2 Tantara

Toko faha-13

1 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jerobohama no tonga mpanjakan'i Joda i Abia;

2 ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela avy any Gibeha. Niady i Abia sy i Jerobohama.

3 Ary i Abia no nanomboka izany ka nitondra miaramila maherifo, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany efajato. I Jerobohama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia vatan-dehilahy voafantina nisy andiany valonjato sady samy maherifo avokoa.

4 Teo an-tampon'i Tsemaraima , tendrombohitr'i Efraima, no nijoro i Abia ka niteny hoe:"Henoy aho, ry Jerobohama sy ry Israelita rehetra!

5 Tsy tokony ho fantatrareo ve fa ny TOMPO Andriamanitr'i Israely efa nanome mandrakizay ny fanjakan'i Israely ho an'i Davida sy ny taranany? Eny, nataony fanekena tsy azo foanana izany.

6 Nefa kosa nitsangana i Jerobohama, zanakalahin'i Nebata sady mpanompon'i Salomona zanakalahin'i Davida, ka nikomy tamin'ny tompony.

7 Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin'i Jerobohama ka nampidrikina azy tamin'i Rehabohama zanakalahin'i Salomona; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin'izay ka tsy nahatohitra azy.

8 Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan'ny taranak'i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon'i Jerobohama ho andriamanitrareo.

9 Noroahinareo ny tena mpisoron'ny TOMPO, dia ny taranak'i Aharona ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon'ny firenena any amin'ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron'ireny andriamani-tsi izy ireny.

10 Fa ny aminay kosa, dia ny TOMPO no Andriamanitray, ka tsy mba nandao Azy izahay. Ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'ny TOMPO dia ny taranak'i Aharona; ary ny levita koa manana ny anjara raharahany.

11 Isa-maraina sy isan-kariva ireo no mampanetona ny sorona dorana manontolo sy ny vovo-javamanitra ho an'ny TOMPO na koa mandahatra eo amin'ny latabatra madio ny mofo atolotra ho an'Andriamanitra; ary isan-kariva ireo no mampirehitra ny jiro eo amin'ny fitoeran-jiro volamena. Izahay manko mitandrina izay nasain'ny TOMPO Andriamanitray ho tandremana; fa ianareo kosa nandao Azy.

12 Indro miaraka aminay Andriamanitra mba ho mpitarika anay; ary indreo ny mpisorony vonona hitsoka ny trompetra avo faneno mba hanaingana hamely anareo. Koa aza miady amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ry Israelita tavaratra, satria tsy hahomby ange ianareo!"

13 Fa nasain'i Jerobohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan'ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony.

14 Rehefa nijery manodidina azy ny Jodeanina, dia indreo teo anoloany sy teo ivohony ny fahavalo; ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy. Vao nitsoka trompetra ny mpisorona,

15 dia nanao akoran'ady ny miaramila jodeanina; koa tamin'izay no namelezan'Andriamanitra an'i Jerobohama sy ny Israelita tavaratra rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Jodeanina.

16 Nandositra teo anoloan'ireto Jodeanina ny Israelita ka natolotr'Andriamanitra ho eo ambany fifehezany.

17 Fa haresena goavana no namaizan'i Abia sy ny tafiny azy, ka nataony niampatrampatra ny fatin'ireo miaramila israelita voafantina nisy andiany dimanjato.

18 Tamin'izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

19 Nanenjika an'i Jerobohama i Abia ka nisy azony ny tananany, dia i Betela sy i Jesana ary i Hefrona mbamin'ireo tanana madinika manodidina azy avy.

20 Tamin'ny andron'i Abia, dia tsy nanan-kery intsony i Jerobohama; ary namely azy ny TOMPO, ka maty izy.

21 I Abia kosa nitombo fahefana; ary nanam-bady 14 izy,ka zazalahy 22 sy zazavavy 16 no naterany.

22 Ny sisa amin'ny tantaran'i Abia ary koa ny zava-bitany sy nataony dia efa voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoeTsiahin'i Hidao mpaminany.

23 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Abia , dia nalevina tao an-Tananan'i Davida;ary i Asa zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0568