2 Tantara
Toko faha-8
1 Nony afaka ny roapolo taona nanorenan'i Salomona ny tranon'ny TOMPO sy ny lapa ho an'ny tenany,2 dia namboariny ny tanana izay nomen'i Hirama azy ka namponenany ny Israelita.
3 Dia nanafika an'i Hamata-Tsoba i Salomona ka naharesy azy.
4 Namboariny ny tananan'i Tadmora tany an-taniefitra sy ny tanana izay efa naoriny fahiny tao amin'ny faritr'i Hamata mba ho fitahirizam-bokatra.
5 Namboariny koa i Bety-Horona ambony sy i Bety-Horona ambany , izay samy tanana mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;
6 toraka izany ihany koa i Bahalato sy ny tanana rehetra fitahirizam-bokatrana fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangan'i Salomona avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny.
7 Mbola nisy sisa tavela teo amin'ny tany ireo antokon'olona isan-karazany, dia ny Hetita sy Amorita mbamin'ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan'ny Israelita.
8 Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak'ireo fa tsy naringan'ny Israelita, ka dia nampanaovin'i Salomona asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
9 Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin'i Salomona izany, fa narotsany ho miaramilana ho manamboninahitra na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.
10 Ary ny isan'ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin'i Salomona dia nisy 250 lahy izay nanam-pahefana tamin'ny olona mpiasa.
11 Nasain'i Salomona niakatra avy any an-tananan'i Davida ho ao amin'ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin'ny Farao;fa hoy i Salomona anakampony hoe:"Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan'i Davida mpanjakan'i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran'ny Vatamasin'ny TOMPO."
12 Tamin'izay i Salomona dia nanolotra sorona dorana manontolo ho an'ny TOMPO teo ambonin'ny alitara izay naoriny ho Azy teo anoloan'ny vavahadin'ny Toeramasina.
13 Araka ny didin'i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan'andro i Salomona tamin'ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany ho eny fety fihinanana mofo tsy misy leviora,ny fetin'ny Pentekosta ary ny fetin'ny Trano tomboka.
14 Araka ny fandaharan'i Davida rainy, dia notendren'i Salomona ny antokon'ny mpisorona ho amin'ny fanompoany avy ary ny levita ho amin'ny raharahany, dia ny hidera ny TOMPO sy hanampy ny mpisorona amin'ny fanompoam-pivavahana fanao isan'andro; notendreny koa ny mpiandry varavarana, araka ny antokony amin'ny isam-bavahady. Izany rahateo no nandidian'i Davida olon'Andriamanitra azy.
15 Ary tsy nialan'ireo ny didin'i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin'inona na amin'inona, indrindra fa ny amin'ny fitahirizan-drakitra.
16 Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain'i Salomona, hatramin'ny andro nanorenana ny tranon'ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon'ny TOMPO.
17 Tamin'izay i Salomona dia nankany Hetsiony-Gebera sy Elota eo amoron'ny Ranomasin'ny Volotara any amin'ny tany Edoma.
18 Dia nandefa sambo sy matilo mahay ranomasina i Hirama, tamin'ny alalan'ireo tandapany; ary nandeha niaraka tamin'ny tantsambon'i Salomona ho any Ofira ireo , ka nahazo volamena 13 taonina mahery ary nitondra izany ho an'i Salomona mpanjaka.