Eksôdy

Toko faha-40

1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO hoe:

2 -Ny andro voalohany amin'ny volana voalohany no hasainao hatsangana ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana.

3 Ao no hametrahana ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ka ho takona ao am-badiky ny efitra lamba.

4 Ao no haiditra ny latabatra voatokana ka halamina eo amboniny ny mofo fanolotra ho Ahy; ao koa no haiditra ny fitoeran-jiro ka harehitra ny jirony.

5 Hapetraka eo anoloan'ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana ilay alitara volamena fandorana ditin-kazo manitra; ny efitra lamba dia hapetaka eo amin'ny fidirana mankao amin'ny fonena-masina.

6 Ny alitara fisoronana dia hatao eo anoloan'ny fidirana ao amin'ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;

7 hapetraka eo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara kosa ny kovetabe fampiasa amin'ny fidiovana, ary hofenoina rano.

8 Hatsangana ireo temitry ny kianja manodidina ny Toeramasina, ary hapetraka ny varavarana lamba eo amin'ny fidirana.

9 Halainao ny ilomasina fanokanana, dia hohosoranao ny tranolay masina sy izay rehetra ao anatiny; izany no hanokananao azy sy ny fitaovana rehetra momba azy mba ho voatokana.

10 Hohosoranao ilomasina koa ny alitara fisoronana sy ny fitaovana rehetra momba azy; izany no hanokananao azy mba ho voatokana.

11 Hohosoranao ilomasina koa ny kovetabe sy ny faladiany ka izany no hanokananao azy.

12 Hoentinao i Aharona sy ny zanany lahy hankeo amin'ny fidirana amin'ny Tranolay fihaonana, ary hampandroinao amin'ny rano.

13 Avy eo dia hampiakanjoinao an'i Aharona ireo fanamiana voatokana, ka hohosoranao ilomasina izy mba ho voatokana ho mpisorona ho Ahy.

14 Hampanatoninao ireo zanakalahin'i Aharona ka hampiakanjoinao azy ny fanamiany,

15 dia hohosoranao ilomasina toa an-drainy izy mba hanompo Ahy amin'ny maha mpisorona azy. Noho izany hosotra izany, dia ho voatokana ho mpisorona raikitra ho Ahy izy sy ny taranany mifandimby.

16 Notanterahin'i Mosesy an-tsakany sy an-davany ny baiko rehetra nomen'ny TOMPO,

17 ka ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany, taona faharoa taorian'ny nialany tany Ejipta, no nananganana ny fonena-masina.

18 Nasain'i Mosesy natsangana ny fonena-masina, ka napetraka ny faladiany sy ny hazo fisaka ary ny barany mbamin'ny andry.

19 Avy eo dia novelarina teo ambonin'ny fonena-masina ny lay, ary napetraka teo ambonin'io lay io ny sarona fiarovana, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

20 Nalain'i Mosesy ny vatofisaka misy ny didy folo ka napetrany tao amin'ny Vatamasina; dia natsofoka ny baon'ny Vatamasina sady narakotra azy ny sarony.

21 Naiditra tao amin'ilay fonena-masina ny Vatamasina, nahantona ny efitra lamba mba hanakonana ny Vatamasina, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

22 Ny latabatra voatokana dia napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana, tery amin'ny lafiny avaratra, teo anoloan'ny efitra lamba;

23 ary nalahatra teo amboniny ny mofo fanolotra ny TOMPO, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

24 Napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana tamin'ny lafiny atsimo, manoloana ny latabatra, ny fitoeran-jiro;

25 dia narehitra ny jiro teo anatrehan'ny TOMPO, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

26 Napetraka tao amin'ny Tranolay fihaonana, teo anoloan'ny efitra lamba ny alitara volamena;

27 ary nodorana teo amboniny ny vovo-javamanitra, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

28 Natsangana ny varavarana lamba teo am-pidirana mankao amin'ny fonena-masina;

29 avy eo dia napetraka teo anoloan'io fidirana io ny alitara fisoronana ary nodorana teo amboniny ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

30 Napetraka teo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe ho an'ny fidiovana, ary nofenoina rano.

31 Nampiasain'i Mosesy sy i Aharona mbamin'ny zanany lahy izany mba hanasany ny tongony sy ny tanany.

32 Nisasa toy izany ireo isaky ny hiditra ao amin'ny Tranolay fihaonana sy hanatona ny alitara, araka izay efa nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy.

33 Nasain'i Mosesy natsangana ny temitry ny kianja manodidina ny fonena-masina sy ny alitara, ary nahantona ny varavarana lamba teo am-pidirana ny kianja. Dia vitan'i Mosesy avokoa ny asa rehetra.

34 Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

35 noho izany, dia tsy afaka niditra tao amin'ny Tranolay fihaonana i Mosesy.

36 Rehefa nifindrafindra toerana ny Israelita, dia tsy niainga hanohy ny diany raha tsy efa niakatra niala tamin'ny fonena-masina ny rahona.

37 Raha tsy nihetsika ny rahona, dia tsy nifindra ry zareo fa niandry ny andro hiakaran'ny rahona indray.

38 Nandritra ny dia rehetra nataon'ny Israelita, dia nandrakotra ny fonena-masina ilay rahona nony antoandro ary nisy afo mazava teo aminy nony alina; izany no nanehoan'ny TOMPO fa teo anatrehan'ny Israelita rehetra hatrany Izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0874