Eksôdy
Toko faha-36
1 I Betsalela sy i Oholiaba mbamin'ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen'ny TOMPO fahakingana sy faharanitan-tsaina ilaina hanatanterahana ny asa, dia hanamboatra ny zavatra rehetra hampiasaina amin'ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny Toeramasina araka izay rehetra nodidian'ny TOMPO.2 Nampanantsoin'i Mosesy i Betsalela sy i Oholiaba mbamin'ireo mpahay taozavatra hafa, izay nomen'ny TOMPO fahakingana sady vonona hanatanteraka ny asa.
3 Natolotr'i Mosesy an-dry zareo ny fanomezana nentin'ny Israelita hanaovana ny Toeramasina. Isa-maraina dia mbola nisy nitondra fanomezana an-tsitrapo teo anatrehan'i Mosesy.
4 Noho izany, ireo mpahay taozavatra rehetra izay nirotsaka tamin'ny fanamboarana ny Toeramasina dia nanapaka ny asany,
5 mba hilaza amin'i Mosesy hoe: Nitondra mihoatra noho izay ilaina amin'ny fanatontosana ny asa nodidian'ny TOMPO hatao ny vahoaka.
6 Niaraka tamin'izay dia nanome baiko manerana ny toby i Mosesy hoe: Aoka tsy hisy intsony olona, na lahy na vavy, hanomana fanomezana hanaovana ny Toeramasina. Dia nitsahatra tsy nitondra fanomezana intsony ny vahoaka,
7 satria ampy hanaovana ny asa rehetra ny efa voaray ka nisy ambiny aza.
8 Dia nanamboatra ny fonena-masina ny mpahay taozavatra mahay indrindra; lamba temitra folo vita amin'ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovany azy, ka noravahany kerobima vita peta-kofehy tsara.
9 Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.
10 Natambany ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia nataony toy izany koa ny dimy hafa.
11 Nopetahany kofehy volon'ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany tamin'ny vitrana voalohany, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba voalohany tamin'ny vitrana faharoa.
12 Nisy tadivavarana dimampolo tamin'ny sisin'ny vitrana tsirairay, ka nifanandrify tamin'ny laharan'ny tadivavarana teo amin'ny vitrana iray mifanila aminy.
13 Nanamboatra farango volamena dimampolo ry zareo mba hanakambanany ny vitrana tsiroaroa, dia voatambatra ho iray ihany ny fonena-masina manontolo.
14 Avy eo, dia namboariny koa ny tranolay hiarovana ny fonena-masina, ka lamba temitra 11 vita amin'ny volon'osy no nanaovany azy.
15 Nitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 15 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.
16 Natambany ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy, avy eo dia nataony toy izany koa ny enina hafa.
17 Nopetahany tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin'ny vitrana voalohany, ary nataony toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin'ny vitrana faharoa.
18 Nanamboatra farango halimo dimampolo ry zareo mba hampikambana ny lay ho iray ihany.
19 Mba hiarovana ny lay faharoa, dia nanao sarona hoditr'ondry miloko mena sy sarona hoditra mafy izy, ka narakony teo amboniny.
20 Nisy hazo fisaka namboariny tamin'ny hazo mimoza, ka natsangany mba hitondra ny fonena-masina.
21 Nitovy refy ny hazo fisaka rehetra, ka dimy metatra ny lavan'ny tsirairay ary 75 santimetatra ny sakany;
22 nasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka.
23 Hazo fisaka roapolo no nataony ho an'ny lafiny atsimo tamin'ny fonena-masina,
24 ary nasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin'ny lahiny roa.
25 Ho an'ny lafiny avaratra, dia hazo fisaka roapolo koa no nataony,
26 niaraka tamin'ny faladia volafotsy efapolo, ka faladiany roa avy isaky ny hazo fisaka.
27 Ho an'ny lafiny andrefana izay eo ivohon'ny fonena-masina dia hazo fisaka enina no nataony,
28 niampy hazo fisaka roa manokana ho an'ny zorony roa tery afara.
29 Ireo hazo fisaka roa ireo dia nisy elanelany ara-dalana teo amin'ny fotony, fa nifanatona tsikelikely kosa ka nikambana teo amin'ny haba iray ihany tany an-dohany. Nataony nitovy izy roa ho hazo fisaka amin'ny zorony.
30 Koa ny lafiny ivohon'ny fonena-masina dia nisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.
31 Avy eo dia nanamboarana bara mimoza ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy nihazona ny hazo fisaka tamin'ny lafiny iray tamin'ny fonena-masina,
32 barany dimy nihazona ny hazo fisaka tamin'ny lafiny iray hafa, ary barany dimy ho an'ireo hazo fisaka tamin'ny lafiny ivoho tao andrefana.
33 Ny barany afovoany dia nampandalovina teo ampisasahan'ny haavon'ny hazo fisaka, ary nataony nahatakatra ny sisiny an-daniny roa amin'ny fonena-masina.
34 Norakofany takela-bolamena, na hazo fisaka na ny barany; ary nisy haba volamena notefeny mba hitsofohan'ny barany.
35 Mpahay taozavatra no nanao ny efitra lamba iray tamin'ny rongony mafy nifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, noravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
36 Nisy andry efatra namboariny tamin'ny hazo mimoza, dia norakofany takela-bolamena; ary nahantony tamin'ny fantsika volamena teo ny efitra lamba. Nandrendrehany faladia volafotsy efatra koa ho an'ny andry.
37 Ho an'ny fidirana ao an-tranolay dia mpanao peta-kofehy no nanao efitra lamba iray hafa tamina kiran-drongony mafy mifangaro volon'ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
38 Namboarina koa ny andry dimy hitondra ny efitra lamba sy ny fantsika hanantonana azy eo. Ny lohan'ny andry sy ny anjany dia samy norakofana takela-bolamena avokoa; fa natao halimo kosa ny faladiany dimy.