2 Tantara

Toko faha-34

1 Feno valo taona i Josia fony tonga mpanjaka; ary naharitra 31 taona no nanjakany tao Jerosalema.

2 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Josia; ka narahiny ny toetran'i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin'izany izy.

3 Tamin'ny taona fahavalo nanjakany, fony i Josia mbola zatovolahy, no nanombohany nitady an'ilay Andriamanitr'i Davida razambeny; ary efatra taona taorian'izany kosa no nanombohany nanadio ny fanjakan'i Joda sy ny tananan'i Jerosalema mba tsy hisy toeram-panasinana na tsatokazo fanajana an'i Asera, ary tsy hisy sarin-tsampy voasokitra na mivongana intsony.

4 Noravana teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo andriamanitra Bahala; nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra teo amboniny; novakivakiny ny tsatokazo fanajana an'i Asera mbamin'ireo sarin-tsampy voasokitra na mivongana ; ary notorotoroiny ho lasan-ko vovoka izany rehetra izany ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa nanolotra sorona tamin'ireny andriamani-tsiizy ireny.

5 Nisy aza taolan'ny mpisorona amin'ny sampy mihitsy no naroso hodorana teo amin'ny alitara fisoronany. Dia toy izany no nanadiovan'i Josia ny fanjakan'i Joda sy ny tananan'i Jerosalema.

6 Tany amin'ny tanana manasita sy efraimita ary simehonita ka hatrany amin'ny tanana naftalita mbamin'ny faritra manodidina azy avy

7 dia noravan'i Josia koa ny alitara; nokapakapainy ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary ny sarin-tsampy voasokitra mba hotorotoroina ho lasan-ko vovoka. Nazerany ny fandoroana vovo-javamanitra eran'ny tanin'i Israely manontolo; izay vaoniverina ho any Jerosalema izy.

8 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Josia, iny izy mbola manadio ny tany sy ny tempoly iny, dia i Safana zanakalahin'i Atsalia ary koa i Mahaseia komandin'ny tanana sy i Joa zanakalahin'i Joahaza sady mpitondratenin'ny mpanjaka no nirahiny mba hamboatra ny tranon'ny TOMPO Andriamaniny.

9 Dia nankany amin'i Hilkiampisorombe izy telo lahy ary nanome azy ny vola naterin'ny olona tao an-tranon'Andriamanitra; io vola io dia ny levita mpiandry varavarana no nanangona azy tamin'ny Manasita sy ny Efraimita mbamin'ny Israelita tavaratra sisa rehetra, ary koa tamin'ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra mbamin'ny mponin'i Jerosalema.

10 Natolotr'izy telo lahy teo am-pelatanan'ny mpianto-draharaha voatendry hiandraikitra ny tranon'ny TOMPO izany vola izany, ary nampiasain'ireo tamin'ny asa fanamboarana sy fanamafisana io trano io;

11 dia nanomezany karama ny mpandrafitra sy mpandatsa-bato izany sy nividianany vato voapaika nahazo sakamandimby sady nanatevenanany efitrano izay navelan'ireo mpanjakan'i Joda hihasimba.

12 Nahatoky tokoa ny fomba fiasan'ny olona, teo ambany fifehezan'ireto levita ireto: dia i Jahata sy i Hoba dia tamin'ny taranak'i Merary, ary koa i Zakaria sy i Mesolama tamin'ny taranak'i Kehata. Nisy levita hafa, izay samy mpiangaly zava-maneno avokoa,

13 ka natao tonian'ny mpitondra entana sy mpibaiko ny mpiasa rehetra araka ny anton-draharahany avy; ary tamin'ny levita koa dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.

14 Tamin'iny famoahana ny vola naterina tao an-tranon'ny tompoiny, no hitan'i Hilkia mpisorona ny Bokin'ny Lalanan'ny TOMPO , izay nampitaina tamin'ny alalan'i Mosesy.

15 I Safana mpanoratra no nitenenan'i Hilkia ka nilazany fa ny Bokin'ny Lalana dia hitany tao an-tranon'ny TOMPO. Dia natolotr'i Hilkia an'i Safana ny boky;

16 i Safana kosa nitondra izany ho any amin'ny mpanjaka sady nanao tatitra taminy nilaza hoe:-Ireo mpanomponao dia eo am-panatontosana ny andraikitra rehetra nasainao nosahaniny.

17 Efa voaangon'ireo mpisorona ny vola izay azo tao an-tranon'ny TOMPO ka natolony teo am-pelatanan'ny mpianto-draharaha sy teo am-pelatanan'ny mpiasa.

18 Dia nilazan'i Safana koa ny mpanjaka hoe:-Misy boky nomen'i Hilkia mpisorombe ahy ity!Ary novakiny teo anatrehan'ny mpanjaka izany.

19 Nony ren'i Josia mpanjaka ny teny tao amin'ny Lalana, dia nandriatra fitafiana izy;

20 ary nomeny baiko i Hilkia, sy i Ahikama zanakalahin'i Safana, ary i Habdona zanakalahin'i Mika mbamin'i Safana mpitantsoratra sy i Hasaia mpandraharahany ka nilazany hoe:

21 Ndeha anontanio ny TOMPO ho ahy sy ho an'ny olona sisa tavela eto Israely sy Jodany amin'ny teny raketin'io boky vao hita io. Ireo razantsika manko tsy nitandrina ny tenin'ny TOMPO sady tsy nanao araka izay rehetra voasoratra anatin'io boky io, hany ka mafy ny fahatezerana atosakin'ny TOMPO amintsika.

22 Dia nankany amin'i Holda mpaminanivavy i Hilkia sy ireo olon-kafa voatendrin'ny mpanjaka. I Holda, izay nonina tao Antanambaon'i Jerosalema, dia vadin'i Saloma zanakalahin'i Tokehata sy zafikelin'i Hasra sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkia,

23 dia nasainy miteny amin'ny mpaniraka azy hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely:

24 Indro Aho hahatonga loza amin'ity tanana ity sy ny mponiny, dia ny ozona rehetra voasoratra ao anatin'ilay boky izay novakina teo anatrehan'ny mpanjakan'i Joda.

25 Efa nandao Ahy manko ny mponin'i Jerosalema sady nampanetona sorona ho an'ny andriamani-kafa, ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampy rehetra nataon'ny tanany. Izany no hitosahan' ny fahatezerako amin'ity tanana ity ka tsy mbola hitoniany.

26 Fa ny mpanjakan'i Joda, izay nanira ka anareo hanontany Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr'i Israely dia milaza izao:

27 Ny amin'ny teny izay efa renao, dia nino anatra ianao ka niaiky heloka teo anatrehako, rehefa nihaino ny teniko ny amin'ity tanana ity sy ny mponiny. Ary satria niaiky heloka teo anatrehako ianao ka nandriatra fitafiana sady nitomany, dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

28 Indro hangoniko any amin'ny razanao ianao ary ho voapetraka am-pasanao hombam-piadanana, ka tsy mba hahita maso ny loza rehetra hamelezako ity tanana ity sy ny mponiny."
Dia nitondra izany valinteny izany ho an'ny mpanjaka i Hilkia sy ireo namany.

29 Ary nandefa iraka i Josia hanainga tsy an-kanavaka ny loholon'i Joda sy i Jerosalema mba ho vory.

30 Dia niaraka nankao an-tranon'ny TOMPO ireo mbamin'ny lehilahy rehetra sy ny mponina rehetra tao Jerosalema, izany hoe ny mpisorona sy ny levita ary ny sarambabem-bahoaka rehetra na kely na lehibe. Novakin'i Josia teo anatrehan'ny besinimaro ny teny rehetra tao anatin'ny bokin'ny fanekem-pihavanana, dia ilay boky izay hita tao an-tranon'ny TOMPO.

31 Ary nitsangana teo ambonin'ny lampihazo voatokana ho azy ny mpanjaka, dia nanavao fanekem-pihavanana teo anatrehan'ny TOMPO mba hanarahan'ny tsirairay ny TOMPO sy hitandrina ny didiny sy ny fepetrany ary ny lalanany amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo, ka hampiharany ny tenin'ny fanekem-pihavanana izay voasoratra ao amin'io boky io.

32 Avy eo dia nasainy nanome toky ny olona rehetra izay tao Jerosalema mbamin'ny Benjaminita. Izany no nahatonga ny mponin'i Jerosalema hitondra tena araka ny fanekem-pihavanana nataon'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitry ny razany.

33 Taorian'izay dia nofoanan'i Josia avokoa ny fombam-tsampy maharikoriko tamin'ny tany manontolo izay an'ny Israelita sady notereny ny mponina rehetra teo amin'i Israely mba hanompo ny TOMPO Andriamaniny.Tamin'ny andro rehetra niainan'i Josia dia tsy mba nialan'ny olona ilay TOMPO Andriamanitry ny razany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0575