Eksôdy
Toko 1 Ireto no anaran'ireo zanakalahin'i Jakoba na Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin'ny rainy, samy nombam-bady aman-janaka:
Toko 2 Nisy lehilahy iray, anisan'ny fokon'i Levy, nandeha naka vady tao amin'ny mpiray foko aminy.
Toko 3 Niandry ny ondrin'i Jetrao rafozany, mpisorona tao Midiana i Mosesy. Indray andro, rehefa avy nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatra ny taniefitra izy, dia tonga tao Horeba tendrombohitr'Andriamanitra.
Toko 4 Dia namaly ny TOMPO i Mosesy ka nanao hoe: -Tsy hino ahy ny Israelita ary tsy hihaino ahy, fa hilaza hoe: Tsy nisehoan'ny TOMPO akory ianao!
Toko 5 Taorian'izany dia nankany amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharona ka niteny taminy hoe: -Izao no nambaran'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.
Toko 6 Fa namaly an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin'ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin'ny taniny izy ireo!
Toko 7 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Jereonao fa omeko fahefan'Andriamanitra ianao manoloana ny Farao; ary i Aharona rahalahinao kosa dia mpitondrateninao.
Toko 8 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Asaovy ahinjitr'i Ahar Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Asaovy ahinjitr'i Aharona ny tanany mitana ny tehinao ho eny ambonin'ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy mba hiakaran'ny sahona ho eny amin'ny tany Ejipta.
Toko 9 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy. -Mankanesa any amin'ny Farao ka lazao aminy hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.
Toko 10 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mankanesa ao amin'ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.
Toko 11 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian'izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.
Toko 12 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy Aharona tany Ejipta hoe:
Toko 13 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
Toko 14 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO manao hoe:
Toko 15 Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!
Toko 16 Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin'ny taniefitra Sina, eo anelanelan'i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin' ny volana faharoa, andro faha-15 taorian'ny nialany tany Ejipta.
Toko 17 Araka ny baikon'ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr'i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin'ny vahoaka tao.
Toko 18 Ary ren'i Jetrao, mpisorona tao Midiana sady rafozan-dahin'i Mosesy, izay rehetra nataon'ny TOMPO ho an'i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.
Toko 19 Ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr'i Sinay.
Toko 20 Dia nanambara ireto teny rehetra ireto tamin'ny Israelita Andriamanitra ka nanao hoe:
Toko 21 Dia hoy indray ny TOMPO hoe: -Ireto koa ny fitsipika izay hovelabelarinao eo anatrehan'ny Israelita:
Toko 22 Raha misy mpangalatra tratra eo am-pangalarana amin'ny alina ary voakapoka ka maty, dia tsy vono olona akory izany;
Toko 23 Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy.
Toko 24 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miakara aty Amiko ety an-tendrombohitra miaraka amin'i Aharona sy i Nadaba sy i Abiho ary loholona fitopolo amin'ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin'ny tany.
Toko 25 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:
Toko 26 Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin'ny kiran-drongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
Toko 27 Hisy alitara fisoronana hamboarina amin'ny hazo mimoza. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Toko 28 Ry Mosesy, ampanatony ho eo akaikinao i Aharona rahalahinao sy ny zanany efa-dahy, dia i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara. Avaho amin'ny Israelita ireo mba hanompo Ahy amin'ny fisoronana.
Toko 29 Toy izao no zavatra hataonao rehefa hanokana an'i Aharona sy ny zanany lahy ho mpisorona ho Ahy ianao: -Maka vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema.
Toko 30 Alitara iray no hamboarina amin'ny hazo mimoza mba handoroana ny vovo-javamanitra.
Toko 31 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy:
Toko 32 Nony hitan'ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan'i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin'i Aharona izy, ka nanao taminy hoe: -Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an'i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.
Toko 33 Nibaiko an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Mandehana, miala amin'ity toerana ity ianao sy ny vahoaka izay navoakanao hiala tany Ejipta, ka mankanesa any amin'ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa homeko ny taranany.
Toko 34 Nandidy an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin'ireo ny teny mitovy amin'izay voasoratra tamin'ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.
Toko 35 Novorin'i Mosesy ny Israelita rehetra ka nilazany hoe: -Ireto no zavatra nandidian'ny TOMPO hotanterahinareo:
Toko 36 I Betsalela sy i Oholiaba mbamin'ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen'ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian'ny TOMPO.
Toko 37 Namboarin'i Betsalela tamin'ny hazo mimoza ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
Toko 38 Ny alitara fisoronana dia namboarina tamin'ny hazo mimoza. Efamira izy io, ka nirefy roa metatra sy sasany ny lafiny tsirairay ary iray metatra sy sasany ny haavony.
Toko 39 Volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny lamba fandrakofana ny fanaka fampiasa tao amin'ny Toeramasina sy ny fanamiana voatokana ho an'i Aharona, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.
Toko 40 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe: