2 Tantara
Toko faha-4
1 Dia nataon'i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.2 Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Horama; halimo voaempo nonanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony, ary 15 metatra ny morony manodidina azy.
3 Tambanin'ny molotr'ilay fitobian-dranogoavana, tamin'ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarin'ombalahy folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana ireo nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin'ilay fitobian-drano.
4 Tambony sarin'ombilahy halimo 12 no nipetrahan'ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo, ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavanadia teo ambonin'ireo sarin'ombalahy izay nifampiamboho ireo.
5 Ny hateviny dia valo santimetatra; ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 120 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.
6 Dia nanao ny koveta be halimo folo i Horama mba ho fanasan-tsorona , ka ny dimy napetraka teo amin'ny ankavanana, fa ny dimy teo amin'ny ankavia; ny zavatra fanao sorona dorana manontolo no nakobaka teo. Ny fitobian-drano goavana kosa dia fidiovan'ny mpisorona.
7 Dia nanao ny fitoeran-jiro volamena folo, araka ny toromarika, i Horama ka napetrany tao amin'ny Toeramasina, dimy teo amin'ny ankavanana ary dimy teo amin'ny ankavia.
8 Dia nataony koa ny latabatra folo izay napetraka tao amin'ny Toeramasina, dimy teo amin'ny ankavanana ary dimy teo amin'ny ankavia. Dia nataony ny tsatokaty volamena miisa zato mba ho famafazana.
9 Ary nataony ny kianjan'ny mpisorona sy ilay kianja hafa lehibe kokoa miaraka amin'ny lela vavahady izay nopetahana takelaka halimo.
10 Ilay fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin'ny lafiny havanana, teo amin'ny zorony atsimo atsinanana.
11 Rehefa vitan'i Horama ny vilany fanangonan-davenona sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa ny asa izay nataony ho an'i Salomona mpanjaka tao amin'ny tranon'Andriamanitra:
12 ny andry anankiroa, ny koronosy boribory anankiroa teo an-tampon'ny andry, ny harato anankiroa nafono ny koronosy,
13 ny sarin'ampongabendanitra efajato nahantona tamin'ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana isaky ny harato.
14 Nataon'i Horama ny kalesy mbamin'ireo koveta be fametraka eo amboniny,
15 sy ilay fitobian-drano goavana mbamin'ny sarin'ombalahy 12 teo ambaniny,
16 ary ny vilany fanangonan-davenona mbamin'ny lapelina sy ny fitrebika. Ny kojakoja rehetra nataon'i Horama-Aby ho an'i Salomona mpanjaka ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia vita halimo mamiratra avokoa.
17 Tao amin'ny lohasahan'i Jordana no nasain'i Salomona narendrika tao amin'ny tany be tanimanga ireo kojakoja ireo, dia teo anelanelan'i Sokota sy i Tseredata.
18 Nampanao fitaovana maro dia maro i Salomona, hany ka tsy hay notombanana intsony izay lanjan'ny halimo nampiasaina.
19 Nampanaovin'i Salomona natao koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin'ny tranon'Andriamanitra, dia ireto avy: ny alitara volamena, ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an'Andriamanitra ,
20 ny fitoeran-jiro mbamin'ny lelan-jiro hampirehetina eo anoloan'ny efitra masina indrindra, araka ny fomba, dia samy volamena madio avokoa,
21 ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro, izay momba ny fitoeran-jiro, dia samy volamena faran'izay tsara;
22 ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ary ny fitaovam-panembohana, dia samy volamena madio; ny lela varavarana, na ny mankao amin'ny Toeramasina Indrindra, na ny mankao amin'ny efitrano malalaka, dia samy volamena avokoa.