2 Tantara
Toko faha-36
1 Nalain'ny mponin'i Joda kosa i Joahaza zanakalahin'i Josia ka nataony mpanjaka tao Jerosalema handimby an-drainy.2 Feno 23 taona i Joahaza fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema.
3 Teo koa izy no nesorin'i Nekao, mpanjakan'i Ejipta; ary nampandoavin'io Farao io sazy volafotsy sy volamena samy telo taonina ny fanjakan'i Joda.
4 Dia i Eliakima rahalahin'i Joahaza no nataony mpanjaka tamin'i Joda sy i Jerosalema, ary novany anarana hoe Joiakima; fa i Joahaza rahalahiny kosa nalain'i Nekao ka nentiny ho any Ejipta.
5 Feno 25 taona i Joiakima fony tonga mpanjaka; ary naharitra 11 taona no nanjakany tao Jerosalema. Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO Andriamaniny izy.
6 Ary i Nebokadnetsara, mpanjakan'i Babilona, no niakatra namely azy ka namatotra azy tamin'ny gadra varahina mba hitondrany azy ho any Babilona.
7 Ny fanaka sasany tao an-tranon'ny TOMPO dia nentin'i Nebokadnetsara ho any Babilona koa ka nataony tao amin'ny lapany tany Babilona.
8 Ny sisa amin'ny tantaran'i Joiakima ary koa ny fanompoam-tsampy maharikoriko nataony sy ny zavatra hafa rehetra nanjo azy dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Israely sy i Joda. Ary i Joiakina zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
9 Feno 18 taona i Joiakina, fony tonga mpanjaka; ary telo volana sy folo andro ihany no nanjakany tao Jerosalema, sady nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy.
10 Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an'i Joiakina mbamin'ny fanaka sarobidy tao an-tranon'ny TOMPO ho any Babilona ;dia i Tsedekia rahalahin-drain'i Joiakina no nampanjakain'i Nebokadnetsara tamin'i Joda sy i Jerosalema.
11 Feno 21 taona i Tsedekia fony tonga mpanjaka; ary naharitra iraika ambin'ny folo taona no nanjakany tao Jerosalema.
12 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO Andriamaniny izy, ary tsy mba niaiky heloka teo anatrehan'i Jeremia mpaminany, izay nilaza hafatra avy amin'ny TOMPO.
13 Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin'Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.
14 Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholom-bahoaka rehetra koa dia naniratsira an'Andriamanitra araka ny fanompoan-tsampy maharikoriko fanaon'ny hafa firenena, ka nandoto ny tempoly izay efa natokan'ny TOMPO ho Azy tao Jerosalema.
15 Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin'ny olony.
16 Saingy nihomehezan'ny vahoaka ireo irak'Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny;noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran'ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
17 Ny mpanjakan'ny Babilonianina no nentin'ny TOMPO namely ny vahoakany sy namono nahafaty ny miaramilany tamin'ny sabatra hatrany an-tempoliny mihitsy aza, ka tsy nisy olona nangorahan'io mpanjaka io, na tovolahy na tovovavy na ny olon-dehibe na ny antitra;eny, natolotr'Andriamanitra teo an-tanan'i Nebokadnetsara avokoa ny zava-drehetra.
18 Nalain'io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon'Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin'ny zava-tsarobidy tao an-tranon'ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin'ny mpanjaka sy ireo manampahefana;ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilona.
19 Nodoran'ny Babilonianina koa ny tranon'Andriamanitra, ary noravany ny mandan'i Jerosalema; notselarany afo ny lapa rehetra ary nosimbany ny fanaka sarobidy isan-karazany taoan-tanana.
20 Ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentin'i Nebokadnetsara ho babo tany Babilona, ka tonga nanompo azy sy ny zanany ireny mandra-piavin'ny fanjakan'i Persia.
21 Izany no nahatanterahan'ny teny nampilazain'ny TOMPO an'i Jeremia hoe:"Ity tany ity dia hilaozana mandritra ny fitopolo taona, mandra-pahatapitra ny fe-potoana tokony hitsaharany mba ho onitry ny andro fitsaharana rehetra izay tsy voatandrina."
22 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Kirosa, amperoran'i Persia, no tanteraka ny teny nampilazain'ny TOMPO an'i Jeremia mpaminany. Nanaitra fanahy an'i Kirosa manko tamin'izay ny TOMPO, ka nahatonga azy hampiely an-kabary sy an-tsoratra eran'ny fanjakany manontolo ireto hafatra ireto:
23 Izao no lazain'i Kirosa amperoran'i Persia: Ny TOMPO Andriamanitryny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin'ny tanin'i Joda. Koa aoka ianareo rehetra izay anisan'ny vahoakan'ny TOMPO mba hiakatra any Jerosalema! Hiaraka aminareo anie ilay TOMPO Andriamanitrareo!