Eksôdy

Toko faha-21

1 Dia hoy indray ny TOMPO hoe: -Ireto koa ny fitsipika izay hovelabelarinao eo anatrehan'ny Israelita:

2 Raha mividy mpanompo hebreo ianareo, dia ho enin-taona no hanompoany anareo; fa amin'ny taona fahafito dia hivoaka ho olona afaka maimaim-poana izy.

3 Raha tsy nanam-bady izy no tonga mpanomponareo, dia izy irery ihany no handeha; fa raha nanam-bady izy, dia handeha miaraka aminy koa ramatoa vadiny.

4 Raha ny tompony kosa no nanome vady azy ka niteraka zazalahy na zazavavy ilay ramatoa, dia hijanona ho fananan'ny tompony ilay ramatoa sy ny ankizy, fa ilay rangahy ihany no handeha.

5 Raha tahiny kosa ilay rangahy manizingizina fa tia ny tompony sy ny vady aman-janany izy ka tsy te handeha ho olona afaka,

6 dia hataon'ny tompony vavolombelona Andriamanitra; hankininy amin'ny varavarana na tolam-baravarana ilay rangahy, ka hotevehiny amin'ny fanjaibe ny sofiny, ary dia ho mpanompony raikitra izy.

7 Raha misy olona mivarotra ny zanany vavy ho mpanompovavy, dia tsy ho afaka araka ny fepetra momba ny mpanompolahy io mpanompovavy io.

8 Raha tahiny novidin'ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahin'ny tompony, dia havelany havotan'ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin'ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.

9 Raha mamofo azy ho vadin'ny zanany lahy kosa ilay tompony, dia hanatanteraka aminy araka izay fanao amin'ny zanakavavy.

10 Raha maka vady hafa kosa ilay tompony, dia tsy hisy hahenany na ny sakafo na ny fitafiana na ny fiaraha-mitoetra aminy hatrizay.

11 Fa raha tahiny tsy manome fahafaham-po azy amin'ireo lafiny telo ireo izy, dia azon'ilay vehivavy atao ny mivoaka ho olona afaka maimaim-poana.

12 Izay mikapoka olona ka mahafaty azy dia tsy maintsy vonoina ho faty.

13 Saingy raha tsy niomana hamono izy fa nahafaty tsy nahy, dia hahazo mandositra any amin'ny toerana izay hotondroiko ilay nahavita izany.

14 Fa raha tahiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin'ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin'ny alitarako aza.

15 Izay mikapoka ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.

16 Izay maka olona an-keriny dia tsy maintsy vonoina ho faty na efa namidiny ilay olona na mbola tratra ao an-tranony.

17 Izay manozona ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy vonoina ho faty.

18 Mety misy olona mifanditra ka ny anankiray mamely ny namany amin'ny vato na amin'ny totohondry, saingy tsy maty ilay voa fa mandamaka ao am-pandriana;

19 raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.

20 Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny amin'ny hazo ka mahafaty azy, dia tsy maintsy faizina izy.

21 Kanefa raha mbola velona mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompony, dia tsy tokony hofaizina ny tompony satria fananany ihany izy.

22 Mety misy olona miady ka mahadona vehivavy bevohoka ary mahatonga azy ho teraka zaza tsy tonga volana; raha tsy misy fahavoazana loatra ilay vehivavy, dia haloan'ilay meloka ny onitra izay takin'ny tompom-bady araka ny fanelanelanana nataon'ny mpitsara.

23 Raha tahiny kosa voa mafy ilay vehivavy, dia hofaizina ilay meloka: aina solon'ny aina,

24 maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra,

25 may solon'ny may, ratra solon'ny ratra, mangana solon'ny mangana.

26 Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an'ilay mpanompony izy ho onitry ny masony.

27 Raha nahafaka ny nifiny izy, dia hanome fahafahana ho an'ilay mpanompony ihany koa ho onitry ny nifiny.

28 Raha misy ombilahy manoto ka mahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty izy ary tsy azo hanina ny henany; fa ny tompon'ilay ombilahy kosa dia ho afa-tsiny.

29 Kanefa, raha tahiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.

30 Raha sazina handoa vidin'aina izy, dia tsy maintsy handoa izay vola rehetra ho fanavotana ny ainy.

31 Raha manoto ka mahafaty ankizilahy na ankizivavy ny ombilahy, dia mitovy amin'ny teo ihany no fepetra ampiharina.

32 Raha manoto ka mahafaty mpanompolahy na mpanompovavy kosa ny ombilahy, dia handoa onitra volafotsy telopolo amin'ny tompon'ny mpanompo ilay tompon'omby, ary ny ombilahy kosa dia hotoraham-bato ho faty.

33 Raha misy olona manokatra lava-drano na mandavaka lava-drano nefa tsy mandrakotra azy, ka misy omby na boriky latsaka ao,

34 dia tsy maintsy handoa vola onitra amin'ny tompom-biby ilay tompon'ny lava-drano, fa ny biby maty kosa dia ho azy.

35 Raha misy ombilahin'olona mandratra mahafaty ny ombilahin'ny namany, dia hamidiny ny ombilahy velona ka hozarainy ny vola vidiny, ary hozarainy toy izany koa ilay maty.

36 Nefa kosa, raha tahiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.

37 Raha misy olona mangalatra omby iray, na ondry iray na osy iray ka mamono azy na mivarotra azy, dia tsy maintsy hanome omby dimy na ondry efatra, na osy efatra ho onitra ho an'ny tompony izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0691