Eksôdy

Toko faha-6

1 Fa namaly an'i Mosesy ny TOMPO hoe: -Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin'ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin'ny taniny izy ireo!

2 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy hoe: -Izaho no TOMPO.

3 Tamin'ny anarana hoe Andriamanitra Tsitoha no nisehoako tamin'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba fa tsy mbola fantatr'ireo ny anarako hoe TOMPO.

4 Nanao fanekempihavanana tamin'izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahana izay nivahiniany.

5 Efa reko ny fitarainan'ny Israelita amin'ny asa fanandevozana ampanaovin'ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho.

6 Noho izany, dia lazao amin'ny Israelita hoe: Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin'ny asa an-terivozona ampanaovin'ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin'ny fanompoana azy; ka amin'ny heriko tsy hay tohaina sy amin'ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.

7 Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin'ny asa an-terivozona nampanaovin'ny Ejiptianina.

8 Hoentiko any amin'ny tany izay efa nianianako tamin'ny tsangan-tanana fa homeko an'i Abrahama sy i Itsehaka ary i Jakoba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.

9 Notaterin'i Mosesy tamin'ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin'ny fanompoana.

10 Niteny tamin'i Mosesy indray ny TOMPO hoe:

11 -Mandehana miteny amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, mba halefany hiala amin'ny taniny ireo Israelita.

12 Fa nanambara teo anatrehan'ny TOMPO i Mosesy hoe: -Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan'ny Farao ahy izay votsa vava ity?

13 Nefa mbola niteny tamin'i Mosesy sy i Aharona ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin'ny Israelita sy amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.

14 Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin'ny Israelita: Ny zanakalahin'i Reobena, lahimatoan'i Jakoba, dia i Hanoka, i Palo, i Hetsirona ary i Karmy. Izy efa-dahy no razamben'ny tarika reobenita.

15 Ny zanakalahin'i Simehona dia i Jemoela, i Jamina, i Ohada, i Jakina, i Tsohara, ary i Saola; ity Saola ity dia zanany tamin'ilay vehivavy kanahanita. Izy enin-dahy no razamben'ireo tarika simehonita.

16 Ary ireto kosa no anaran'ny taranak'i Levy, tao amin'ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin'i Levy, dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan'i Levy.

17 Ny zanakalahin'i Gersona dia i Zibny sy i Simehy, izay samy manana ny tarika tandrify azy avy.

18 Ny zanakalahin'i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrona ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan'i Kehata.

19 Ny zanakalahin'i Merary dia i Mahely sy i Mosy. Ireo no razamben'ny tarika levita samy araka ny taranany avy.

20 I Hamrana dia nanambady an'i Jokebeda anabavin-drainy ka niteraka an'i Aharona sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan'i Hamrama.

21 Ny zanakalahin'i Jitsehara dia i Kora sy i Nefega ary i Zikry.

22 Ny zanakalahin'i Hoziela dia i Misaela sy i Elitsafana ary i Sitry.

23 I Aharona dia nanambady an'i Eliseba, zanakavavin'i Haminadaba sady anabavin'i Nahasona; io Eliseba io no niterahan'i Aharona an'i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.

24 Ny zanakalahin'i Kora dia i Asira sy i Elkana ary i Abiasafa; ireo no razamben'ny tarika korahita.

25 I Elehazara, zanakalahin'i Aharona, dia nanambady anankiray tamin'ny zanakavavin'i Potiela; ka io no niterahany an'i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin'ny taranak'i Levy, samy araka ny tarika tandrify azy avy.

26 Fa i Aharona sy i Mosesy kosa nobaikoin'ny TOMPO hoe: Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.

27 Koa nandeha niteny tany amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, i Mosesy sy i Aharona mba handefasany ny Israelita hiala amin'ny taniny.

28 Tamin'ny andro izay nitenenan'ny TOMPO tamin'i Mosesy tany Ejipta,

29 dia hoy Izy taminy: -Izaho no TOMPO! Koa lazao amin'ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.

30 Fa novalian'i Mosesy hoe: -Indro votsa vava aho, ka tsy hihaino ahy mihitsy ny Farao!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0554