2 Tantara

Toko faha-19

1 Dia niverina soa aman-tsara tao an-dapany, tao Jerosalema, i Josafata mpanjakan'i Joda.

2 Niainga hitsena azy i Jeho mpaminany zanakalahin'i Hanany, ka nanao taminy hoe:-Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony ho tiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.

3 Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin'ny taninao ny tsatokazo fanajana an'i Asera sady naronanao ny fonao hitady an'Andriamanitra.

4 Nitoetra tao Jerosalema i Josafata; ary nandeha hitety vahoaka indray izy hatrany Beera-Seba ka hatrany amin'ny tendrombohitr'i Efraima, ary nampiverina azy ho amin'ny TOMPO Andriamanitry ny razany.

5 Nanendreny mpitsara tamin'ny isan-tanana mimanda eran'ny tanin'i Joda

6 sady nohafatrafarany hoe:-Tandremo izay hataonareo, satria tsy araka ny olona fa araka ny TOMPO no hitsaranareo; sady ny TOMPO mihitsy no hiaraka aminareo rehefa mitsara ianareo.

7 Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO!Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia helokana fizahan-tavan'olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.

8 Tao Jerosalema koa dia nanendren'i Josafata ny sasany tamin'ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin'ny mponina tao an-tanana.

9 Dia nomeny baiko ireo ka nilazany hoe:-Izao no hataonareo noho ny fanajana ny TOMPO araka ny toetra mahatoky sy ny hitsimpo.

10 Na inona na inona ady avy amin'ny mpiray firenena, any amin'ny tanana fonenany any momba ny vonoan'olona na momba ny lalana sy didy amam-pitsipika samy hafa, dia anaro izy;dia tsy ho meloka amin'ny TOMPO ireo, ary tsy hiharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ianareo sy ny mpiray firenena aminareo. Izany no ataovy, dia tsy ho meloka ianareo.

11 Ary indro i Amaria mpisorombe no ho lehibenareo amin'ny raharaham-pivavahana rehetra; ary i Zebadia, zanakalahin'i Jismahela sady mpifehy ny taranak'i Joda, no ho lehibenareo amin'ny raharaham-panjakana rehetra. Ny levita no hompitantsoratra hanampy anareo. Mahereza, ka mahefa, ary ny TOMPO anie hiaraka amin'izay manao ny tsara!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0577