Eksôdy

Toko faha-5

1 Taorian'izany dia nankany amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharona ka niteny taminy hoe: -Izao no nambaran'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Alefaso ny vahoakako mba hanao fety any an-taniefitra ho fanajana Ahy.

2 Dia hoy ny Farao: -Iza moa ny TOMPO no hoekeko, ka handefasako ny Israelita handeha? Tsy fantatro IZY, koa tsy halefako handeha ianareo!

3 Dia hoy indray i Mosesy sy i Aharona hoe: -Ilay Andriamanitry ny Hebreo, ilay TOMPO Andriamanitray, no niseho taminay. Koa mba avelao izahay handeha lalana telo andro any an-taniefitra hanao sorona aminy, fandrao hamely anay amin'ny areti-mifindra na amin'ny ady Izy.

4 Fa hoy ny mpanjakan'i Ejipta taminy: -O ry Mosesy sy i Aharona, nahoana ianareo no manaketraka ny vahoaka israelita amin'ny asany? Mandehana ianareo mankany amin'ny asa fanompoanareo.

5 Ankehitriny efa tonga marobe eto amin'ity tany ity ireo olona ireo, ka tianareo hitsahatra amin'ny asa fanompoany ve?

6 Androtr'iny ihany dia nomen'ny Farao baiko ireo Ejiptianina lehiben'ny asa fanompoana sy ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nilazany hoe:

7 -Aza omenareo mololo toy ny taloha intsony ny Israelita amin'ny fanaovam-biriky, fa izy ireo ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.

8 Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia takio aminy ihany fa aza ahenanareo, satria olona kamo ireo. Koa izany no itarainany handeha hanao sorona ho amin'ilay Andriamaniny.

9 Hamafiso fanompoana ireo olona ireo, dia hifototra amin'izany ka tsy hanonofinofy teny lainga.

10 Dia nivoaka ny lapa ireo lehiben'ny fanompoana sy ireo mpitandrin-draharaha ka nilaza tamin'ny Israelita hoe: -Izao no lazain'ny Farao: tsy hanome mololo anareo intsony aho.

11 Ianareo ihany no mandehana maka mololo ho anareo amin'izay ahitanareo any, kanefa tsy hisy hahena ny asa fanompoanareo.

12 Dia niparitaka manerana ny tany Ejipta manontolo ny Israelita hanangona vodivary hatao mololo.

13 Ireo lehiben'ny fanompoana kosa dia nandodona hoe: Vitao ny asa takina aminareo isan'andro, tahaka ny tamin'ny mbola nisy mololo ihany!

14 Nokapohiny aza ny mpitandrin-draharaha israelita notinendriny, sady nanontaniany hoe: Nahoana omaly sy androany no tsy vitanareo ny isan'ny biriky anjaranareo toy ny teo aloha?

15 Nankao amin'ny Farao ireo Israelita mpitandrin-draharaha ka nitaraina hoe: -Nahoana no dia ataonao toy izao izahay mpanomponao?

16 Tsy omena mololo izahay kanefa asaina manao biriky ihany. Ary jereo fa nokapohina izahay mpanomponao, ka heloky ny vahoakanao izao!

17 Fa novalian'ny Farao hoe: -Olona tena kamo mihitsy ianareo! Izany no antony nilazanareo hoe: Handeha hanao sorona ho an'ny TOMPO izahay.

18 Koa ankehitriny, ndeha miasa fa tsy homena mololo intsony ianareo, nefa ny isam-biriky anjaranareo tsy maintsy homenareo ihany.

19 Hitan'ireo mpitandrin-draharaha israelita fa tafalatsaka amin'ny kizo izy raha nilazana hoe: Tsy hahenanareo ny isam-birikinareo, fa ny anjara fanao isan'andro ihany.

20 Koa vantany vao nivoaka avy tao amin'ny Farao ry zareo, dia nandeha nihaona tamin'i Mosesy sy i Aharona izay efa niandry azy rahateo;

21 ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin'izy mirahalahy: -Aoka ho hitan'ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin'ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan'ireo mba hamonoany anay!

22 Dia niverina tany amin'ny TOMPO i Mosesy ka niteny hoe -Tompo o, nahoana no nampidi-doza an'ity vahoaka ity ianao? Ahoana ary no nanirahanao ahy aty?

23 Fa hatramin'ny nankanesako tany amin'ny Farao niteny tamin'ny anaranao no nahatonga izao loza izao tamin'ny Israelita, ary ianao dia tsy mamonjy ny vahoakanao akory!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563