Eksôdy

Toko faha-9

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy. -Mankanesa any amin'ny Farao ka lazao aminy hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.

2 Fa raha manda tsy handefa azy ianao ka mbola miziriziry ihany,

3 dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny TOMPO: hisy areti-mandringana mahery vaika hamely ny soavaly sy ny boriky, ny rameva sy ny omby, ary ny ondry aman'osy.

4 Saingy havahan'ny TOMPO ny biby fiompin'ny Israelita sy ny an'ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an'ny Israelita!

5 Ary nanondro fotoanandro ny TOMPO ka nanao hoe: -Rahampitso no hanatanterahako izany zavatra izany eto Ejipta.

6 Nony ampitso dia notanterahin'ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin'ny Ejiptianina; fa ny an'ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.

7 Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin'ny biby fiompin'ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita.

8 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona: -Maka molaly eran'ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin'i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan'ny Farao izany.

9 Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin'ny olona sy ny biby fiompy eran'i Ejipta manontolo.

10 Dia nalain'i Mosesy sy Aharona ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan'ny Farao. Natsipin'i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin'ny olona sy ny biby fiompy.

11 Tsy afaka niseho teo anatrehan'i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy.

12 Ary ny TOMPO nanamafy ny fon'ny Farao; koa arak'izay efa nambaran'ny TOMPO tamin'i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan'i Mosesy sy i Aharona izy.

13 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana miseho eo anatrehan'ny Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ?Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.

14 Fa amin'ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin'ny tany.

15 Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin'ny tany ianareo.

16 Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin'ny tany rehetra.

17 Na izany aza, dia mbola manao zinona ny vahoakako ihany ianao, ka tsy mety mandefa azy.

18 Noho izany, rahampitso amin'ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny andro niorenan'ny Ejipta ka mandraka androany.'

19 Koa ankehitriny ary, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.

20 Ny sasany tamin'ireo tandapan'ny Farao dia natahotra ny tenin'ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano.

21 Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin'ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.

22 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin'ny tany Ejipta manontolo, amin'ny olona sy ny biby fiompy ary amin'ny voly rehetra any an-tsaha.

23 Natsangan'i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin'ny tany Ejipta ny TOMPO.

24 Dia nisy havandra niaraka amin'ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin'izay nahafirenena azy.

25 Nanerana an'i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.

26 Ny faritany Gosena izay nonenan'ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.

27 Dia nampiantso an'i Mosesy sy Aharona ny Farao ka nilaza taminy hoe: -Diso aho tamin'ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.

28 Mangataha amin'ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.

29 Dia namaly azy i Mosesy hoe: -Raha vao mivoaka ny tanana aho, dia hanandra-tanana amin'ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an'ny TOMPO ny tany.

30 Fantatro anefa izao fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola tena hatahotra ny TOMPO Andriamanitra ihany.

31 Simba avokoa ny rongony sy ny vary orza, fa efa niteraka ny orza ary efa mamony ny rongony.

32 Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.

33 Dia niala teo anatrehan'ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanana. Nanandra-tanana tamin'ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.

34 Nony hitan'ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.

35 Ary araka izay nambaran'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy, dia manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725