Eksôdy

Toko faha-15

1 Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!

2 Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko; Izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.

3 Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO.

4 Fa navariny ao an-dranomasina ny kalesy sy ny andian-tafiky ny Farao, ireo manam-boninahiny voafantina nasitriny ao an-dranomasin'ny Volotara.

5 Nandrakotra azy ny ranobe: nilentika any amin'ny farany ambany toy ny vato alatsaka izy.

6 TOMPO o, malaza ho mahery ny sandrinao ankavanana, ka manorotoro fahavalo!

7 Mahatalanjona ny fahalehibiazanao fa manapotika ny mpanohitra Anao. Alefanao ny fahatezeranao ka mandoro azy toy ny mololo.

8 Noho ny hamafin'ny fofonainao dia nisavovona ny ranobe; nivangongo toa rindrina ny onjan-drano; teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina no nifitsaka ny alon-drano.

9 Dia hoy ireo fahavalony hoe: Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.

10 Saingy natsokanao ny rivotrao, dia norakofan'ny ranomasina ireo. Nilentika ao anaty ranomody toy ny vongam-piraka izy.

11 TOMPO o, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?

12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia natelin'ny tany ireny.

13 Tarihinao amin'ny fitiavanao ny vahoaka izay navotanao. Amin'ny herinao no itondranao azy ho amin'ny fonenany masina.

14 Mandre izany ny firenena maro ka mihorohoro; mihoron-koditra ny Filistinina,

15 raiki-tahotra ireo lehiben'i Edoma ary mangovitra ireo andriandahin'i Moaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahana.

16 Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben'ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.

17 Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin'ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao.

18 TOMPO o, Ianao no mpanjaka mandrakizay!

19 Rehefa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin'ny Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingina azy, dia naverin'ny TOMPO hanafotra azy ireo ny ranomasina; fa ny Israelita kosa niampita teo afovoan'ny ranomasina nandia tany maina.

20 Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin'i Aharona, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.

21 Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!

22 Notarihin'i Mosesy niala tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin'ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.

23 Nony tonga tao Mara izy, dia tsy azony nosotroina ny rano tao satria nangidy. Koa izany no niavian'ny anarana hoe Mara, izay midika hoe mangidy.

24 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny vahoaka nanao hoe: Inona no hosotroinay?

25 Niantso vonjy tamin'ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin'i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan'ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an'ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.

26 Hoy Izy taminy: Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.

27 Avy eo dia tonga tao Elima ny Israelita; nisy loharano 12 sy rofia fitopolo tao, ka nitoby teo akaikin'ny rano izy ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569