2 Tantara
Toko faha-28
1 Feno roapolo taona i Ahaza fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Tsy mba nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO tahaka an'i Davida razambeny izy,2 fa nitondra tena tahaka ny mpanjakan'i Israely avaratra. Nanao sarivongan-tsampy ho fanajana an'ireo Bahala mihitsy aza i Ahaza.
3 Nandoro vovo-javamanitra tao amin'ny lohasahan'i Bena-Hinoma koa izy, ary nanolotra ny zanany ho sorona dorana tamin'ny afo , araka ny fomba maharikoriko fanaon'ny hafa firenena izay noroahin'ny TOMPO teo anoloan'ny Israelita.
4 Nanao sorona biby izy sy nandoro azy hanetona teny amin'ny toeram-panasinana ary koa teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo maitso midoroboka rehetra teny.
5 Koa dia natolotry ny TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan'ny mpanjaka sirianina i Ahaza; nandresy azy ny mpanjaka sirianina ary nitondra olona sambo-belona betsaka nankany Damasy. Ny tenan'i Ahaza koa dia natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'i Peka zanakalahin'i Remalia sady mpanjakan'i Israely , izay namely mafy ka naharesy azy.
6 Indray andro monja i Peka dia nampamono ho faty vondro-miaramila jodeanina 120, noho ny nandaozan'ireo ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
7 Ary i Zikry, lehilahy maherifo tamin'ny Efraimita, no namono nahafaty an'i Mahaseia zanakalahin'i Ahaza mpanjaka sy namono nahafaty an'i Hazrika mampifehy ny tao an-dapa ary namono nahafaty an'i Elkana izay mpiara-miasa akaiky indrindra tamin'ny mpanjaka.
8 Dia nahazo olona sambo-belona andriany 200 tamin'ireo havany tatsimo ny Israelita, dia zaza amam-behivavy; nahazo babo betsaka taminy koa izy, ka nitondra ireny tany Samaria.
9 Nisy mpaminanin'ny TOMPO tao Samaria, ary Hobeda no anarany. Niainga hitsena ny miaramila israelita tavaratra izay niditra ny tanana izy, ka nanao taminy hoe:-Indro fa tezitra mafy tamin'ny Jodeanina tokoa ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ka nanolotra azy ho eo an-tananareo.Kanefa nisafoaka diso tafahoatra ianareo fony namono nahafaty azy, hany ka nanaka-danitra ny akon'izany.
10 Ankehitriny ny terak'i Joda sy i Jerosalema, na lahy na vavy, dia kasainareo handevozina; ka tonga manan-keloka amin'ny TOMPO Andriamanitrareo koa ianareo!
11 Henoy ary aho: Alefaso ny olona sambo-belona izay nentinareo avy tamin'ny Jodeanina havanareo, satria irehetan'ny fahatezeran'ny TOMPO ianareo.
12 Nitsangana tamin'izay ny lehibeny sasany anisan'ny loholona efraimita, dia i Hazaria zanakalahin'i Johanana, i Berekia zanakalahin'i Mesilemota, i Hezekia zanakalahin'i Saloma, ary i Hamasa zanakalahin'i Hadlay. Notoherin'izy efa-dahy ny miaramila izay avy niantafika
13 sady nilazany hoe:-Aza ampidirinareo aty ireo olona sambo-belona ireo, fa tonga hanan-keloka amin'ny TOMPO isika. Mbola kasainareo hampiana ihany ve ny fahotana amam-pahadisoantsika, na dia efa mavesatra tokoa aza izany ary na dia efa mirehi-pahatezerana amintsika Israelita tavaratra aza Andriamanitra?
14 Teo anatrehan'ny manampahefana sy ny vahoaka rehetra tafangona teo no nalefan'ireo miaramila ny sambo-belona sy babo azony.
15 Ary olona voatonona anarana manokana no nitsangana nampahery ny sambo-belona: tamin'ny zavatra voababo ihany no nampiakanjoiny izay rehetra tsy nitafy na koa nanomezany azy kapa; notolorany sakafo sy zava-pisotro ny besinimaro, nohosorany diloilo ny nangotsokotsoka, nampitaingeniny boriky izay rehetra nandringa; dia izy sambo-belona mianakavy no nentiny tany Jerikao, tanana mpamokatra rofia, ho any amin'ny mpiray foko aminy. Avy eo vao niverina nody tany Samaria ireo mpanatitra.
16 Tamin'izany andro izany i Ahaza mpanjaka no nandefa iraka ho any amin'ny mpanjakan'i Asiria mba hangataka ny any hanampy azy.
17 Tonga indray manko ny Edomita namely ny Jodeanina sy nitondrasambo-belona.
18 Ary ny Filistinina koa nanafika ny tanana tao Sefela sy tao Negeba izay anisan'ny fanjakan'i Joda, dia nahazoan'i Bety-Semesy sy i Aialona ary i Gederotambamin'i Sokao sy i Timna ary i Gimzao miaraka amin'ny tanana kely manodidina azy avy; ka nonenan'ny Filistinina ireny.
19 Nampietren'ny TOMPO toy izany ny fanjakan'i Joda noho i Ahaza mpanjakany efa nitaona ny Jodeanina hiala amin'ny TOMPO sy hanimbazimba Azy.
20 Dia tonga i Tiglato-Pilesera mpanjakan'i Asiria kanefa nanao fahirano an'i Ahaza fa tsy nanampy azy akory.
21 Efa nakan'i Ahaza ampahany aza ny zavatra tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapany ary tao an-tranon'ny manampahefana, ka efa nomeny ny mpanjakan'i Asiria; saingy tsy nahazoany tombontsoa akory izany.
22 Tamin'ny andro nanaovana fahirano azy, dia mbola nanao izay nahadiso amin'ny TOMPO ihany io Ahaza mpanjaka io.
23 Fa ireo andriamanitr'i Damasy, izay andriamanitra nandresy an'i Ahaza, no nanolorany sorona satria hoy izy anakampony hoe: "Nanampy ny mpanjakan'i Siria ireo andriamanitra ireo, ka dia hanolorako sorona koa mba hanampiany ahy." Kanjo tonga fandravana an'i Ahaza sy ny vahoakany rehetra ireo.
24 Nangonin'i Ahaza ny fanaky ny tranon'Andriamanitra ka nomontsamontsaniny; ary nohidiany avy ny varavaran'ny tranon'ny TOMPO. Dia nanaovany alitara teny amin'ny fihaonan-dalana rehetra tao Jerosalema ;
25 ary isan-tananan'ny fanjakan'i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an'ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
26 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahaza sy ny zavatra nataony, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy i Israely.
27 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany kosa i Ahaza , dia nalevina tao an-tanana Jerosalema; saingy tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka no nampidirana azy. Ary i Hezekia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.