2 Tantara
Toko faha-16
1 Tamin'ny taona faha-36 nanjakan'i Asa, dia niakatra hanafika ny tanin'i Joda i Bahasa mpanjakan'i Israely ka nanamafy ny tananan'i Rama izy mba hisakanan-dalana an'i Asa mpanjakan'i Joda.2 Koa nangalan'i Asa volafotsy sy volamena ny raki-tsoa tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapan'ny mpanjaka; dia nalefany ho an'i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria izay nipetraka tany Damasy izany sady nombany hafatra hoe:
3 Aoka hisy fanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Koa indro mandefa volafotsy sy volamena ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin'i Bahasa mpanjakan'i Israely mba hialany amin'ny taniko.
4 Dia neken'i Bena-Hadada ny tenin'i Asampanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tananan'i Israely, ka dia nahazo an'i Hiona sy i Dana ary i Abela-Maima mbamin'ny tanana rehetra tany Naftaly izay nisy trano fitahirizam-bokatra.
5 Nony ren'i Bahasa izany vaovao izany, dia nitsahatra tsy nanamafy ny tananan'i Rama intsony izy, fa nampijanona ny asany.
6 Novorin'i Asa mpanjaka ny Jodeanina rehetra; ka ireo no nanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama, izay vao nohamafisin'i Bahasa. Dia nampiasain'i Asa ireo fitaovana ireo hanamafisana an'i Geba sy i Mitsepa.
7 Tamin'izany fotoana izany dia nankeo amin'i Asa, mpanjakan'i Joda, i Hanany mpaminany ka nanao taminy hoe:-Tsy ny TOMPO Andriamanitrao no niankinanao fa ny mpanjakan'i Siria; noho izany, dia votsotra tsy ho eo ambany fahefanao ny tafiky ny mpanjakan'i Siria.
8 Tsy tafika marobe ve ny Etiopianina sy ny Libianina ary tsy betsaka ve ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin'ny TOMPO, dia natolony teo an-tananao ireo.
9 Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adalaianao tamin'io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.
10 Dia tezitra sy nisafoaka tamin'ilay mpahita i Asa noho izany ka nampiditra azy am-ponja. Ary nisy olona sasany koa nampahorin'i Asa tamin'izay fotoana izay.
11 Ny tantaran'i Asa, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny Bokin'ireo mpanjakan'i Joda sy i Israely.
12 Tamin'ny taona faha-39 nanjakan'i Asa,dia narary mafy tamin'ny tongony izy;kanefa, na niharan'aretina aza izy, dia tsy nitady vonjy tamin'ny TOMPO fa tamin'ny mpitsabo ihany.
13 Rehefa maty i Asa tamin'ny taona faha-41 nanjakany ka lasa nodimandry any amin'ny razany,
14 dia nalevina tao amin'ny fasana izay nolavahany tao an-Tananan'i Davida. Nampandrina teo amin'ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa araka ny fanaon'ny mpiangaly an'izany izy, ary mbola nandorana zava-manitra betsaka ho fisaonana azy.