Eksôdy

Toko faha-34

1 Nandidy an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Manamboara vatofisaka roa toy ny teo aloha; hosoratako amin'ireo ny teny mitovy amin'izay voasoratra tamin'ireo vatofisaka voalohany efa nopotipotehinao.

2 Mivonona ianao ho amin'ny rahampitso maraina; ka vao maraina dia miakara any an-tampon'ny tendrombohitra Sinay, ary andraso eo Aho.

3 Aoka tsy hisy olona hiaraka aminao! Aoka koa tsy hisy olona ho hita mihitsy eny an-tendrombohitra manontolo; ary aoka tsy hisy biby handrasana eny akaiky eny na iray aza, na ondry aman'osy na omby.

4 Dia nanamboatra vatofisaka roa mitovy amin'ny teo aloha i Mosesy. Ny ampitso vao maraina dia niakatra teny Sinay araka ny baiko nomen'ny TOMPO azy izy, sady nitondra ireo vatofisaka roa.

5 Nidina tao tamin'ny andry rahona ny TOMPO, ka nijanona tao niaraka tamin'i Mosesy. Nambarany azy ny anarany hoe Ny TOMPO.

6 Avy eo dia nandalo teo anatrehan'i Mosesy IZY sady mbola nanambara hoe: Izaho no TOMPO, TOMPO Andriamanitra mamindrafo sy miantra, mahari-po sy be fitiavana sady mahatoky.

7 Maneho ny fitiavako hatramin'ny taranaka faharivo Aho, ka mahalefitra ny heloka amam-pahadisoana ary ny ota; nefa kosa tsy manamarina izay meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka amam-parany hatramin'ny zafiafy sy zafindohalika.

8 Dia niankohoka haingana nitehi-tany i Mosesy mba hitsaoka ny TOMPO,

9 sady niantso hoe: -Tompo o, efa nahazo fanambinana teo imasonao ihany aho, koa miangavy anao mba hiara-dia aminay. Maditra mafy hatoka ity vahoaka ity, nefa mba avelao ny heloka amam-pahotany, ka raiso ho vahoakanao izahay.

10 Ary hoy ny TOMPO hoe: -Hanao fanekempihavanana aminareo Aho. Eo anatrehan'ny vahoakanao manontolo no hanaovako zava-mahagaga tsy mbola nisy toa azy teto ambonin'ny tany manontolo sy tamin'ny firenena rehetra; ho hitan'ireo Israelita rehetra manodidina anao fa tena mampitolagaga ny asa hotanterahiko amin'ny alalanao.

11 Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amorita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.

12 Tandremo tsara mba tsy hanao fanekempihavanana amin'ny mponina amin'ny tany izay hidiranareo, fa ho fandrika ho anareo izany.

13 Fa ravao ny alitarany, poteho ny tsangambatony, ary kapao ireo tsato-kazo fanajany an'i Asera.

14 Aza miankohoka amin'andriamani-kafa ianareo, satria Izaho TOMPO dia antsoina hoe Ilay mpitandro hasina, ka Izaho irery ihany no ho Andriamanitrareo.

15 Koa aza manao fanekempihavanana mihitsy amin'ny mponina amin'izany tany izany. Rehefa manao fanompoam-pivavahana sy manolotra sorona amin'ireo andriamaniny manko izy, dia hanasa anareo handray anjara, ka hihinana amin'ireo sorona fanaony koa ianareo.

16 Ary haka vady amin'ny zanany vavy ireo zanakalahinareo, ka ireo vehivavy ireo dia hitarika ny zanakalahinareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin'ireo andriamaniny.

17 Aza manao andriamanitra sarivongana ho anareo.

18 Ankalazao ny fetin'ny mofo tsy misy leviora; mandritra ny fito andro voatondro amin'ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Fa volana Abiba toy izany no nialanareo tany Ejipta.

19 Ahy ny voalohan-teraka rehetra, ary anatin'izany ny bibinareo; ka ny voalohan-teraky ny omby na ondry na osy dia tsy maintsy atolotra Ahy.

20 Kanefa ny lahy voalohan-teraky ny borikivavy dia hosoloinareo zanakondry na zanakosy lahy, na hovonoinareo ka haolanareo ny tendany. Ary ny zanaka lahimatoanareo kosa dia havotanareo. Aza mankao amin'ny Toeramasina mitondra tanam-polo.

21 Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra amin'ny raharahanareo ianareo na dia amin'ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.

22 Ankalazao ny fetin'ny Pentekosta amin'ny fotoana hijinjanareo ny santa-bary, ary ny fetim-bokatra amin'ny fararano.

23 Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra ao aminareo no hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitr'i Israely.

24 Fa haka ny tanin'ny firenen-kafa Aho mba hanitarana ny faritaninareo, nefa tsy hisy olona hihevitra handrombaka ny taninareo mandritra ny intelo isan-taona hiakaranareo hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

25 Aza ampiarahina amin'ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan'ny sorona atao harivan'ny fetin'ny Paska.

26 Haterinareo ao an-tranoko ny santa-bokatry ny taninareo satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo; nefa aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.

27 Mbola nandidy an'i Mosesy koa ny TOMPO hoe: -Soraty ireto didy ireto fa fototry ny fanekempihavanana ataoko aminao sy ny vahoaka israelita.

28 Dia nijanona tao niaraka tamin'ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina i Mosesy, nefa tsy nihinana na nisotro; ary izy no nanoratra tamin'ny vatofisaka roa ny didy folo, fototry ny fanekempihavanana.

29 Dia nidina avy eny an-tendrombohitra Sinay indray i Mosesy, nitondra teny an-tanany ny vatofisaka roa misy ilay raki-tsoratry ny fanekempihavanana; tsy fantany anefa fa namirapiratra ny tarehiny noho ny niresahany tamin'Andriamanitra.

30 Koa raha nahita ny tarehin'i Mosesy namirapiratra i Aharona sy ny Israelita rehetra, dia natahotra ny hanatona azy.

31 Niantso an-dry zareo i Mosesy, koa nanatona i Aharona sy ny lehiben'ny vahoaka, dia niresaka taminy.

32 Avy eo dia nanatona koa ny Israelita sisa rehetra, ka nampitain'i Mosesy taminy ny baiko rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy tao an-tendrombohitra Sinay.

33 Rehefa vitan'i Mosesy ny teny nataony, dia nosaronany voaly ny tarehiny.

34 Hatreo dia esorin'i Mosesy ny voaly manarona ny tarehiny isaky ny tonga eo anatrehan'ny TOMPO izy hiresaka aminy. Rehefa mivoaka ny tranolay hampita ny baiko voarainy ho an'ny Israelita izy,

35 dia azon'izy ireo jerena ny tarehiny mamirapiratra. Avy eo dia saronany voaly indray ny tarehiny mandra-piveriny hiresaka amin'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566