2 Tantara

Toko faha-5

1 Rehefa vita ny asa rehetra nataon'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan' i Davida rainy ho an'Andriamanitra , dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja isan-karazany, ka napetrany tao amin'ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon'Andriamanitra.

2 Tamin'izay fotoana izay dia novorin'i Salomona tao Jerosalema ny loholon'i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ireo filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO, avy ao TsionaTananan'i Davida hankao an-tempoly.

3 Ary tafavory teo amin'ny mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin'ny volana fahafito.

4 Rehefa tonga avokoa ny loholon'i Israely, dia noraisin'ny mpisorona-levita ny Vatamasina

5 ka nampiakariny niaraka tamin'ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.

6 I Salomona mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan'ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman'osy marobe tokoa hany ka tsy tambonisaina intsony.

7 Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny toerany tao anatin'ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin'ny elatr'ireo kerobima;

8 fa nivelatra tambonin'ny toeran'ny Vatamasina ny elatr'ireo kerobima ka nanarona ny Vatamasina sy ny bao filanjana azy.

9 Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin'ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo.

10 Tsy nisy na inona na inona tao anatin'ilay Vatamasina afa-tsy ny vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao fony tany Horeba, rehefa nanaovan'ny TOMPO fanekem-pihavanana ny Israelita taorian'ny nialany tany Ejipta.

11 Dia nivoaka ny Toeramasina ny mpisorona (fa ny mpisorona rehetra teo moa dia samy efa nanokan-tena, satria tsy nisy fitandroana ny filaharan'ny antokony tamin'izay).

12 Ny levita mpihira rehetra kosa, izany hoe i Asafa sy i Hemana ary i Jedotona mbamin'ny zanany sy ny mpiray tarika aminy, dia nitafy rongony fotsy madinika; ary nitsangana teo atsinanan'ny alitara fisoronana izy ireo sady nitondra kipantsona sy valiha ary lokanga. Teo anilan'ny levita mpihira dia nisy koa mpisorona 120 izay nahay nitsoka trompetra.

13 Niombona toy ny feo tokana no fandrenesana ny mpitsoka trompetra sy ny mpihira, fony izy nidera sy nisaotra ny TOMPO. Ary rehefa nanandratra ny feony izy sady nampaneno ny trompetra sy ny kipantsona mbamin'ny zava-maneno isan-karazany, ka nihira hoe: "Midera ny TOMPO fa tsara Izy; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany ",dia feno rahona ny tranon'ny TOMPO,

14 ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranon'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566