2 Tantara
Toko faha-12
1 Rehefa nampandry ny fanjakany sady nanamafy fahefana i Rehabohama, dia nandao ny lalanan'ny TOMPO na ny tenany na ny Israelita rehetra tatsimo.2 Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Rehabohama dia niakatra i Sisaka mpanjakan'i Ejipta mba hamely an'i Jerosalema, satria nivadika tamin'ny TOMPO ireo mponina tao.
3 Nitondra kalesy 1200 sy mpitaingin-tsoavaly 60 000 i Sisaka; ary tsy hita isa ny miaramila nanaraka azy avy any Ejipta, dia ny Libianina sy ny Sokita ary ny Etiopianina.
4 Dia azony ny tanana mimanda eran'i Joda, ka tonga hatrany Jerosalema izy.
5 Noho ny fiavian'i Sisaka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr'i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahia mpaminany ka nanao taminy hoe:-Izao no lazain'ny TOMPO: "Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan'i Sisaka."
6 Dia niaiky hadisoana ny mpanjaka sy ireo mpifehy ny Israelita tatsimo ka nanao hoe:-Rariny ny an'ny TOMPO!
7 Ary nony hitan'ny TOMPO izany fiekena hadisoana izany, dia nisy indray tenin'ny TOMPO tamin'i Semahia nanao hoe:-Efa niaiky hadisoana ireo, ka tsy handringana azy Aho fa tsy ho ela dia hanafaka azy;ary ny fahatezerako tsy hatosako amin'i Jerosalema avy amin'ny famelezan'i Sisaka.
8 Kanefa hilefitra hanompo an'i Sisaka ihany izy ireo, mba hahafantarany fa tsy mitovy ny manompo Ahy sy ny manompo ireo mpanjakan'ny tany vahiny.
9 Dia niakatra i Sisaka mpanjakan'i Ejipta mba hamely an'i Jerosalema ka namabo ny raki-tsoa tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapan'ny mpanjaka; nobaboiny avokoa ireo, indrindra ny ampinga volamena rehetra izay nataon'i Salomona.
10 Ho solon'ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben'ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran'ny lapan'ny mpanjaka, no nanankinany azy.
11 Ary na oviana na oviana nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'ny TOMPO, dia tonga ny mpiambina naka ireo ampinga ireo, ka avy eo namerina azy ho ao an'efitranon'ny mpiambina indray.
12 Niaiky hadisoana kosa i Rehabohama, ka niala taminy ny fahatezeran'ny TOMPO mba tsy hahalany ringana azy; sady mbola nisy hatsaram-panahy ihany tao Joda.
13 I Rehabohama mpanjaka dia nanamafy ny fahefany tao Jerosalema, ka dia nanjaka;feno 41 taona izy fony tonga mpanjaka, ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, ilay tanana nofidin'ny TOMPO tamin'ireo fokon'i Israely rehetra mba hampitoerany ny voninahiny. Ny anaran-drenin'i Rehabohama dia i Nahama izay Hamonita.
14 Ary nanao ratsy i Rehabohama,satria tsy nampifantoka ny fony hitady ny TOMPO.
15 Ny tantaran'i Rehabohama, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin'ny boky miloha teny hoe Asan'i Semahia mpaminany sy i Hidao mpahita sady voavisavisa tsara. Ary niady mandrakariva i Rehabohama sy i Jerobohama.
16 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Rehabohama, dia nalevina tao an-Tananan'i Davida; ary i Abia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.