2 Tantara

Toko faha-31

1 Nony vita izany rehetra izany, dia niainga nankany amin'ireo tanana jodeanina ny Israelita tsy an-kanavaka izay teo ka nanamontsamontsana ny tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an'i Asera ary nandrava ny toeram-panasinana sy alitara fanompoan-tsampy eran'i Joda sy i Benjamina ary koa tamin'ny foko efraimita sy manasita ambara-paharavany azy rehetra. Taorian'izay dia samy nody ho any amin'ny taniny sy ny tananany avy izy rehetra.

2 Najoron'i Hezekia indray ny antokon'ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatrany fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin'ireo kianjan'ny tranon'ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny TOMPO.

3 Ny zavatra hatao sorona dorana manontolo dia nomen'ny mpanjaka avy tamin'ny fananany, na ny fanolotra marain-tsy hariva izany na ny fanolotra isan-tsabata sy amin'ny voaloham-bolana ary amin'ny fankalazana hafa, araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'ny TOMPO.

4 Ny olona izay nonina tao Jerosalema dia nasain'i Hezekia nanome ny anjaran'ireo mpisorona sy levita mba hifikirany mafy amin'ny fombam-pivavahana naraikitry ny TOMPO.

5 Ary nony niely izany teny izany, dia nitondra voaloham-bokatra betsaka ny Israelita: dia vary sy divay, menaka sy tantely mbamin'ny vokatry ny tany isan-karazany; ary ny fahafolon-karena tamin'ny zavatra rehetra dia betsaka koa no nentiny.

6 Ny mponin'ireo tananan'i Joda, na Israelita tavaratra na Jodeanina, dia nitondra koa ny fahafolon-karena tamin'ny omby sy ondry aman'osy ary ny fahafolon-karena tamin'ny vokatry ny tany isan-karazany; nentiny avokoa ny zavatra voatokana ho an'ny TOMPO ary navosany nitsitokotoko maro ireny.

7 Tamin'ny volana fahatelo no nanombohana nanao izany ary tamin'ny volana fahafito no nahavitana azy.

8 Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekia sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.

9 Dia nanontanian'i Hezekia ny mpisorona sy ny levita momba ireo zavatra niavosa ireo.

10 Ka i Hazaria mpisorombe, anisan'ny taranak'i Tsadoka, no namaly azy hoe:-Hatramin'ny niandohan'ny fitondran'ny olona ampaham-bokatra an-tranon'ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.

11 Dia efitrano fitahirizan-javatra no nasain'i Hezekia namboarina tao an-tranon'ny TOMPO; ka rehefa voavoatra izany,

12 dia hatrany hatrany no nampidirana ny ampaham-bokatra sy ny fahafolon-karena ary ny zavatra hafa natokana ho an'ny TOMPO. Ilay levita atao hoe Konania no mpiandraikitra ireny, ary i Simehy rahalahiny no mpanampy azy.

13 Ny tonian'ireny kosa dia i Jehiela sy i Hazazia, i Nahata sy i Hasahela, i Jeremotasy i Jozabada, i Eliela sy i Jismahia ary i Mahata sy i Benaia; teo ambany fifehezan'i Konania sy i Simehy mirahalahy izy ireo, araka ny didin'i Hezekia mpanjaka sy i Hazaria mpiandraikitra ny tranon'Andriamanitra.

14 Ilay levita atao hoe Kora, zanakalahin'i Jimna sady mpiandry ny varavarana atsinanana, no nisahana ny fanati-tsitrapo ho an'Andriamanitra ary nizara ny zavatra navahana ho an'ny TOMPO sy ny zava-masina indrindra.

15 Teo ambany fifehezan'i Kora hatrany hatrany kosa ry i Hedena sy i Miniamina, i Jesoa sy i Semahia ary i Amaria sy i Sekania izay tany amin'ireo tananan'ny mpisorona. Ary adidin'izy enin-dahy ny hizara sakafo ho an'ireo mpiombona asa aminy, na ny lehibe na ny kely,

16 isaky ny lehilahy voasoratra hatramin'ny zazalahy feno telo taona noho miakatra; ankoatra ireo, dia mahazo zavatra manokana isan'andro koa izay mpisorona sy levita rehetra miditra ao an-tranon'ny TOMPO mba hanao fanompoana amin'ny anjara raharahany araka ny antokony avy.

17 Ny fanoratana ny mpisorona moa dia natao araka ny fianakaviany avy; fa ny levita kosa, hatramin'ny roapolo taona noho miakatra, dia nosoratana araka ny anjara raharahany sy araka ny antokony avy.

18 Fisoratana nahafaokany ankohonany rehetra izany, dia ny vadiny sy ny zanany lahy na vavy ary ny olona rehetra vory ao aminy, rehefa nanao ny fidiovan-tena hatrany hatrany ny besinimaro.

19 Ho an'ny mpisorona, taranak'i Aharona, izay teny amin'ny tany manodidina ny tananany, dia nisy olona voatonona anarana isan-tanana mba hanome anjara ny lehilahy rehetra ary koa hanome anjara ny levita rehetra izay voasoratra.

20 Toy izany no nataon'i Hezekia manerana an'i Joda; ka nanao izay tsara sy mety izy, dia izay hitsiny teo anatrehan'ny TOMPO Andriamaniny.

21 Fony nirotsaka tamin'ny asa rehetra momba ny fanompoana ny tranon'Andriamanitra ary momba ny lalanany sy ny didiny izy, dia nitady an'Andriamanitra tamin'ny fony manontolo; ka izany no nahazoany fanambinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628