Eksôdy
Toko faha-27
1 Hisy alitara fisoronana hamboarina amin'ny hazo mimoza. Ho efamira izy io, ka mirefy roa metatra sy sasany ny lafy tsirairay, ary iray metatra sy sasany ny haavony.2 Hatao miendrika tandroka ny zorony efatra ambony sady harafitra miaraka amin'ny tenan'ny alitara, izay horakofana takelaka halimo.
3 Halimo koa no hanaovana ny fanaka rehetra momba ny alitara: dia ny tavy fasiana lavenon-jabora, ny sotrobe fangaronana afo, ny tsatokaty famafazana, ny fitrebi-kena ary ny fitondrana afo.
4 Hisy makarakara halimo miendrika harato hamboarina; ary haba halimo iray no hapetaka isaky ny zorony.
5 Hapetraka eo akaikin'ny fisasahan'ny aty alitara io makarakara io, eo ambanin'ny fehivavany.
6 Hisy bao roa hatao amin'ny hazo mimoza, dia horakofana takelaka halimo;
7 ary hatsofoka ao anatin'ny haba izay manatrika ny lafiny roa amin'ny alitara ireo bao ireo, rehefa lanjaina ny makarakara.
8 Hazo fisaka no handrafetana ny alitara, ka hatao holoka aty izany, araka ny modely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra.
9 Ny fonena-masina dia hohodidinina kianja izay fefen'ny temitra vita amin'ny kiran-drongony mafy. Amin'ny lafiny atsimo, dia hivelatra eo amin'ny dimampolo metatra ny halavan'ny temitra;
10 farango sy anjaka volafotsy no hanantonana azy eo amin'ny andry halimo roapolo, izay mitsatoka amin'ny faladia halimo roapolo.
11 Ho tahaka izany koa ny lafiny avaratra, ka hivelatra dimampolo metatra ny halavan'ny temitra, ary mitovy amin'ny teo ihany ny fanantonana azy.
12 Amin'ny lafiny andrefana, manaraka ny sakan'ny kianja, dia hivelatra 25 metatra ny temitra, ary hahantona amin'ny andry folo misy faladia folo.
13 Ho 25 metatra koa ny velaran'ny kianja amin'ny lafiny fidirana atsinanana,
14 ka eo an-daniny roa amin'ny fidirana dia samy hisy temitra fito metatra sy sasany ny halavany miaraka amin'ny andry telo sy faladiany telo avy.
16 Ny vavahadin'ny kianja kosa dia hasiana varavarana lamba folo metatra, hamboarin'ny mpanao peta-kofehy amin'ny kiran-drongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka hahantona amin'ny andry efatra misy faladiany efatra.
17 Hisy anjaka volafotsy hampitohy ny andry rehetra izay mamaritra ny kianja; ny farangony koa dia ho volafotsy, fa ny faladiany halimo.
18 Koa ny kianja dia hirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany; ary ny haavon'ny lamba temitra rongony dia ho roa metatra sy sasany.
19 Ny fitaovana rehetra fanampiny mba hahatomombana ny fonena-masina dia hatao halimo avokoa, ka isan'izany ny tsimatra rehetra momba azy sy ny tsimatra rehetra momba ny fefin'ny kianja.
20 Ary ianao, ry Mosesy, mandidia ny Israelita hitondra aminao menaka oliva tsara sy madio mba handrehetana ny jiro tsy tapaka.
21 I Aharona sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin'ny Tranolay fihaonana, eo anoloan'ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin'ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin'ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.