Eksôdy
Toko faha-30
1 Alitara iray no hamboarina amin'ny hazo mimoza mba handoroana ny vovo-javamanitra.2 Ho efamira izy io, ka hirefy dimampolo santimetatra ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Hisy tandrony hatao miray aminy avy eo amin'ny zorony efatra ambony.
3 Horakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony, ary hasiana sisiny volamena manodidina.
4 Hisy haba volamena roa avy hapetraka eo ambonin'ny sisiny an-daniny roa amin'ny alitara, ka hampidirana bao mba hilanjana azy.
5 Hazo mimoza no hanaovana ny bao ary horakofana takela-bolamena.
6 Hapetraka eo anoloan'ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana io alitara io, dia eo anoloan'ny saron'ny Vatamasina izay hihaonako aminao.
7 Isa-maraina dia handoro vovo-javamanitra eo i Aharona rehefa hanadio ny fitoeran-jiro ao amin'ny Toeramasina,
8 ary koa isan-kariva rehefa handrehitra ny jiro izy. Handoroana vovo-javamanitra tsy tapaka eo ho fanomezam-boninahitra Ahy TOMPO.
9 Aza manolotra vovo-javamanitra tsy sahaza eo, na sorona dorana manontolo, na fanatitra vokatry ny tany; tsy handrarahana fanatitra divay koa eo ambonin'io alitara io.
10 Indray mandeha isan-taona i Aharona no hanadio azy; hapetrany eo amin'ny tandroky ny alitara ny ra nalaina avy tamin'ny biby natao sorona ahazoana famelan-keloka. Havaozina isan-taona io lanonana io eo amin'ny taranaka mifandimby. Voatokana ho Ahy TOMPO io alitara io, ka hanan-kasina fatratra.
11 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy:
12 -Rehefa manao ny fanisam-bahoaka amin'ny Israelita ianao, dia samy handoa hetra ho AHY ny olona tsirairay hanavotana ny ainy, mba tsy hisy loza hanjo azy amin'ny fanisana.
13 Izay rehetra voaisa dia samy hanome vola antsasaky ny sekela, araka ny lanja fampiasa ao amin'ny Toeramasina. Io vola io dia haloa ho Ahy TOMPO,
14 avy amin'ny Israelita rehetra voaisa ka roapolo taona no ho miakatra.
15 Ny mpanankarena tsy handoa mihoatra antsasaky ny sekela, ary ny mahantra koa tsy handoa latsak'izany; fa ny tsirairay samy handoa ho AHY ny vola voatondro mba hanavotra ny ainy.
16 Rehefa voaangonao avy amin'ny Israelita rehetra izany vola izany, dia hampiasainao hikojakojana ny Tranolay fihaonana. Izany no hahatsiarovako ny Israelita ka hiarovako ny ainy.
18 -Momba ny fidiovana, dia hisy kovetabe iray ka halimo no hamboarana azy; hasiana faladiany halimo izany, ka hapetraka eo anelanelan'ny Tranolay fihaonana sy ny alitara, sady hofenoina rano.
19 Io rano io no hampiasain'i Aharona sy ny zanany lahy, hanasany ny tongotra aman-tanany,
20 alohan'ny hidirany ao amin'ny Tranolay fihaonana na hanatonany ny alitara mba handoro sorona hanetona ho Ahy TOMPO. Amin'izay dia tsy ho faty izy ireo.
21 Tsy maintsy misasa tongotra aman-tanana izy mba tsy ho faty. Fepetra hanan-kery hatrany eo aminy sy ny taranany izany.
23 -Maka zava-manitra tsara indrindra: dia miora ranony dimy kilao, havozomanitra roa kilao sy sasany, kanelina manitra roa kilao sy sasany,
24 ary kasia dimy kilao, araka ny lanja fampiasa ao amin'ny Toeramasina, miampy diloilon'oliva enina litatra.
25 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy hanjary ilomasina hampiasaina amin'ny lanonana fanokanana.
26 Io no hampisaina mba hanokanana ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana,
27 ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,
28 ny alitara fanaovana sorona sy ny fitaovana miaraka aminy, ary ny kovetabe sy ny faladiany.
29 Rehefa vita fanokanana ireo, dia ho voatokana ho Ahy tokoa, ka izay rehetra mikasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.
30 Horarahanao ilomasina koa i Aharona sy ny zanany lahy ho fanokanana azy mba hanompo Ahy amin'ny maha mpisorona.
31 Aorian'izany dia hambaranao amin'ny Israelita hoe: Ity no ilomasina fampiasa amin'ny fanokanana. Fanompoana ny Tompo irery ihany no hampiasana azy eo amin'ny taranaka mifandimby.
32 Koa tsy misy olona mahazo mampiasa azy mba hihosorany, ary tsy misy mahazo manamboatra ilomanitra mitovy aminy; fa voatokana izany, ka tsy maintsy hajaina ny maha voatokana azy.
33 Fa raha misy maka tahaka manamboatra mitovy aminy, ka manosotra azy amin'ny tenan'ny olon-tsotra, dia hoesorina tsy ho anisan'ny firenena israelita izy.
34 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Maka zava-manitra ianao: dia natafa, oniksa, galbanoma, ary ramy madio. Ataovy mitovy fatra ireo.
35 Mpamboatra zava-manitra no hampifangaroharo azy miaraka amin'ny sira mba hahatonga azy ho voatokana sy madio.
36 Hotorotoroina ho vovoka madinika izany ka hampiasaina ao amin'ny Tranolay fihaonana, manoloana ny Vatamasina izay toerana hihaonako aminao. Hanan-kasina miavaka aminareo izany.
37 Aza manamboatra zava-manitra mitovy aminy mba hampiasainareo ho anareo, fa aoka hoheverinareo ho voatokana ho Ahy TOMPO ihany izany.
38 Fa raha misy manamboatra zava-manitra mitovy aminy hamofonany azy, dia hoesorina tsy ho anisan'ny firenena israelita izy.