-TOMPO o, tsy misy afa-tsy Ianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian'ny matanjaka izy; ka vonjeo izahay, ry TOMPO Andriamanitray o, fa Ianao no iankinanay ary ny anaranao no irosoanay hiady amin'ity tafika goavana ity. TOMPO o, Ianao no Andriamanitray, ka aza avela hisy olombelona haharesy Anao.

11 Dia noresen'ny TOMPO teo anoloan'i Asa sy ny miaramila jodeanina ireo Etiopianina ka nandositra

12 ary nenjehin'i Asa sy ny tafiny hatrany Gerara. Ary nahafatesana be tokoa ny Etiopianina sady tsy nisy afa-nitsoaka akory aza, satria montsana teo anoloan'ny TOMPO sy ny tafika nombany. Babo betsaka no azon'ny Jodeanina tamin'izay.

13 Nasian'ny tafik'i Asa koa ny tanana rehetra manodidina an'i Gerara, satria nataon'ny TOMPO voagejan'ny horohoro ireo; dia norobain'ny tafik'i Asa avokoa ny tanana, ka nahazoany babo betsaka.

14 Nasiany koa ny vala fitobian'ny biby fiompy, ka namaboany ondry aman'osy marobe sy rameva. Avy eo dia niverina ho any Jerosalema i Asa sy ny tafiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057