2 Tantara

Toko faha-15

1 Tonga tamin'i Hazaria zanakalahin'i Hodeda ny Fanahin'Andriamanitra;

2 ka niainga hitsena an'i Asa izy ary nanao taminy hoe:-Mihainoa ahy, ry Asa mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.

3 Nandritra ny fotoana ela ny Israelita no tsy nanana an'ilay Andriamanitra marina, na mpisorona hampianatra na lalana.

4 Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy.

5 Tamin'izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohorobe no nanjo ny mponina rehetra tamin'ny tany.

6 Nifandringana ny firenena sy ny tanana, satria Andriamanitra efa nampangorohoro azy tamin'ny fahoriana isan-karazany.

7 Koa mahereza ianareo, fa aza miraviravy tanana;satria hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo.

8 Rehefa ren'i Asa izany teny izany na hoe ny faminanian'i Hazaria mpaminany zanakalahin'i Hodeda , dia nihasahy izy ka nanaisotra ny sampy tamin'ny faritanin'i Joda sy i Benjamina manontolo ary tamin'ny tanana izay azony tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima. Avy eo dia nohavaoziny ny alitaran'ny TOMPO, izay teo anoloan'ny fidirana amin'ny tranon'ny TOMPO.

9 Nisy Israelita betsaka, avy tamin'ny foko efraimita sy manasita ary simehonita, nifindra monina sy nanatona an'i Asa rehefa nahita fa niaraka tamin'i Asa ny TOMPO Andriamaniny. Novorin'ny mpanjaka ireo mbamin'ny Jodeanina sy ny Benjaminita rehetra

10 ka tafavory tokoa tao Jerosalema tamin'ny volana fahatelon'ny taona faha-15 nanjakan'i Asa.

11 Androtrizay no nanolorana sorona ho an'ny TOMPO tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo.

12 Ary nanao ny fanekem-pihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin'ny fony manontolo sy amin'ny fanahiny manontolo;

13 ka na iza na iza tsy mety mitady ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy.

14 Ary nianiana tamin'ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.

15 Nifalian'i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin'ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin'ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin'ny sisin-tany manodidina.

16 Na dia i Maheka reniben'i Asa aza dia naetrin'ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy efa nanao sarivongan-tsampin'i Asera. Noravan'i Asa io sampy io, dia nomontsamontsaniny ary nodorany tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona.

17 Kanefa tsy mbola foana teo amin'i Israely ny toeram-panasinana, na dia nahitsy fo hatrany aza i Asa tamin'ny androm-piainany rehetra.

18 Nampidiriny ho ao an-tranon'ny TOMPO ireo zavatra voatokan-drainy sy voatokan'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.

19 Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona faha-35 nanjakan'i Asa

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.062